Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Mey, 2011

Nepal: Manoratra mikasika ny Fikomiana sy ny Fanivànana ao amin'ny Facebook

  29 Mey 2011

Nitondra rivo-panovana tany Nepal ny lohataona Arabo. Ny Asabotsy 7 Mey, niangona teo akaikin'i Maitighar manodidina an'i Kathmandu renivohitra mba hangataka ny famahana araka izay haingana ny fiziriziriana nisy tato ho ato vokatry ny hatak'andro amin'ny fananganana lalàmpanorenana vaovao ny vondron'ny tanora.

Shina: Pehana Koa Izao Ny Fitaovana Fandinganana

  15 Mey 2011

Maromaro ireo Sinoa mpiondana aerineto no nitatitra fa nanomboka tamin'ny 6 May 2011 dia najary tena sarotra tokoa ny mitsidika ireo vohikala vahiny avy amin'ny alalan'ny tolotry ny China Telecom sy China Unicom. Tamin'ity indray mitoraka ity ny fahatapahana dia nahazo indrindra indrindra ny fifandraisan'ireo vondron'orinasa, tafiditra anatin'izany ny anjerimanontolo, raha toa kosa ka nandeha tsara ny ADSL tany amin'ny isan-tokantrano.

Azerbaijan: Tanora Mafàna Fo Voaheloka

  10 Mey 2011

Jabbar Savalan, tanora 20 taona, mafana fo amin'ny fanoherana, voasambotra tao Azerbaijan tamin'ny 5 Febroary, dia voampanga hifonja roa taona sy tapany noho ny fihazonana zava-mahadomelina. Na izany aza, ireo namany sy mpanohana azy ary ireo mpampahalala vaovao maro mpanara-maso ny resaka fahalalahana sy zon'olombelona ihany koa, dia manohana ny hoe notazonina i Javalan noho ireo antso nataony tao amin'ny Facebook ho fikarakarana hetsi-panoherana ao Azerbaijan taorian'ireo hetsi-bahoaka tany Tonizia sy Ejipta.

Nosoloin'i Syria Sertifika Sandoka Ve Ny An'ny Facebook Momba Ny Fiarovana Ireo Mpampiasa Azy?

  10 Mey 2011

Ana Souri [Siriana aho, amin'ny teny Arabo] mpampiasa ny sehatra fitorahana bilaogy tumblr dia manamafy[ar] fa ny Ministeran'ny Fifandraisan-davitra Siriana dia nanolo ny sertifika mikasika ny fiarovana tao amin'ny Facebook tamina iray hafa sandoka izay manamora ny fahafahana mitsikilo ireo mpampiasa azy, mitahiry ny tenimiafina ampiasainy, ary mijery ny vontoaty azy ireo manokana.

Ejipta: Manampy ny governemanta mitsikilo ny mafana fo ireo orinasa

  09 Mey 2011

Herinandro vitsivitsy lasa izay rehefa tsy namaly teo noho eo ny fangatahan'ny vahoaka ny manampahefàna, maro ireo Ejiptiana no nanalokaloka tany amin'ny foiben'ny SSI mba hiaro ireo porofo miampanga ny biraon'ny SSI (anisan'izany ny fitaovana fampijaliana sy antontan-taratasy). Anisan'ireo antontan-taratasy ireo ny fifandraisana teo amin'ireo fikambanan'ny SSI mifandraika amin'ny fanasivanana, ny fifehezana ny zavatra mivoaka amin'ny aterineto, ny fifehezana ny solosaina, ary koa ny fampiatoana ny tolotra ara-pifandraisana.

Sina: Mamelabelatra ny Fanaraha-maso ny Aterineto any Ivelany

  05 Mey 2011

Tsy nahita ny marimaritra iraisana tena mivaingana ny fifampiresahana mikasika ny zon'olombelona teo amin'i Etazonia sy Sina tamin'ny herinandro lasa. Raha nanontanian'ny governemanta Amerikana mikasika ny famoretana ny mpanohitra ny governemata Sinoa, ny famoretana ny ara-pinoana sy ny fahalalahana maneho hevitra, dia nohelohin'ny mpitondra sinoa ny fihetsika feno fihatsarambelatsihin'i Washington, indrindra indrindra fa ny famonoana olon-tsotra any Iraka sy Afganistana.