Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Septambra, 2018
Milaza ny Venezoeliana fa tsy afaka miditra amin'ny tolotry ny Google izy ireo
Mampaneno ny lakolosy fanairana ary milaza ny mety ho fanamafisana ny fanaraha-maso ny fifandraisana sy ny vaovao ny tatitra vaovao momba ny fanakanana ny aterineto.
Nosamborina noho ny fanamarinana ny zava-misy: Nampandoavin'ny fitsarana Kazakh onitra ilay Okrainiana mpanao gazety
Mampiseho ny fankalahan'ny manampahefana ny adihevitra momba an'i Okraina ao Kazakhstan sy ny tolona naharitra ela niaraka tamin'ny gazety ao an-toerana ny zava-misy.
Miezaka miady amin'ny fanohintohinana ny mpiseran'ny media sosialy ao Pakistan — fa hanao ny anjarany ve ny andrim-panjakana?
Famantarana tsara ny fisamborana an'i Aimal taorian'ny tabatabam-bahoaka tao amin'ny media sosialy. Nefa amin'ity tranga ity, mbola mitoetra ny fanontaniana: hanjaka ve ny rariny?
Tatitry Ny Mpisera Amin'ny Aterineto : Inona No Andraikitry Ny Facebook Amin'ny Ady An-trano Ao Libia ?
Manome topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena ary fironana vaovao momba ny zon'ny aterineto manerana izao tontolo izao ny Tatitry Mpisera avy amin'ny Advox.
Rehefa voarara tao amin'ny Facebook, namindra ny kaontiny nankany amin'ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte ny miaramilan'i Myanmar
"... ankehitriny izy ireo dia manaparitaka malalaka tsy misy fandanjalanjana ny fankahalàna ao amin'ny tranonkala.
Raha efa 100 andro izao ny governemanta ao Malezia no teo amin'ny fitondràna, mbola tandindonin-doza foana ve ny fahalalahana maneho hevitra?
"Antenainay ny fanapahana tanteraka ny fifamatorana amin'ireo famoretana tany aloha sy hisian'ny tetezamita iray hankany aminà Malezia iray izay ahafahana miresaka am-pilaminana ny hevitra rehetra, sy isitrahana feno ny zo nomen'ny lalam-panorenana ho antsika.."
Miatrika tondra-drano tsy mbola nisy toy izany i Shina, nisambotra vehivavy roa ho nampiely tsaho ara-pahasalamana ny manampahefana
Mpampiasa WeChat roa tao Shouguang, faritanin'i Shandong no nosamborina tamin'ny 25 aogositra 2018 noho ny fanaparitahana "tsaho" momba ny fihanaky ny aretina eny amin'ny biby fiompy noho ny tondra-drano goavana tao Shandong.
Nosamborina ny mpanao gazety Kashmiri rehefa nitatitra momba an'i Burhan Wani, ilay mpikomy novonoina,
"Nanao asa fanompoana ny vahoaka lehibe i Sultan fa tsy nanao heloka bevava tamin'ny fanaovana tatitra momba ny hetsiky ny mpikatroka."
Tatitry Ny Mpisera (amin'ny Aterineto) : Niteraka Fanapahana Tranonkala Ny Fihetsiketsehana Ao Bangladesh, Fisamborana Mpanao Gazety
Manenjika ny fakantsarin'ireo mpanao gazety i Venezoela taorian'ilay fanafihana tamin'ny drôna, mamily làlana vaovao ny Telegram (hankany amin'ny lohamilina ao amin'ny governemanta) i Iràna ary miezaka ny hiverina ao Shina ny Google
Nanaiky ny fangatahan'ny Rosiana ny Google dia nanasivana lahatsary fanentanana fihetsiketsehana
Mbola tsy tapitra ity raharaham-panafintohinana farany indrindra ity noho ny fahitana ny Google ho ao anatin'ny krizim-pisiana, mitroatra amin'izay hitany ny mpiasa ao aminy noho ny fidiran'ny orinasany mankany amin'ny sivana.