Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jolay, 2014
Namoaka Lalàna Fanampenam-bava Ny Media Ny Fitondrana Miaramila Thailandey
Namoaka didim-panjakana vaovao mandràra ny media tsy hitati-baovao mitsikera ny governemantan'ny Fitondrana Miaramila thailandey. Navoakan'ny Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana tamin'ny 18 Jolay, fa mihatra amin'ireo karazana media rehetra, anisan'izany ny elektronika sy ny media sosialy ny didy.
Hisioka Hoan'ny Blaogeran'ny Zone9 Ao Ethiopia Izao Tontolo Izao Amin'ny 31 Jolay
Join Global Voices bloggers for a worldwide, multilingual tweetathon in support of the ten bloggers and journalists facing terrorism charges in Ethiopia.
Tahotra, Fitiavana Ary Ny Fahavalon'i Iran Ankafizina ao amin'ny Aterineto (dia i Facebook)
Tamin'ny 13 Jolay, tanora Iraniana valo no voasazy an-tranomaizina maharitra noho ny zavatra nataon'izy ireo tao amin'ny Facebook. Vitsy dia vitsy ny zavatra fantatry ny mpikatroka ao anatiny sy ivelan'ny firenena mikasika ity raharaha ity.
Manamafy Ny Fanakendàny Ny Aterineto Ny Fitondrà-miaramila Thai
Ny zava-tsikaritra avy amin'ny andrana fandrefesana tambajotra nataon'ny Citizen Lab dia maneho fa “tena faran'izay niovaova (dynamique) be" ny fibahanana nandritry ny andro taorian'ilay fanonganam-panjakana.
Ahoana No Hanivahana Amin'ny Fanarahamaso Ataon'ny Governemanta Ejipsiana Amin'ny Aterineto
Manolotra tari-dalana hanakanana ny Fanarahamaso ny Aterineto ataon'ny Minisiteran'ny Atitany i Tarek Amr.
Tolona Hisian'ny Fahalalahana Ety Anaty Aterineto Ao Meksika
Manohy ny fanoherany ny lalàna momba ny fifandraisan-davitra midadasika ao amin'ny fireneny ny vahoaka Meksikana, lalàna izay mety manohintohina ny fahalalahana haneho hevitra , fiainana manokana ary ireo zo fototra ety anaty aterineto.
Nilaza i Rosia Fa Mampiely “Extremisma” Ny Aterineto
Namolavola tetikady maharitra folo taona hiadiana amin'ny extremisma maherisetra ao Rosia ny Minisiteran'ny Atitany.