Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Aogositra, 2014
Fandravonana Ny Hantsana Ara-Nomerika? Mitondra Fampihatra Maimaim-Poana Hoan'i Zambia Ny Facebook Sy Ny Orinasam-Piantsoana
Manolotra amin'ny mpamandrika tranonkala sy tolotra efa voafantina mialoha Tny fiaraha-miombon'antoka eo amin'ny indostria - fa mitady fanokafana kaonty Facebook amin'ny mpiserasera.
Roa Volana Taorian'ny Tondra-drano, Mbola Mikorontana Ny Fahalalahana Nomerika Ao Serbia
Taorian'ny tondra-drano nandravarava izay namely an'i Serbia tamin'ny volana Mey 2014, niharan'ny fanafihana ara-teknika ireo habaka ao amin'ny faritra maromaro izay namoaka ireo vaovao nitsikera ny ezaka fanavotana nataon'ny governemanta.
Tsy Manadino Mihitsy Ny Aterineto: Araho Ny Resadresaka Eran-tany Momba Ny ‘Zo Hohadinoina’ An'ny Vondrona Eorôpeana
Raha nampiharina tao amin'ny firenenao ny 'zo hohadinoina', mety handrahona ny tombotsoam-bahoaka ve izany? Manontany ny hevitr'ireo manam-pahaizana maneran-tany momba io olana io ireo tonian-dahatsoratry ny Global Voices.
Anaovan'ny Iraniana Mpiserasera Ara-Kiafina ny Governemanta Amin'ny Sivana Ataony
Mamoaka fitsipika fanivanana vaovao isam-potoana ny governemanta hanakanana ny zotram-pifandraisana Tor, izay valian'ny fianakaviamben'ny Tor amin'ny amin'ny fanomezana ny fanafodiny mandritra iny tontolo andro iny ihany.
Aterineto : Tianay Raha Ahely Maneran-Tany ilay Fetibe : Mandraisa Anjara Daholo Ary e!
Manontany anareo izahay -- ireo fikambanana vondron'olona, ireo mpifanila vodirindrina na vahiny, ireo teknisiana sy ireo matahotra ny fiovàn'ny teknolojia, antitra na tanora, na mponina an-tanàn-dehibe na ambanivohitra -- mba hanao tahaka ny anareo ny Fetiben'ny "Web We Want".
Mampanantena Hanakana Ny Tranonkala Rehetra “Tsy Nahazo Alalana” i Iran
Nandritra ny andron'ny mpanao gazety, nanambara ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny fitarihana islamika fa tsy maintsy manana fahazoan-dalana avy amin'ny fanjakana ny tranonkalam-baovao rehetra fa raha tsy izany dia miatrika fanivanana hoazy.
Hanomboka Hanakatona Ireo Habaka Eo Noho Eo Ve i Rosia ?
Manoloana ny fametrahan'ny Roskomnadzor lisitra mainty, eo koa ny fisoratan'ny blaogera anarana [mg] ary ny fanakanana kaonty Twitter [mg] tsy mila fanamarinana mazava ao amin'ny tontolon'ny RuNet, dia te-hampiditra sivana mandeha hoazy eo ho eo koa i Rosia ankehitriny izay hahafahana manakatona ireo habaka ahitana "votoaty mampidi-doza".