Feo sy fitaka Deepfakes apongatry ny FaVO-IA mandrahona ny fifidianana manerana izao tontolo izao

 

Sary niforona tamin'ny fampiasan'ny OpenArt ny Dalle-3 .

Noho ny fampiasana rindrambaiko faharanitan-tsaina voatrolombelona (FaVO-IA)  azon'ny rehetra takarina amin'izao fotoana izao dia mora ny mamorona horonampeo na horonantsarin'olo-malaza na olo-tsotra. Mila arovana matotra kokoa noho izany ny zon'ny olona solokiam-peo sy sary. Niara-niasa ireo orinasa goavan'ny teknolojia ao anaty fikasana manan-tantara hampitsahatra ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny FaVO-IA amin'ny fifidianana ho avy manerana izao tontolo izao.

Miha-mivoatra sy mihatsara fiasa hatrany hatrany ny Deepfakes ary maharesy lahatra kokoa sy manakaiky ny (tena izy). Miteraka ahiahy amin’ny hamaroan'ny fifidianana manerana izao tontolo izao mandritra ny taona 2024 ny mety ampiasana Faharanita-tsaina Voatr'Olombelona, ka hanimba ny fahamarinan'ny zotram-pifidianana. Iray amin'ireo iadiankevitra indrindra any amin'ireo firenena maro manerantany manomana fifidianana ny fanodinkodinan-tsaina ny mpifidy amin'ny alalan'ny deepfakes. Olona 4 lavitrisa eo ho eo no handatsa-bato any amin'ny firenena 50 mahery. Naneho ny ahiahiny ireo mpampianatra sekoly ambony, mpanao gazety, ary mpanao politika manoloana ny fampiasana votoaty vokarin'ny FaVO amin'ny hetsika fitaomana ara-politika.

Na izany aza, hisy fiantraikany bebe kokoa amin'ny fiainantsika andavanandro ny votoaty naposaky ny FaVO. Vao haingana izao no nahitana raharaha malaza mifandraika amin'olo-malaza, fa noho ny halakim-pivoaran'ny deepfake, dia hahita horonantsary deepfake ahitana olo-tsotra izay sady tsy olo-malaza no tsy politisiana isika ary tsy hanaitra ny fahalianan'ny besinimaro amin'ny asany na ny zavatra fanaony izany. Tena loza mitatao ho an'ny fiarahamonina izany, ary izany no maha-zava-dehibe ny fisian'ny hetsika iombonana hanoherana ny fitaka naposaky ny FaVO.

Fandinihana ireo raharaha deepfakes vao haingana

Tsy dia hoe vaovao ary efa nisy elaela ihany ny Deepfakes, na ny fikirakirana tsy mifototra amin'ny FaVO antsoina hoe “cheapfakes“. Na izany aza, amin'ny fiantraikan'ny fitondrana ny FaVO ho an'ny besinimaro kokoa amin'ny ChatGPT, vola an'arivony tapitrisa dolara tamin'ny herintaona no nampiasaina tamin'ny orinasa FaVO. Ny fampivoarana ny programa manamora ny famokarana azy ireo, indrindra fa ny deepfakes, no nampitombo ny fampiasana Faharanitantsaina Voatr'Olombelona mba hamokarana deepfakes izay mikendry ny besinimaro. Na ankehitriny aza, ankoatra ny fikirakirana horonantsary, dia nisy ny tranga famokarana deepfake am-peo, izay mora foronina kokoa.

Nahatratra olona maherin'ny 20.000 ny raharaha deepfake am-peon'ny Filohan'i Etazonia, Joe Biden, naely tao New Hampshire, mandrisika ny olona tsy hifidy amin'ny savaranonandom-pifidianana ao amin'ny fanjakana. Nilaza i Steve Kramer, tao ambadik'ity fikirakirana ity ary nandoa $150 hamokarana izany fa nanao izao izy ho hetsika tsy fankatoavam-bahoaka mba hisarihana ny saina amin'ny loza ateraky ny faharanitan-tsaina voatr'olombelona eo amin'ny politika, ary hisarihana ny saina amin'ny tsy maintsy hametrahana fitsipika amin'ny fampiasana FaVO.

