Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Avrily, 2021
Nipoaka ny hetsi-panoherana tao Bangladesh rehefa maty tany am-ponja ny mpanoratra iray voampangan'ny Lalam-Piarovana Nomerika
Nosamborina noho ny fitsikerany tao amin'ny media sosialy ny setriny amalian'ny governemanta ny areti-mandringana i Ahmed. Voampanga ho "manaratsy endrika ny firenena" sy "miteraka fifandirana, fankahalana ary fisaraham-bazana" izy - fanitsakitsahana voalazan'ny DSA avokoa izany rehetra izany .
Tahaka ny ahoana ny nanararaotan'ny governemantan'i Azerbaijan ny lavaka amin'ny Facebook—an-taonany maro
Fanadihadiana nataon'ny The Guardian no nampiseho fa noleferin'ny Facebook ny fihoaram-pefy natao tao amin'ny sehatra tany amin'ireo firenena bitika toa an'i Azerbaijan noho ny fanaovany ho laharam-pahamehana izay miantraika amin'i Etazonia sy ny mpifanandrina aminy.
Mbola mikatona ny media sosialy ao Ogandà, herinandro maro aty aorian'ny fifidianana
Voafidy ho amin'ny fe-potoana fahenina ny mpitarika efa ela an'i Oganda Yoweri Museveni , raha miampanga ny mpifaninana Bobi Wine fa misy ny tsy fanarahan-dalàna goavambe, herisetran'ny fanjakana, fampitahorana ary fanorisorenana.
Valan'aretina soca: Ahoana no famolavolan'ny COVID-19 ny feon'ny Karnavaly nofoanana ao Trinidad & Tobago
Fa lohahevitra mahazatra, tahaka ireo olana misy ao amin'ny firenena eny fa na manerantany aza izay mahaliana ny vahoaka ny feonkiran'ny karnavalin'i Trinidad sy Tobago, indrindra rehefa tafiditra ny hira calypso.
Nampiato ny varotra ho an'i Belarosia sy Rosia ny orinasam-pitsikilovana finday Israeliana
Nanambara ny Cellebrite, orinasam-pitsikilovana nomerika Israeliana fantatra amin'ny fanamboarana fitaovana rindrambaiko ampiasaina hanangonana angondrakitra avy amin'ny finday avo lenta, fa hampitsahatra ny varotra amin'ny fanjakana sy amin'ny mpitandro ny filaminana Rosiana sy Belarosia.
Manan-kery ao anatin'ny ahiahy mikasika ny vonjy taitra COVID-19 ny lalàna momba ny “vaovao hosoka” ao Malezia
"Ity lalàna ity dia manamafy ny fahitana fa ny toetran'ny hamehana misy antsika amin'izao fotoana izao dia entina hampihenana izay endrika fitsikerana ny governemanta ankehitriny.."