Fehezin'ny manampahefana mafy ny fahalalahanan'ny vahoaka ao Jordania

Hetsi-panoherana tao Amman Jordania, akaikin'ny masoivohon'i Israely tamin'ny 5 Aprily 2025 ho fanohanana an'i Gaza. Pikantsary avy amin'ny lahatsary iray tao amin'ny fahana Twitter an'i Sameer Mashhour. Fampiasana ara-drariny.

Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany tao amin'ny Gulf Center for Human Rights tamin'ny 5 Aprily 2024. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny dikan-teny nasiam-panitsiana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty, sy rohy hanomezana fanazavana fanampiny.

Ahitana onjam-pihenjanana goavana sy hatezerana ny araben'i Jordania manoloana ny tranga ara-politika ankehitriny sy ny ady ao Gaza. Nitarika ireo olom-pirenena Jordaniana an'arivony hidina an-dalambe izany, maneho ny firaisankinany amin'ny vahoaka Palestiniana, ary mitaky ny handraisan'ny governemanta Jordaniana fanapahan-kevitra hentitra hanehoana ny fanohanany azy ireo.

Hatramin'ny fanombohan'ny hetsika ara-miaramila Israeliana mamely an'i Gaza ho setrin'ny fanafihana tany Israely tamin'ny 7 Oktobra 2023, sy ny fitohizan'ny heloka an'ady nahatsiravina izay namoizana Palestiniana maherin'ny 33.000, dia tezitra ny vahoaka Jordaniana, nanambara fisaonana sy fanetsiketsehana ho firaisankina amin'ny mponina ao amin'ny Lemak'i Gaza natao fahirano ary niampanga ny heloka bevava an'ady. Jordaniana iray tapitrisa eo ho eo no nivoaka naneho ny firaisankinany tamin'ny Palestiniana ary niampanga ny ady tamin'i Gaza tamin'ny alalan'ny diabe sy fijoroana am-pilaminana tany amin'ireo faritra rehetra.

Nahatonga ny fahatezeran'ny vahoaka sy ny fihetsiketsehana isan'andro teo anoloan'ny masoivoho Israeliana manodidina ny faritra Rabieh ao an-drenivohitra, Amman ny zava-nitranga vao haingana nandritra ny volana masin'ny Ramadany .

Nilanja sora-baventy misy teny filamatra manameloka ny heloka bevava natao tao amin'ny Lemak'i Gaza ireo mpanao fihetsiketsehana ary mitaky ny hanapahan'ny governemanta ny fifandraisana amin'i Tel Aviv ary hanafoana ny fifanarahana fandriampahalemana amin'ny governemanta Israeliana.

Nisambotra olona marobe noho ny fanohanany na ny fandraisany anjara tamin'ireny fihetsiketsehana ireny ny manampahefana Jordaniana, ary voampanga tamin'ny Lalàna vaovao momba ny Heloka bevava anjotra izay nankatoavina tamin'ny volana Aogositra 2023 ny sasany tamin'izy ireo, lalàna ahitana andininy ampiasain'ny manampahefana amin'izao fotoana izao hamerana ny fahalalahana sy hampitomboana ny sivana amin'ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra.

Nanamafy ny fisamborana olom-pirenena an-jatony ny tatitra an-gazety, anisan'izany ny mpandalo, nandritra ny fihetsiketsehana malaza ho firaisankina amin'ny mponina ao Gaza nanomboka tamin'ny volana Oktobra 2023 ka hatramin'izao.

Olona maromaro tamin'ny fihetsiketsehana teo amin'ny manodidina ny masoivoho Israeliana ao Amman, Jordania no notazonin'ny polisy Jordaniana.

Nampiasaina ny Lalànan'ny Heloka anjotra taona 2023 mba hiampangana ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana sy hanagadrana azy ireo noho ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny tambajotra sosialy manambara ny firaisankinany feno amin'ny mponina ao Gaza, ny hatezerany amin'ny haben'ny heloka bevava natao tamin'ireo olom-pirenena tsy manan-tsiny tany, indrindra tamin'ny vehivavy sy ny ankizy, ary ny antson’izy ireo hanapaka ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’i Israely ary hanafoana ny fifanarahana ara-toekarena nosoniavina niaraka taminy. Voampanga noho ny fitarihana ny hafa hikarakara fihetsiketsehana malaza sy nanambara fitokonana faobe manerana ny firenena kosa ny sasany tamin'izy ireo.

Niditra tamin'ny dingana lehibe ny fihetsiketsehana vao haingana tamin'ny herinandro farany tamin'ny volana Martsa 2024, satria nanomboka nivoaka isan'andro ny olom-pirenena taorian'ny vono olona marobe tao Gaza, saingy nanomboka niditra an-tsehatra mivantana sy nanaparitaka an-keriny ny fihetsiketsehana sy diabe ho fanohanana an'i Gaza ny mpitandro ny filaminana Jordaniana.

Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no nanohy fihetsiketsehana teo akaikin'ny masoivoho Israeliana ao #Amman  mba hanameloka ny fandripahan'ny Israeliana tao #Gaza. Niharan'ny fanaparitahana mahery vaika nataon'ny tafi-piarovana Jordaniana ny fihetsiketsehana.

Olom-pirenena an-jatony no nosamborin'ny mpitandro ny filaminana, tamin'ny 24 martsa 2024, anisan'izany ireo mpikatroka fiarahamonim-pirenena maromaro. Nanaparitaka horonan-tsary marobe ahitana ireo mpanao fihetsiketsehana mivorivory manodidina ny masoivoho Israeliana tamin'io andro io ihany ireo mpikatroka, ary nahitana mpitandro ny filaminana Jordaniana misambotra ireo mpanao fihetsiketsehana noho ny antony fa nanimba fananam-bahoaka izy ireo.

Nitohy hatramin'ny 24 martsa ny fisamborana. Nanamafy ny tatitra an-gazety fa anisan'ireo voafonja i Maysara Malas, mpikatroka sendikaly sady injeniera, nosamborina tamin'ny 30 martsa 2024, raha nijoro teo amin'ny manodidina ny masoivoho Israeliana izy. Nanao bemidina tao an-tranony koa ny manam-pahefana ary naka an-keriny ny solosainy sy ny findainy.

Tamin'ny 30 martsa 2024 ihany koa, nosamborin'ny mpitandro ny filaminana Jordaniana i Ziad Ibhais, Palestiniana mpanoratra sady mpikaroka momba ny raharahan'i Jerosalema, sy ireo mpikatroka avy amin'ny fiarahamonim-pirenena Ruwaida Abu Radi sy Nour Abu Ghosh, ankoatra ny filohan'ny Komity Faratampon'ny Sehatry ny Tanora avy amin'ny Antokon'ny Manda Misehatra Islamika, mpikatroka ara-politika Moataz Al-Harout, ary ny sekreteran'ny sampana, mpikatroka sady mpanao politika Hamza Al-Shaghnoubi ao Amman. Nilaza ny loharanom-baovao fa nosamborina teny amin'ny toerana ankalamanjana i Al-Harout, raha nosamborina tany amin'ny toeram-piasany tao amin'ny faritr'i Nuzha ao Amman kosa i Al-Shaghnoubi. Nentina tany amin'ny tobim-pilaminana Al-Rashid izy ireo, ary tsy mbola nampahafantarina ny fiampangana azy ireo.

Niseho tao anatin'ny tontolon'ny fisamborana goavana nataon'ny sampan-draharaham-pilaminana Jordaniana ireo fitazonana ireo, izay nahitana mpikatroka ara-politika am-polony nandray anjara tamin'ny hetsi-bahoaka vao haingana, izay Islamista ny ankamaroany.

Lasibatry ny mpitandro ny filaminana sy nanaovany herisetra tsy ara-drariny ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana, izay fanitsakitsahana mibaribary ny zon'izy ireo maha-sivily sy maha-olona. Ny harivan'ny 30 martsa 2024, nisambotra vondrom-behivavy nandray anjara tamin'ny diabem-bahoaka teo akaikin'ny masoivoho Israeliana ny mpitandro ny filaminana. Anisan'izany ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana Israa Khalafat, Nour Hamdan, sy Israa Khreisat.

Tezitra ny olom-pirenena manoloana ny horonantsary iray niparitaka be tamin'ny tambajotra media sosialy izay mampiseho ireo mpitandro ny filaminana misambotra tovovavy iray mandray anjara amin'ny diabem-bahoaka tao akaikin'ny masoivoho Israeliana, mitarika azy an-katerena, ka nangataka ny fialàn'ny minisitry ny atitany. Maneho taratra mazava ny habibiana ampiasain'ny mpitandro ny filaminana amin'ny vehivavy mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana malaza izany.

Fitantarana vaovao: ny fotoana nisamborana ilay tovovavy nandritra ny fihetsiketsehana manodidina ny masoivoho Israeliana ao Amman. Tambajotra Al Quds

Raisina ho toy ny fanitsakitsahana goavana ny fenitra sy fifanekena iraisampirenena miaro ny zo ho an'ny fahalalahana miteny sy zo hivory am-pilaminana, izay nankatoavin'i Jordania sy iantohan'ny Lalàmpanorenana hoan'ny Jordaniana rehetra ny fisamborana ireo vehivavy sy ireo lehilahy nandritra ny fihetsiketsehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.