Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jona, 2016
Tanzaniana Iray Notoriana Noho Ny ‘Fanevatevana’ Ny Filoha Tao Amin'ny WhatsApp
Mulokozi no olona tratra farany tao Tanzania tamin'ny fandikana ny Lalàna vaovaon'ny heloka an-tserasera, izay miezaka hamaha ny olana toy ny sary mamoafadin'ny zaza , ny fandrahonana amin'ny aterineto, ny fisolokiana an-tserasera , fakana tsy ara-dalàna ny fifandraisana, sy ny famoahana vaovao tsy marina
Tsy Misy Firenena Ho An'ny Fampihomehezana? Manenjika Ilay Indiana Mpanao Hatsikana Amin'ny Lahatsary Snapchat Ireo Mpanao Politika
Nametraka fitoriana tany amin'ny polisy ary nandrahona an'ilay mpanao hatsikana, noho ny nandefasany lahatsary mananihany miresaka ireo Indiana olo-malaza roa ireo antoko politika avy amin'ny elatra havanana Indiana.
Mikasa Hametra Ny Fidirana Amin'ny Aterineto Ho An'ny Mpiasam-panjakana i Singapaoro
"Zava-dehibe eo amin'ny toeram-piasana maoderina ny fiarovana ny solosaina, saingy tsy tokony ho fialan-tsiny hiverenana amin'ny fomba fanao adala sy ankamehana izany."
Mpanao Gazety Mpivady Voatafika Tao Makassar, Indonezia
Mpitranga ao Indonezia ny famelezana mpanao gazety. Tsy misy mpitatitra amin'ny fampitam-baovao ny fanafihana toy izao ary afaka tsy mahazo fanasaziana matetika ireo mpanafika.
Bilaogera Notorian'ny Bankim-pirenena ao Kenya Noho Ny Lahatsoratra Bilaogy “Manala-baraka”
Notorian'ny banky ilay bilaogera mampiady hevitra Cyprian Nyakundi tamin'ity volana ity noho ny andian-dahatsoratra momba ny banky. Mamaritra ny tenany toy ny "bilaogera Kenyana liana amin'ny politika, fitantanana, hosoka amin'ny orinasa sy tantara mahaliana momba ny olombelona i Nyakundi."
Tranonkala Malaza Momba Ny Fanatanjahantena Tao Ozbekistàna; Nikatona Taorian'ny Resabe Teo Amin'ireo Mpankafy
"“Ny baolina kitra sy ny fandraharahan'ny show-biz no hany sehatra amelàna sy andeferana ny fanakianana. Ary ankehitriny, na eto aza, efa atombok'izy ireo ny fanakendàna ny feon'ny olona."
Nahitana Fitaovana Mampiahiahy Tao Amin'ny Biraon'ny Mpandini-dRaharaham-Pirenena Hongroà Iray Ka Nahatonga Ahiahy Fitsikilovan'ny Fanjakana
Nosavaina ny biraon'ny Ekint taorian'ny nilazan'ny lehiben'ny biraon'ny Praiminisitra fa manodikodina ny politikan'ny fifindra-monin'ny firenena amin'ny alalan'ny fikambanana naoriny ilay mpandraharaha Hongroà-Amerikana George Soros.
Mametra Ny Fifandraisana Sy Ny Fahalalaham-pitenenana Ny Fahatapahan'ny Herinaratra Ao Venezoela
Nantsoina ho "miadam-pandeha indrindra ao Amerika Latina" ny hafainganam-pandehan'ny aterineto ao Venezoela.
Tanzania : Lehilahy Iray Mety Higadra Telo Taona Noho Ny “Faniratsiràna” Ny Filoha Tao Amin'ny Facebook
Nitontona tamin'ny voalazan'ny lalàna mifehy ny heloka atao amin'ny alàlan'ny aterineto nolaniana tamin'ny 2015, izay ilazàn'ireo mpanohitra fa manome fahefana be loatra -- tsy misy fanarahamaso-- ireo mpitandro filaminana ilay raharaha.
Nanjavona ilay Keniàna Blaogera Sady Mpaka Sary
Talohan'ny nanjavonany, nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny izy mikasika ny fomba naharava ny asany sy ny antom-pivelomany noho ny fisamborana azy sy ny fametahana marika taminy ho 'ahiahiana amin'ny asa fampihorohoroana'