Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Septambra, 2017
Lalàna Vaovao Momba Ny Heloka An-tserasera Ao Palestina, Hanokatra Làlana Vaovao Ho An'ny Fanitsakitsahana Zo Va Re?
Amin'ny alàlan'ny fomba filaza manjavozavo toy ny hoe "firindran'ny fiainam-piarahamonina", "filaminam-panjakana" sy "filaminam-bahoaka", mametraka fameperana maro amin'ny fahalalahana maneho hevitra ilay lalàna.
Manamaivana Ny Famerana Ny Fampiharana Fandefasan-kafatra i Arabia Saodita, Saingy Mbola Voaràra Ny WhatsApp Sy Ny Viber
Taorian'ny sivana goavana nandritra ny efa-taona mahery, nanamaivana ny famerana ny fampiasana ny fampiharana antso antserasera sy ny fandefasan-kafatra (VoIP) amin'ny aterineto i Arabia Saodita.
Voasazy Higadra Herintaona Noho Ny ‘Fitarihana Fihetsiketsehana,’ Nitokona Tsy Hihinan-kanina Ilay Mpanao Gazety Maraokana
Niditra fitokonana tsy hihinan-kanina ilay mpanao gazety Maraokana Hamid El Mahdoui taorian'ny nampiakaran'ny fitsaràna ambony herintaona ny saziny an-tranomaizina.
Manasazy Kabarim-pankahalana Ny Lalàna Vaovaon'ny Media Sosialy Ao Alemaina
Manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.
Herisetra Ao Avaratra Andrefan'i Myanmar Niteraka Adim-baovao Antserasera Ahitana Fanehoan-kevitra Mankahala Ny Rohingya Sy Sary Hosoka
Sarotra ny manamarina ireo vaovao momba ny fifandonana ao avaratra andrefan'i Myanmar noho ny fampielezan-kevitra mamitaka, fanehoan-kevitra feno fankahalana, sy sary hosoka.
Mampaharitra Mandrakizay Ny Tantarany: Ny Lova Navelan'i Bassel Khartabil
Iray volana mahery taorian'ny fanamafisana ny famonoana azy, manohy manome voninahitra ho fahatsiarovana an'ilay developera Syriana, Bassel Khartabil Safadi sy manome voninahitra ho an'ny lova navelany ireo mpanohana azy.
#FreeBassel (#AfahoBassel): Any Ambadiky Ny Fàfan'ny Fanoherana Siriana
Manamarika ny tsingerintaona faharoan'ny fanagadràna an'i Bassel Khartabil , ilay Siriana mpikirakira tranonkala sady mpikatroka ny 15 Martsa 2014. Miresaka momba ny fisakaizany amin'i Bassel sy ny boky vao hosoratany ao amin'ny tantarany i Monique Doppert.
Mpanao Gazety Voampanga ho Nanala-baraka Noho Ny Fampitahana Ny Fitondran'ny Indoneziana Ny Papoaziana Tandrefana Amin'ny Rohingya Any Myanmar
Namoaka ny fanehoan-keviny tao amin'ny Facebook i Dandhy taorian'ny fihetsiketsehana goavana nokarakarain'ny vondrona Miozolomana ao Indonezia, manameloka ny governemantan'i Myanmar noho ny fitondrany ireo mpitsoa-ponenana Rohingya.
Mpiaro Ny Zon'Olombelona Palestiniana Nosamborina Noho Ny Lahatsoratra Facebook Iray
Tao amin'ny lahatsoratra Facebook, nanakiana ny Fahefana Palestiniana i Amro noho ny fisamborana ilay mpanao gazety Ayman Qawasmi .
Nikatona ny Cambodia Daily Rehefa Nandrahona Azy Hampandoa Hetra Mihoa-Pampana ny Governemanta
"Nanary ny endrika manandanjan'ny fimaroan'ny fampitam-baovao ao amin'ny ny Fitondrana Entim-Panjaka. Nanary ny kianja fanazarantenan'ny mpanao gazety Khmer. Nanary ny jirobe iray fahazavan'ny fahalalaham-pitenenana."