Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Novambra, 2014
Taorian'ny 25 taona, Nahatsapa Ho Niaina Tao Anatin'ny Demôkrasia Ihany Ve Nony Farany Ry Zareo Hongroa?
Tsy zava-baovao mihitsy ny nahatonga an'i Hongria ho 'firenena tsy malalaka'. Dimy ambiroapolo taona taorian'ny nirodanan'ny Rindrin'i Berlin, mitsangana ireo Hongroa mba hangataka ny tena demôkrasia marina.
Ao An-tanindrazana Sy Manerantany, Mitaky Ny Rariny Hoan'ilay Bilaogera Vietnamiana Dang Xuan Dieu Ireo Mpanohana Azy
Nivoaka ny fonja ny gadra iray teo aloha tamin'ny volana lasa teo ary nanambara fa miaritra fijaliana any am-ponja ilay bilaogera mpikatroka Dang Xuan Dieu. Nanao hetsika ho famotsorana azy ireo mpanohana ao anatiny sy ivelan'i Vietnam.
Venezoela: Manokatra Lalam-Baovao Hanaovan'ny Manampahefana Sivana Antserasera Ny Volavolan-dalànan'ny E-Varotra
Manome fahefana vaovao hoan'ny CONATEL (Vaomieram-pirenena misahana ny Fifandraisan-davitra ao Venezoela) ny volavolan-dalàna vaovao momba ny e-varotra (varotra antserasera) mba hanakatonana ireo habaka hita fa manitsakitsaka ireo fepetra aman-dalàna mifehy izany.
Mety Ho Lalana Iray Hanasemporana Ireo Media Tsy Miankina Ny Fanamboarana Aterineto Haingam-pandeha Any Rosia
Ao Rosia, izay ahitàna fihenana haingana ho an'ny anjaran-toerana amin'ny sehatry ny Aterineto an'ireo media tsy miankina, loza iray lehibe mananontanona ny vinavina hisian'ny fahataperan'ny tsy fiandaniana sy ny fanivànana ny votoaty amin'ny Aterineto.
Gambia: Bilaogera Voasambotra, Avy Eo Navotsotra Noho Ny Fitomboan'ny Fahatezerana Tao Amin'ny Aterineto
Navotsotra i Sait Matty Jaw, bilaogera raha saika nikasa hanatontosa fihetsiketsehana goavana ny mpianatra mba hitaky ny famotsorana azy.
Ny Andron'ny Fifidianana, Nanakatona Ny Vohikala @Verdade Mpilaza Vaovao Ao Môzambika Ny Fanafihana Anaty Aterineto
Ny ankatoky ny fifidianana io fanafihana io no niseho ary nahavita nanakatona ilay vohikala vantany vao nifarana mihitsy ny fifidianana ka hanisa vatom-pifidianana.
Meksika: Manam-pahaizana Momba Ny Mangarahara Nisy Nikasa Hitifitra Tao Amin'ny Faritry ny Oniversite
Mitohy hatrany ny herisetra ao Meksika: Notafihana lehilahy nitam-piadiana tao an-tokontanin'ny oniversite i Ernesto Villanueva, mpisolovava manokana momba ny mangarahara sy ny fahalalaham-pitenenana.
Mpanao Gazety Ao Myanmar Notànan'ny Miaramila, Ary Novonoina Avy Eo
Olona maherin'ny arivo no nitangorona tao an-drenivohitr'i Myanmar mba hitaky ny hanaovana fanadihadiana lalina ny nahafaty ilay mpanangom-baovao tany am-ponja izay nolazain'ireo mpanao fihetsiketsehana fa nampijaliana sy novonoin'ny miaramila.