Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, misahana ny fahafaha-miteny sy ny sivana an-tserasera izy ireto. ·

RSS

Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Janoary, 2014

Shina: Avoahy Ilham Tohti — Tohano ny Fampihavanana Ara-Poko

Nosamborin'ny polisy tamin'ny 15 janoary teo i Ilham Tohti, mpanorina ny Uyghur Online sady mpisolovava tony fihetsika ho amin'ny politikan'ny fizakantenan'ny foko ao Shina. Misolovava amin'ny famotsorana azy ny mpanohana azy an-tserasera.

Fenitra Any Tibet Sy Ny Faritr'i Uyghur Ny Fahatapahan'ny Aterineto

Any amin'ny faritra Andrefan'i Shina ao Uyghur sy Tibet, dia akatson'ny fanjakana ny Aterineto ho valin'ny hetsi-panoherana sy ny korontana.

Fiarahamonim-Pirenena Ejiptiana : Avoahy i Alaa Abd El Fattah Sy Ireo Voatàna Tsy Ara-Drariny

Narindran'ny IFEX sy ny Electronic Frontier Foundation ary navoaka tao amin'ny Fihaonamben'ny Bilaogera Arabo tamin'ny 23 Janoary 2014 ity fanambaràna manaraka ity. Nandray fepetra henjana hampanginana izay rehetra mety ho endrika fivoriana, fikambanana na fanoherana virtoaly ny “governemanta vonjimaika” miaramila any Ejipta. Taorian'ny fahalanian'ny lalàna mandràra ny hetsi-panoherana am-pilaminana tamin'ny...

Nisafoaka Noho Ny Fitsidihana An'i Assad-n'i Syria Ireo Mpomba Ny WikiLeaks

Maro ireo mpomba ny WikiLeaks no tsy nanampò raha nihaona tamin'ny filohan'ny Syriana Bachar al-Assad ireo mpikambana ao amin'ny Antoko Wikileaks tamin'ny fiafaran'ny volana Desambra

“No” [Tsia], Ilay Fanentanana Mamirapiratra Sy Mijery Lafitsaran-Javatra Nampahavitrika Revolisiona Iray

Inona no azontsika raisina avy amin'ny fanentanana politika taloha? Jery todika amin'ny hetsika izay namarana ny didijadon'i Augusto Pinochet tao Chile.

Mpikatroka Ejipsiana Nahazo Sazy Mihantona Herintaona An-tranomaizina

Nahazo sazy mihantona herintaona an-tranomaizina ilay mpikatroka Ejipsiana malaza Alaa Abd El Fattah, sy ny anabaviny Mona Seif, ary olona folo hafa.

‘Hetsika Pensilihazo Mena’ Mitaky Fahalalahan-gazety Ao Malezia

Gazetiboky mpivoaka isan-kerinandro naato satria nitantara vaovao momba ny fandaniana mahazatra ataon'ny Praiminitra. Ho setrin'izany, nidina an-dalambe ireo mpanao gazety mba hiampanga ny sivana mihatra amin'ny fampahalalam-baovao.

Amin'ny Herinandro: Fihaonan'ny Arablaogera Faha-4 #AB14

Hihaona ao Amman, Jordan ireo bilaogera, tekinisiana, mpikatroka sy mpandraharaha manerana ny faritra Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra amin'ny herinandro ambony ho fanatontosana ny Fihaonana Faha-efatra eo amin'ireo Bilaogera Arabo

Mifindra ao amin'ny WeChat Ny Mpiserasera Shinoa (sy ny Kabary Politika)

Raha nahomby tamin'ny fifehezana ny Weibo ny solovavan'ny governemanta sy ny manampahefana, dia nosoloin'ny WeChat ny toeran'ny Weibo amin'ny maha-sehatra lehibe indrindra amin'ny fivoahan' ny hevi-bahoaka azy

Mikatona Noho Ny Lalàna Vaovao Ny Tranonkala Mpitaridalana Miresaka Politika Ao Singapore

Nampitsahatra ny asany an-tserasera ny tranonkalam-baovao miresaka fiarahamonina sy politika Breakfast Network ao Singapore rehefa tsy nanaiky ny haka fahazoan-dalàna vaovao avy amin'ny fanjkana. Namelona adihevitra indray amin'ny lazain'ny governemanta Singaporeana amin'izay antsoiny hoe fomba "fikasihana maivana" ny fametrahana lalànan'ny Internet ity raharaha ity.