Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Marsa, 2011
Shina: Voasakana Ireo Protocoles-n'ny PTP sy L2TP VPN
Fanavaozana tamin'ny 22 Martsa: mpamaky iray no nilaza taminay tamin'ny alalan'ny mailaka fa fa ny sasantsasany amin'ireo protocoles PPTP sy L2TP ihany no voasakana sy tapaka any Shina ary tsy...
Shina: Cybercafé 130.000 No Nakatony Tao Anatin'ny Enina Taona
Araka ny “tatitra Tsenan'ny Cybercafé Shina taona 2010″ navoakan'ny Ministeran'ny Kolotsaina tamin'ny 17 Martsa 2010, maherin'ny 130.000 ireo cybercafé tsy ara-dalàna nakatona tao anatin'ny 6 taona. Ankoatra ny fanakatonana ireo...
Uzbekistan:Fantatra ireo fahavalon'ny Aterineto
12 Martsa no Andro Eran-tany enti-manohitra ny Fanivanana anaty Aterineto. Natsangan'ireo Reporters Without Borders tamin'ny 2008, ny tanjona amin'izany dia ny hanapariahana ny hevitra momba ny Aterineto tsy misy fetra sy malalaka ho an'ny rehetra.
Bahrain : Tsy hita i Ali Abdulemam
Vao avy nandray vaovao mampalahelo avy amin'ny fikambanana miaro ny zon'olombelona Bahrainita izahay fa: tsy hita i Ali namanay sy mpiara-miasa aminay. Ali Abdulemam, bilaogera fitaratra sy mpanoratra ao amin'ny Global...
Azerbaijan: Nisy mafana fo iray indray voasambotra, misy manontany ao amin'ny Facebook
Taorian'ny ireo zavatra nampiahiahy izay mety ho fikasana ofisialy ny fampihenam-bidy na ny famoretana ny fampiasana ny Facebook avy amin'ireo feo miovaova any Azerbaijan dia avy indray ireo vaovao mikasika ny fisamborana mafana fo iray hafa, Bakhtiyar Hajiyev.
Fahalalahana miteny ve ny famporisihana hamono tena?
Misy tranga iray mivoatra any Minnesota izay mahatonga ny fanontaniana hoe inona ny fahalalahana miteny. Ilay mpitsabo taloha William Melchert-Dinkel, 48 taona, avy any Faribault dia voapanga niaraka tamina lehibe roa ho namporisika, nanome toro-hevitra na nanampy ny hafa hamono tena. Kanefa nilaza ilay mpahay lalàna misolo vava azy ireo, tao amin'ny aterineto, fa fahalalahana miteny ny toro-hevitra nataon'ny olona soloiny vava.