Ao Brezila, hatramin'ny nitondran'i Bolsonaro, nihena ny daroka mpanao gazety fa mitombo ny fitoriana eny amin'ny fitsarana

Sary avy amin'i Fabio Rodrigues-Pozzebom/Agência Brasil, nahazoana alalana.

Ity lahatsoratr'i Fernanda Diniz ity dia navoaka voalohany tao amin'ny tranokalan'ny Agência Pública tamin'ny 31 Janoary 2024 tao amin'ny zoro ‘Entrelinhas do Poder’. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ny dika nasiam-panitsiana noho ny fifanarahana fiaraha-miasa.

Naneho fihenan'ny trangan-kerisetra mivantana amin'ireo matihanina amin'ny fampitam-baovao nandritra ny taona 2023  ny Tatitra isan-taona miresaka herisetra amelezana mpanao gazety sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety any Brezila, ny Federasiona Nasionalin'ny Mpanao Gazety (FENAJ), saingy nahitana fampiasana bebe kokoa ny fitoriana avy amin'ireo izay miezaka manakana ny asa fanaovan-gazety. Nivoaka tamin'ny faran’ny volana janoary ny tatitra.

Navoakan'ny rakitra fa nisy 181 ireo herisetra isan-karazany nahazo ireo matihanina amin'ny fampitam-baovao, izay fihenana antsasany raha oharina amin'ny tranga 376 voarakitra tamin'ny taona 2022.

Etsy andaniny, nitombo 92,31 isanjato ny fitoriana mikendry ny mpanao gazety tamin’ny herintaona. Amin'ity toe-javatra ity, ny sivana dia iray amin'ireo fiantraikany mampanahy indrindra, ary ny Agência Pública mihitsy no anisan'ireo tratran'izany.

Ny fanadihadiana dia mifototra amin'ny tatitra manerana ny firenena nataon'ireo niharam-boina na tatitry ny mpanao gazety tamin'ny sendika, ary tamin'ny fanangonana tatitra vaovao.

Niova endrika noho izay teo ambany fitondran'ny filoha teo aloha Jair Bolsonaro, fony fahita hatrany ny fanafihan'ny manampahefana ambony ao amin'ny firenena, ny toetry ny herisetra anti-media amin'izao fotoana izao. Voamarik'io vanim-potoana io ireo fikasana hanaratsy ny gazety, amin'ny fanafihan'ny mpanohana ny filoha teo aloha Bolsonaro (PL, Antoko Liberaly), sy izy tenany raha mbola teo amin'ny birao (maha-filoha azy).

Nanondro ny filoha tamin'izany fotoana izany ny fitsapan-kevitra iray nataon'ny FENAJ tamin'ny taona 2021, taona fahatelo nanjakan'ny governemantany, ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana iray tamin'ny (isaky ny) telo tamin'ny mpanao gazety tamin'io taona io.

Ny herisetra dia mihoatra noho ny fanafihana anjotra na ny fanafihana hita vatana, ary toa maneho fikasana iniana atao hampanginana ny feon'ny mpanao gazety. Avy amin'ny mpanao politika ihany koa ny fampiasana fitoriana amin'ny fikasana hampitahotra mpanao gazety sy hisoroka famoahana tatitra miresaka politisiana na tompon'andraiki-panjakana.

Ohatra iray ny hetsika ara-pitsarana ny nataon'i Arthur Lira (PP, Antoko Liampandrosoana), filohan'ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka sady solombavambahoaka federaly avy amin'ny fanjakana Alagoas, mamely ny tatitra nataon'ny Pública. Niafara tamin'ny didy savaranonando izany izay nandidy ny hanesorana ny tatitra sy ny tsanganana ao amin'ny tranokalany na handoa lamandy BRL 100.000 (manodidina ny 20.000 dolara amerikana).

