Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Novambra, 2021
Manampahefana ao Indônezia, manandrana manampim-bava ireo mpikatroka ao amin'ny Greenpeace, niova làlana rehefa voakiana
Efa nosintonina ilay fitoriana mba hisorohana ny "famadihana ho resaka pôlitika" azy io sy ireo honohono milaza fa tsy mahazaka kiana ny fanjakana.
Mihamaro ireo mitaky hamotsorana an'i Zhang Zhan, olon-tsotra mpampita vaovao mety ho faty any amin'ny fonjan'i Shina tanibe
Nandrisika an'i Shina nandritra ny volana maro ireo vondrona iraisam-pirenena mpiaro ny zon'olombelona mba hamotsotra ilay olon-tsotra mpanao gazety Zhang Zhan. Nanatevin-daharana ny antso ny governemanta Amerikana tamin'ny 9 Novambra satria miharatsy ny fahasalaman'i Zhang, ary mety tsy ho tafavoaka velona any am-ponja amin'ny ririnina ho avy izy.
Fampitam-baovao tsy miankina maro kokoa nampidirin'ny manampahefana Belarosiana tao anaty lisitry ny mahery fihetsika sy nosakanana
Ny tranokalan'ny Deutsche Welle, Current Time sy ny mpiasa sy ny mpamaky ny BelsatTV ary ny NEXTA no lasibatra farany amin'ny famoretana mitohy ataon'i Belarosia amin'ny haino aman-jery tsy miankina sy ny fahalalahana maneho hevitra.
Torkia: tatitra vaovao manasongadina ny fihitaran'ny sivana anjotra
Manazava ny ny tati-baovao fa hisy "voka-dratsy mangidy sy manimba" amin'ny fahalalaham-pitenenana ao Torkia ireo andianà fanitsiana natao tamin'ny lalàna Tiorka laharana 5651.