Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Marsa, 2016
Fitsarana Any Maraoka: Nahemotra Indray Ny Fitsarana Ireo Mpiaro Ny Zon'Olombelona
Anisan'ireo voampanga i Hicham Khribchi na i Hisham Almiraat , dokotera mpitsabo sady mpikambana tranainy ato amin'ny Global Voices
Nakatona Ny Tranokalam-baovaon'ny Antoko Komonista Iray Ao Shina, Olona 20 Nosamborina Noho Ny Fitakiana Ny Fialan'i Xi Jinping
Na dia nivoaka tamin'ny tranonkala nandritra ny adiny roa monja aza ilay taratasy misokatra, dia hita ho fanoherana mivantana ny fitantanan'i Xi avy ao anatin'ny antoko izany.
Nolazain'i Yahoo Ny Fangataham-Panesoram-Botoaty Voalohany Avy Amin'ny Governemanta Rosiana
Sambany i Yahoo nitatitra ho nahazo fangatahana fanesoram-botoaty avy amin'ny governemanta rosiana amin'ireo servisy tahaka ny Flickr sy ny Vondrona Yahoo.
Inona No Anton'ny Famoretana Ataon'i Shina Amin'ny Raharaha Ren Zhiqiang
Nanjary fitsapan-kafanana ara-politika mikasika ny toe-tsain'i Xi manoloana ireo fahasamihafana ara-poto-kevitra misy ao anivon'ny antoko ny raharaha, miaraka amin'ny fampanginana an'i Ren, ka lasa mampanontany raha misy olona afaka manasokajy ny tenany ho tsy misy ahiana amin'ny fanadiovana [olona] ara-politika rahatrizay.
#WhereisBassel (Aiza i Bassel) : Mbola Tsy Hita Ilay Mpahay Teknolojia Syriana Nogadraina
Dimy volana izay, nanjavona tao amin'ny fonja ao Damaskosy, nigadrany nandritra ny efa-taona ilay Syriana mpikirakira tranokala, Bassel Khartabil: Miaraha amin'ireo mpanohana azy ary alefaso ny fanontaniana #WhereisBassel (Aiza i Bassel) ?
Netizen Report : Miady Amin'ny Facebook Momba Ny Fiainana Manokana Ny Vondrona Eoropeana
Manome topimaso iraisam-pirenena mikasika ireo fanamby, fandresena, ary fironana mipongatra momba ny zo amin'ny Aterineto manerantany ny Netizen Report ao amin'ny Global Voices Advocacy.
Kiorda Mpanangom-Baovao Mety Higadra ao Torkia Noho ny Tsanganana Twitter sy Facebook Navoakany
Inian'ny manampahefana tiorka ny "mampifangaro ny fanangonam-baovao amin'ireo vondrona voarara sy ny fanadihadiana ireo lohahevitra saropady amin'ny fampihorohoroana madiodio tsy misy fangarony sy ny hetsika hafa midaroka fanjakana."
Netizen Report: Nosamborina Tao Brezila Noho Ny Tsy Nanomezany Hoan'ny Polisy Ny Lahatahiry WhatsApp Ny Filoha Lefitry Ny Facebook
Nosamborina tao Brezila ny filoha mpanatanteraka ny Facebook, nilaza ny filohan'i Bolivia fa hifehy ny tambajotra sosialy izy, ary kaonty media sosialy miisa 580 kosa no nakaton'i Shina noho ny "famitaham-bahoaka”.
Nitombo Maro Dia Maro Ny Fangataham-Panesoram-Botoaty Nataon'ny Governemanta Rosiana, Hoy Ny Tatitry Ny Twitter
Araka ny filazan'ny Twitter, nandefa fangatahana 1735 ny governemanta Rosiana sy ny sampana ofisialy ao aminy teo anelanelan'ny volana Jolay ka hatramin'ny Desambra 2015 hanesorana votoaty amin'ny Twitter, in-25 avo heny noho ny tamin'ny tapany voalohan'ny taona 2015
Netizen Report: Sary Mpanao Hatsikana Misy Soratra Mamazivazy ny Praiminisitra Mameno an'i Malayzia
Miparitaka ny sary misy soratra amin'ny endrika mpanao hatsikana mamazivazy ny Praiminisitra Malayziana Najib Razak taorian'ny fandrahonana ilay mpanakanto an-tsary Fahmi Reza avy amin'ny polisy Malayziana noho ny famoahana ny sarin'i Razak ho toy ny mpanao hatsikana.