Ny votoaty resahina, izay anaty tombontsoam-bahoaka, dia nahitana ny fiampangan‘i Jullyene Lins, vadin'i Arthur Lira teo aloha, ary notohanan'ny zava-misy sy ny dosie ary ny fanehoana fanoloran-tena hifandray amin'ireo rehetra tafiditra amin'izany.

Nolavina ny fitoriana an'i Lira tamin'ny didy voalohany navoakan'ny Mpitsara Luis Carlos de Miranda ao amin'ny Fitsarana sivily faha-14 ao Brasilia. Na izany aza, tamin'ny didy faharoa, noraràna ny Pública tsy hamoaka tatitra hafa amin'io votoaty io ihany. Navoaka voalohany tamin'ny 21 Jona 2023 ilay tantara, ary avy eo nesorina tamin'ny 18 Septambra 2023. Eo am-pandinihana ny raharaha ny Fitsarana Tampony.

Tamin'ny fanambaràna ofisialy nanolorana ny valin'ny tatitra, nosoritsoritan'i Samira De Castro, filohan'ny FENAJ, ho “tena mampanahy” ny toe-draharaha.  Hoy izy:

Mostra o uso do Judiciário para calar os jornalistas. E o efeito dessa prática, mais à frente, certamente será a autocensura de profissionais e veículos de mídia porque esse tipo de abuso do poder de litigância tem efeito não só individual, mas coletivo. Os profissionais acabam devastados emocional e financeiramente, tendo de arcar com defesas em supostos crimes contra a honra que, infelizmente, têm apenas o objetivo de impedir a livre circulação da informação jornalística.

Aseho ety ny fampiasana ny fitsarana hampanginana ny mpanao gazety. Ary ny vokatr'io fomba fanao io, izay mbola mitohy hatrany, dia azo antoka fa ny fanivànan-tsoratra ataon'ny mpiasan'ny fampitam-baovao sy ny sehatra amin'izany satria misy fiantraikany tsy amin'ny isam-batan'olona ihany, fa iraisana koa io karazana fanararaotana ny fahefan'ny fitsarana io. Kivy ara-pihetseham-po sy ara-bola ny mpiasan'ny fampitam-baovao, tsy maintsy mizaka [ny vidin'ny] fiarovana amin'ny heloka bevava manimba voninahitra izay, indrisy, tsy mikendry afa-tsy ny hisakana ny fahalalahan'ny fivezivezen'ny vaovao momba ny asa fanaovan-gazety.

Herisetra

Karazan-kerisetra mihatra amin’ny mpanao gazety voarakitra an-tsoratra tamin’ny taona 2023 mahazatra ny fandrahonana, ny fanorisorenana ary ny fampitahorana. Araka ny tatitry ny FENAJ dia nahatratra 42 ny trangan-javatra toy izany, izany hoe 23,21 isanjaton’ny tranga. Fanampin'izany, mpiasan'ny fampitam-baovao 40 no niharan'ny herisetra ara-batana (22,1 isanjaton'ny fitambarany).

Ny angon-drakitra ao amin'ny tatitry ny FENAJ dia mampiseho fa nahitana tranga 21 ny Distrika Federaly, izay misy an'i Brasilia renivohitra federaly sy ireo andrim-panjakana lehibe indrindra. Manondro izany fa io no toerana sarotra indrindra ho an'ny asa fanaovan-gazety, mitovy amin'i São Paulo, fanjakana be mponina indrindra ao Brezila, ahitana isan-tranga mitovy amin'izany koa. Raha ampiarahana ny sampana federaly roa dia misolotena ny 22,3 isanjaton'ny tranga rehetra.

Araka ny fitsapan-kevitra, avy amin'ny mpanao politika, vondrona tokana lehibe indrindra manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra ny fanafihana iray isaky ny efatra. Manaraka azy ireo: ny vahoaka (9,39 isan-jato); mpitsara sy mpitsara ambony (8,84 isan-jato); polisy (7,73 isan-jato), ary ny mpitantana baolina kitra, mpilalao ary mpankafy (6,08 isan-jato), ary ireo mpanafika anjotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.