Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Oktobra, 2019
Mbola any am-ponja ilay mpanao gazety Nizeriana Omoyele Sowore noho ny fiampangana namboamboarina tamin'ny famadihana tanindrazana sy ny fanevatevana ny filoham-pirenena
Mahita ny fitazonana mitohy an'i Omoyele Sowore sy ny fiampangana hanenjehana azy ho fanamelohana tsotra fotsiny ny mpanohitra ara-politika any Nizeria ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona.
Mozambikana mpanora-gazety sy mpikatroka lasibatry ny fandrahonana amin'ny taom-pifidianana
Nandrakitra tranga maro izay ahazoan'ny mpanora-gazety sy mpikatroka fandrahonana sy fitsabahana amin'ny asany mifandraika amin'ny fifidianana ireo fikambanana mpandala ny zon'olombelona.
Ahoana ny nananganan'ny vondron'antoko mitondra ao Ethiopia boky fampiasana handisoam-baovao
Lasa tondrozotra ho an'ny vondrona mpanohitra hamelezana ireo mpifanandrina aminy sy ny governemanta ny taktikam-pikirakirana ifamelezan'ny mpikambana amin'ny ady anatiny.
Thailandey mpisera Twitter miatrika fandrahonana noho ny fanehoankevitra momba ireo fiara mpanotrona ny mpanjaka
Nalaza tao Thailandy ny farangonteny #royalmotorcade rehefa nitatitra olana nateraky ny trended in Thailand after netizens reported traffic problems caused by a royal motorcade.
Nesorin'ny Google tao amin'ny Play Store ny lalao miantsehatra amin'ny fihetsiketsehana tao Hong Kong
Manome ny antsipirihany momba ny toe-draharaha politika izay mitarika ny fihetsiketsehana miaraka amin'ny sarintany misy ny toerana hitrangany ao Hong Kong ilay lalao finday antsoina hoe "Ny Revolisiona amin'ny Androntsika".
Manohy manafay ny vaovao antserasera ny governemanta Zimbaboe mba hifehezana ny fisantaran'andraikitry ny olom-pirenena
Nipoitra tamin'ny politika fanjanahana tamin'ny taonjato faha-20 ny fifehezana ny fampitam-baovao any Zimbaboe, izay feno fisolelahana tafahoatra tamin'ny fahefana politika. Nosokajian'ny governemanta Rhodeziana notarihan'i Ian Smith ho toy ny "fitaovam-piadiana nosafidiana ny propagandy sy ny fifehezana ny vaovao, mba tsy hanohanana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ihany fa mba hanasavoritahana vaovao diso momba ny ady.
Nakaton'ny mpandrindra ny fifandraisan-davitra ao Bangladesh ny tranonkalan'ny oniversite mpamoaka injeniera ahitana tatitra fanararaotan'ny mpianatra zokiny
Nandidy ny fanakanana ny pejy an-tseraseran'ny BUET ny Vaomiera Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra ao Bangladesh (BTRC), satria nisy ny fitarainana miisa 175 mahery napetrak'ireo mpianatra taloha sy ankehitriny tsy mitonona anarana ao amin'ny oniversite injeniera ambony ao amin'ny firenena.
Zambia : Atahorana indray ny amin'ireo mpanao gazety ao amin'ny haino amanjerim-pirenena
Ho tratry ny sivana goavana kokoa avy amin'ny mpampiasa azy sy avy amin'ny fanjakana ireo mpiasa anatin'ny fampitam-baovao ao Zambia atsy ho atsy.
Mitsikilo toa an'i Etazonia: ZunZuneo, toy ny Twitter sandoka mitsikilo ny fiainana manokan'ireo vahoaka Kiobàna
Tsy hoe fotsiny naka ny laharana telefaon'ireo Kiobàna antsasaka tapitrisa, nefa tsy nieràna no sady tsy fantany, ilay fandaharanasa ZunZuneo, fa koa mitsikilo sy mandalina ny fifandraisan-dry zareo sy ny "fironany ara-politika"
NETmundial 101: Fanomanana ny amboara eran-tany ho an'ny Aterineto
Andro vitsy mialoha ny NETmundial,ilay fivoriana iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny Aterineto atao ao Brezila, dia mbola manjaka ireo ahiahy manoloana ny vokatra aterany.