Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Novambra, 2017
Filipina: Vondrona Miaro Ny Zon'olombelona, Mangataka ny Apple Hamafa Ireo Kilalao Manindrahindra ny Ady Ataon'ny Filoha Duterte Amin'ny Rongony
"Tsy azo ekena hoe manaiky ny haka tombony amin'ny famonoana tsy ara-drariny sy ny fahantran'ny olona ny Apple".
#StopTheCrackdownVN: Fifanoloran-Tànana Manerantany Hitakiana Fiarovana ny Zon'Olombelona Ao Vietnam
Nanao dingana ireo vondrona mpiaro zon'olombelona nitaky tamin'ireo manampahefana Vietnamiàna ny hamotsorana ireo 165 voafonja noho ny fahatsiarovantenany, ary hampitsahatra ny fanenjehana ireo mpikatroka sy bilaogera.
Egypta: Navotsotra Rehefa Noferana Fa Tsy Hamahana Bilaogy Intsony Ilay Bilaogera
Nilaza tamin'ny gazety mpivoaka isan'andro Add-Dostour i Mohamed fa novotsoran'ny polisy izy rehefa nanaiky ny hanao sonia ny fanolorantena tsy hanavao intsony ny bilaoginy na ny kaontiny ao amin'ny Facebook, ary tsy hifandray intsony amin'ny ONG na ny mpanao gazety.
Mandrahona Am-pamazivaziana An'ireo Mpanao Gazety Amin'ny Basy Ny Filoha Tseky
Ny Zoma lasa teo, nandrangaranga basy vita hazo fahiny ny filohan'i Tseky, Miloš Zeman miaraka amin'ny soratra hoe 'ho an'ny mpanao gazety' nosoratana teo akaikin'ny basy, mirehareha izy fa fanomezana tamin'ny fitsidihany vao haingana tany amin'ny faritra tandrefan'ny firenena izany.
Meksika : Tandindonim-Pahafatesana Ireo Mpampiasa Aterineto
...ho Fiarovana ny Zon'Olombelona dia milaza fa ny fandefasana fandrahonana, ny famonoana, ny fakàna an-kery, ny fampitahorana ireo mpampita vaovao sosialy ary hatramin'ireo fandrahonana alefa ho azy ireny dia manitsakitsaka ny zo fototra ary maneritery ny fahalalahana maneho hevitra
Singapaoro, “Fampanantenana Poakaty” Ve Ny Fahalalahana Maneho Hevitra? Mitsangam-bolo Ireo Mpikatroka Taorian'ny Nisamboran'ny Polisy Ny Mpanakanto Iray Mpiaka-tsehatra
Eo ambanin'ny lalàna henjana momba ny filaminam-bahoaka ao Singapaoro, azo tazonina ho tomponandraikitra nandray anjara tamina fivoriana iray tsy ara-dalàna na olona tokana aza.
Niaro An'ilay Mpanao Gazety Nogadraina ny Didim-pitsarana Makedoniana.
Afaka manantena fanafoanana ofisialy an'ireo fiampangana azy ara-politika ihany ilay mpanao gazety Makedoniana Tomislav Kezarovski nony farany, rehefa avy niady hahazo izany efa ho dimy taona.
Mitolona Hitatitra ny Hetsika Hirak ireo Maraokàna Mpanao Gazety, Na Eo Aza Ny Fandrahonan'ny Fanjakàna
Misedra teritery samihafa ireo mpanao gazety mitatitra ireo hetsipanoherana Hirak.