Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Febroary, 2014
Venezoela: Noraofin'ny Polisy Ny Findain'ireo Mpanao Fihetsiketsehana
Nitatitra ireo olona marobe fa noraofin'ny polisy sy ireo manampahefan'ny Mpiambina Nasionaly ny findain'ireo mpanao fihetsiketsehana ka voagadra ao Venezoela
Shina: Misy Fanarahamaso Faobe Atao Amin'ny Finday Matoa Tratran'ny Famoretana Ny Fivarotan-tena
Ny songadina ao amin'ny China Central Television izay manoritra ny lalan'ny mpiasan'ny fivarota-tena sy ny mpividy no manondro fa mampiasa ny fanarahamaso (fitsikilovana) faobe amin'ny alalan'ny tambajotran'ny finday ny governemanta Shinoa.
LAHATSARY: ‘Tsy Manana Afenina’ — Izany Tokoa Ve? #TheDayWeFightBack
Amin'ity lahatsary mozika mahasodoka ity, manontany ireo mpiserasera i Jérémie Zimmermann, avy ao amin'ny vondrona mpiaro ny zo nomerika Frantsay "La Quadrature du Net", izay miara-miasa amin'ny "La Parisienne Libérée" hoe: Mihevitra tokoa ve ianao fa tsy manan-javatra afenina?
Mpikatroka Breziliana Miady Amin'ny Fanaraha-maso Faobe
Satria mivondrona izao tontolo izao mba hanohitra ny fanarahamaso faobe amin'ny 11 febroary 2014, olom-pirenena, fikambanana sy vondrona Breziliana no miara-mientana amin'ny hetsika #TheDayWeFightBack
11 Febroary: Tsipahin'ny Aterineto Ny Fanaraha-maso Faobe
Amin'ny 11 Febroary, hiara-hientana ny olona manerana izao tontolo izao mba hanohitra ny fanarahamaso faobe. Afaka mandray anjara avokoa ny tsirairay na aiza na aiza toerana misy --na eny an-dalana na ao amin'ny aterineto.