Ohatra lehibe iray hafa mampiseho fa mety hampidi-doza ho an'ny demaokrasia ny deepfakes dia ny deepfake feon'ny politisiana Slovaky, Michal Simecka. Nasesika 48 ora mialoha ny fifidianana ao Slovakia tao amin'ny Facebook ny hafatra am-peo voarakitra ahitana an'i Simecka miresaka hoso-pifidianana amin'ny mpanao gazety, Monika Todova. Ohatra iray izay mety hisy fiantraikany politika sy ara-piarahamonina lalina dia ny deepfake feon'ny ben'ny tanànan'i Londres, Sadiq Khan. Tany am-piandohan'ny Novambra 2023 tany no niely haingana ny horonam-peon'i Khan heverina ho nanevateva ny Andron'ny Armistice (fankalazana hanamarihana ny fifaranan'ny Ady Lehibe voalohany) ary nitaky ny hanaovana ny diabe pro-Palestina ho lohalaharana kokoa.

Ankoatra ny deepfake am-peo amin'ireo mpiantsehatra ara-politika, dia mbola miely amin'ny aterineto ny deepfakes an-tsarin'olo-malaza. Ohatra, misy deepfake an-tsarimihetsika an'i Tom Hanks, mpilalao sarimihetsika malaza ao Hollywood, izay nandraisan'ny endriny amin'ny FaVO mampiroborobo fikojakoja-nify (na fanamboara-nify), na ilay YouTuber US iray malaza Amerikana, MrBeast, izay toa (nikarakara) “fanomezana iPhone 15 lehibe indrindra eran-tany.”

Nalaza haingana ihany koa ny deepfakes sary an'ilay mpihira Taylor Swift izay navoaka tany am-piandohan'ity taona ity tamin'ny sehatra media sosialy maro — X (Twitter taloha), Instagram, Facebook, ary Reddit. Talohan'ny nanesorana azy tao amin'ny X, dia nojerena in-45 tapitrisa mahery tao anatin'ny 17 ora teo ho eo ny deepfake an-tsarin'i Swift iray.

Hetsika iombonana anoherana ny fitaky ny FaVO-IA

Hita tamin'ny “Fifanarahana Teknolojika iadiana amin'ny fampiasana mamitaky ny FaVO amin'ny Fifidianana 2024,” izay nambara tamin'ny Kaoferansam-Pilaminan'i Munich, ireo mpiantsehatra goavana miisa 20, anisan'izany ny Adobe, Google, Microsoft, OpenAI, Snap Inc., ary Meta, nanolo-tena hampiasa teknolojia hiaka farany indrindra hamantatra sy hanohitra ny votoaty mampidi-doza vokarin'ny FaVO-IA izay mikendry ny hamitaka ny mpifidy, sady hanohana ny ezaka hampiroboroboana ny fanairana ho an'ny daholobe, hahay hamaky fampitam-baovao ary ny fifaharan'izay rehetra fiaraha-monina. Sambany orinasa 20 samihafa no miara-miombon'antoka manohitra ny hafetsena sy fitaka apogatry ny FaVO.

Nifanaraka tamin'ny fanoloran-tena manokana miisa valo ireo orinasa mpandray anjara hanalefahana ny votoatim-pifidianana mamitaka apongatry ny FaVO. Kendren'ity santatrasa eo amin'ny sehatry ny teknolojia sy ny FaVO ity ny hanao ho lasibatra ny sary, horonantsary ary feo noforonin'ny FaVO izay mety hamitaka ny mpifidy momba ny kandidà, ny tompon'andraikitra amin'ny fifidianana ary ny fizotran'ny fifidianana. Na izany aza, tsy takìny ny handraràna tanteraka ny votoaty toy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.