Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Novambra, 2023
Aostraliàna mpanao gazety manohitra ireo “mpanaratsy” mpankahala LGBTQ+ trolls …. Aostraliana mpanao gazety manosika ny resabe manohitra ny LGBTQ+
"Tsy tiako hahatsapa ny olona hoe tsy mpampita vaovao ho azy ireo aho. Fa toy izany koa, raha tsy tena mitazona ny maha-izaho ahy aho dia tsy afaka hanao tsara ny asako."
Mpanao gazety ao Makedônia Avaratra, manohitra ny didim-pitsaràna manome alàlana ny sivana
"Tsy misy na iza na iza afaka ny hanampina ny vavanay na hakanana anay tsy hanandratra ny feonay na hamoaka ny marina, izay zavadehibe ho an'ny olom-pirenena"
Ataon'i Tonizia ahoana ny hampidirany ireo mahantrany mitombo ho ao anatin'ny fiarahamonina nomerika tsy mitsaha-mitombo?
Amin'ny taona izay tokony ho haha-teratany nomerika azy ireo dia tanora Toniziana marobe no manomboka fiainana, tsy manana ireo fahaizamanao fototra hivezivezena anatin'ny tontolo vao mainka saropady sy nomerika.
Filipiana mpanentana an'onjampeo iray maty nandritra ny fandaharana mivantana
"Maneho ny loza mitatao amin'ny lahateny demokratika ao Filipina ity fihetsika feno habibiana ity. Fisehon'ny fironana mampiahiahy sy mitohy izany izay manaloka haizina amin'ny media tsy miankina."
Anatin'ny fotoana tena manandanja ho an'ny krizy manerantany, nohalefahan'ny X (Twitter tany aloha) ireo pôlitikany momba ny kabary mahery setra
Nohalefahan'ny X be mihitsy ny pôlitikany momba ny kabary mahery setra, tamin'ny fampihenàna ihany koa ny tokotanim-pampiharany ireo fepetrany momba ny kabary mahery setra sy ny vokadratsy aterak'izany rehefa tratra ny kabary tahàka izany
Misandoka ho filohan'ny Vaomieran'nyVondrona Afrikana amin'ny fampiasana IA (HaVO) ireo mpisoloky
Miha-malaza any Afrika ny Deepfakes, teknôlôjia ampiasain'ireo jiolahy an-jotra, ary indraindray ampiasain'ny sampana sasany hanapariahana vaovao diso sy propagandy ao amin'ny kaontinanta.
Fiaiken-keloka nataona shinoa iray mpiasan'ny sivana
Miresaka ny tontolo andro fiasàny, ny amin'ireo mpiaramiasa aminy sy ny tsy fitiavany an'ilay rafitra fanivànana ny ramatoa iray mpiasan'ny rafitra fanivànana ao Shina
‘Andro manan-tantara ho an'i Fiji’ satria mamelona indray ny vaomieran'ny fampitam-baovaony
"Miasa izy io ho sehatra ahafahan'ny olona ao amin'ny tontolon'ny media miresaka, miara-miasa ary mamaha ny olana rehetra mitranga."
Mampihemotra ny fahalalahana maneho hevitra ny lalàna manasazy ny asa fanaovan-gazety anjotra any Bénin
Manasarotra ny fanaovan-gazety anjotra ny fampiharana ny lalàna nomerika ho an'ny mpanao gazety, lasa mandrahona ny fisitrahan'ny fahalalahan-gazety ao amin'ny firenena.