Solontenan'ny Reporters Sans Frontières tsy nekena hiditra ao Hong Kong

Saripika: Tom Grundy/HKFP.

Nosoratan'i Tom Grundy ity tatitra ity ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 10 Aprily 2024. Navoaka eto ambany ny dika nasiam-panitsiana ho anisan'ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-botoaty ifanaovana amin'ny HKFP.

Nolavina ny fahazoan'ny ny solontenan'ny Reporters Sans Frontières (RSF) tao Hong Kong taorian'ny nitazonana azy, nosavaina sy nohadihadiana nandritra ny adiny enina tao amin'ny seranam-piaramanidina izy tamin'ny 10 Aprily 2024, araka ny filazan'ny FTMF-ONG frantsay momba ny fahalalahan'ny media.

Nosavaina in-telo ity mpiadidy ny fisoloam-bava monina ao Taipei antsoina hoe Aleksandra Bielakowska ity ary nanaovan'ny tompon'andraikitry ny fifindra-monina famotorana nandritra ny adiny enina tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao an-tanàna. Noroahina hivoaka ny firenena izy avy eo.

Tao amin'ny fanambaràna taorian'ny zava-nitranga, nilaza ny RSF:

This action by the Hong Kong authorities, unprecedented for RSF, marks a new decline in the already poor press freedom climate in the territory.

Marihan'ity hetsiky ny manampahefana ao Hong Kong ity, izay sambany ho an'ny RSF, ny fijotson'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny zaratany.

Hitan'ny HKFP ny antontan-taratasy fandavana  fidirana.

Ho famaliana ny HKFP, nilaza ny mpitondratenin'ny Departemantan'ny fifindra-monina (ImmD) fa “tsy maneho hevitra amin'ny tranga tsirairay. Miasa mifanaraka amin'ny lalàna sy ny politika ny ImmD  amin'ny fikarakarana ny raharaham-pifindramonina tsirairay.

Kinasa ny hampifandraisan'i Bielakowska ny Talen'ny Birao Azia-Pasifika Cédric Alviani amin'ny mpanao gazety sy hanara-maso ny fitsarana raharaham-pilaminam-pirenena mahavoaroiroy an'i Jimmy Lai olo-malazan'ny media.

Nanomboka tamin'ny 18 Desambra 2023 ny fitsarana raharaham-pilaminam-pirenena an'i Lai. Voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ny hery vahiny ilay olona 76 taona mpanorina ny gazety tsy miankina Apple Daily efa levona, araka ny Lalànan'ny Filaminam-Pirenena najadon'i Beijing ary nandray anjara tamin'izany tamin'ny famoahana lahatsoratra “mampisara-bazana” araka ny lalànan'ny fampisaraham-bazana tamin'ny andron'ny fanjanahantany. Raha voaheloka izy dia migadra mandra-pahafaty.

Tao anatin'ilay fanambaràna, nilaza ny talen'ny fanentanana ao amin'ny RSF, Rebecca Vincent, fa “sambany” izany hetsika izany raha oharina amin'ny zaratany hafa rehetra, raha hita fa “miezaka manao ny asany fotsiny…” ny mpiara-miasa aminy. Hoy ilay mpanentana:

We have never experienced such blatant efforts by authorities to evade scrutiny of court proceedings in any country, which further highlights the ludicrous nature of the case against Jimmy Lai, and the dire erosion of press freedom and the rule of law in Hong Kong. We demand an immediate explanation from the Hong Kong Special Administrative Region and a guarantee that our representatives can return to the territory safely to monitor the remainder of Lai’s trial, which cannot take place in darkness. The world must know what is happening in Hong Kong, which has implications for global press freedom.

Tsy mbola niaina ezaky manam-pahefana mibaribary toy izao izahay mba hialana amin'ny fanaraha-maso akaiky ny zotram-pitsarana any amin'ny firenena iray, izay manasongadina bebe kokoa ny maha-mahatsikaiky ny raharaha Jimmy Lai, sy ny fahapotehan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fanjakana tan-dalàna ao Hong Kong. Mitaky fanazavana tsy misy hatak'andro avy amin'ny Fari-pitantanana manokana an'i Hong Kong izahay sy ny fiantohana fa afaka miverina soa aman-tsara any amin'ny faritany ireo solontenanay mba hanara-maso ny ambin'ny fitsarana an'i Lai, izay tsy mety atao any amin'ny takona. Tsy maintsy fantatr'izao tontolo izao ny zava-mitranga ao Hong Kong, izay misy fiantraikany amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety manerantany.

Sambany ny mpiasan'ny RSF iray no nolavina tsy hiditra ao amin'ny zaratany.

Laharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety

Mihintsam-bolo i Hong Kong ao amin'ny tondro fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety iraisam-pirenena hatramin'ny nametrahana ny lalànan'ny filaminana. Tanisain'ny Kiady ny fisamborana mpanao gazety, fanafihana ny efitranom-baovao ary ny fanakatonana seha-baovao manodidina ny 10, anisan'izany ny Apple DailyStand News ary Citizen News. Mpanao gazety maherin'ny 1.000 no very asa, raha maro no nifindra monina. Mandritra izany fotoana izany, ny fampielezam-peo RTHK vatsian'ny governemanta ao an-tanàna vola nandray torolalana matoandahatsoratra vaovao, nanadio ny arisivany ary nanala ireo vaovao sy ny fampisehoana maneso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.