Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, misahana ny fahafaha-miteny sy ny sivana an-tserasera izy ireto. ·

RSS

Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Aogositra, 2010

Ejipta: Departemantam-piarovana ho fanaraha-maso ny Facebook sy Fanohanana ny Governemanta

Tamin'ny 1 Jolay 2010, ny Ministera Ejiptiana misahana ny Atitany (Ministry Of interior - MOI) dia voalaza ho nametraka departemanta iray manokana hanara-maso ny hetsika sy ny votoaty Facebook rehetra ao Ejipta mifanaraka amin'ny fanapahan-kevi-panjakana faha 765.

Sina: fanatsaràna ny GFW

Ny  tatitra avy amin'ireo loharano samihafa dia niteny fa voasakana  any Sina nanomboka tamin'ny Zoma (27 Aogositra) ny Freegate, iray amin'ireo fitaovana malaza fandinganana ny sakana . Rehefa mandefa ilay rindrambaiko ireo mpampiasa izany, dia misy hafatra fampitandremana miseho: Diso, tsy maintsy hajanona ny rindrambaiko. Azafady, raiso ny fialantsininay. Ity...

Toro-lalana efatra mikasika ny Advocacy hita amin'ny teny Albaney

Faly izahay mampahafantatra ny fandikan-tenin'ireo toro-lalana efatra mikasika ny Global Voices Mpisolo vava amin'ny teny Albaniana. Niaraka tamin'ny fanampian'ny Metamorphosis Foundation, SEO Tips for Advocacy Bloggers, Geo-bombing: YouTube + Google Earth, Cross-posting for Advocacy, sy ny Blog for a Cause! dia efa afaka sintonina ao amin'ny aterineto. Blog for a...

Fanakànana ny encyclopédie Wikipédia any Iran

Araka ny vaovao nivoaka tamin’ny teny Anglisy sy persiana tamin’ny 25 Jolay, ny tranonkala malalaka encyclopédie Wikipédia dia nosakanana any Iran ary tsy nety nidirana.

Iran: Mpitoraka blaogy mety ho voaheloka ho ‘manangana ady amin'Andriamanitra’

Misonga ny ahiahy fa hoe i Shiva Nazar Ahari, mafana fo iray amin'ny fiarovana zon'olombelona nofonjàna, mpitoraka blaogy, ary tonian'ny famoahana ao amin'ny tanonkalan'ny Komitin'ny Mpitatitra momba ny Zon'Olombelona [Committee of Human Rights Reporters] ao Iran, dia mety hohelohina noho ny resaka moharbeh ( fananganana ady amin'Andriamanitra/fankahalàna an'Andriamanitra) amin'ny fitsarana...

Azerbaijan: Namafisin'ny Fitsarana Avo ny fiampangàna ireo mpitoraka blaogy

Ity  dia fampidirana avy amin'ny fanasàna natao tamin'ny blaogin'i  Rebecca Vincent, Advocacy Assistant ho an'i Azerbaijan sy ny Europe Program Manager ao amin'ny ARTICLE 19. Ho fanampim-baovao bebe kokoa, mifandraisa amin'i Rebecca Vincent amin'ny: rebecca [ at ] article19 [ dot ] org ARTICLE 19 dia manaramaso akaiky tokoa ny...

Jadona anaty aterineto ao amin'ny Repoblika Islamikan'i Iran

Hatramin'ny taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2009, nanenjana ny fepetra faneriterena ny gazety ny repoblika islamikan'i Iran ka tadfiditra amin'izany  ireo mpitoraka blaogy sy ny sehatra fitoraham-bolongana madinika toy ny  Facebook sy twitter. Na dia efa zava-panao mahazatra ao amin'ity repoblika islamika ity aza ny faneriterena ny gazety, tamin'ity indray mitoraka...

Shina: ny dingan'ny fanjonoana Gmail ataon'ny ISP (FAI)

Tanatin'ny andro vitsy izao,  maro ny tatitra avy amin'ireo Sinoa mpampiasa aterineto milasa fa rehefa manandrana miditra amin'ny kaonty Gmail ry zareo dia avily mankany amin'ny rohyl: http://124.117.227.201/web/gmail/ ary dia asaina mamerina mampiditra ny tenimiafin-dry zareo. Androany ny NTDTV.com dia namboraka fa pejy fanjonoana ilay rohy mba hahazoana mangalatra ny...

Mamaly ireo mafàna fo ny Facebook

Lahatsoratr'i Jillian C.York nivoaka tao amin'ny Global Voices Advocacy. Nivoaka voalohany tao amin'ny jilliancyork.com ity lahatsoratra ity  ary manao randra-mitarika amin'ireo maro hafa mikasika ny fomba fitondràna ampiharin'ny mpandrindra ny Facebook amin'ireo mafàna fo. Ho fampahatsiahivana, amporisihana ny hamakiana ireto manaraka ireto : On Facebook Deactivations [Manodidina ny Fanakatonana Kaonty...

Blackberry misedra tsindry any amin'ny Golfa sy India noho ny ‘code’ fanafenana [Encryption code]

Ny ’ Sampan-draharaha Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra [Telecommunications Regulation Authority (TRA)] any amin'ny Emira Arabo Mitambatra sy ny  Kaomisiona Saodiana misahana ny Teknolojian'ny Fampitam-baovao sy Fifandraisan-davitra [Communications and Information Technology Commission (CITC)]  dia nanambara, ny 1 Aogositra ho an'ny voalohany ary ny 5 Aogositra 2010 ho an'itsy faharoa, fa hosakanan'izy ireo...