Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jolay, 2010

Italia: Loza hamatotra ireo mpitoraka blaogy?

  27 Jolay 2010

Iray amin'ireo fepetra ao amin'ny Lalàna mifehy ny Media sy ny Fihainoan-dresaka resahana tato ho ato ao anivon'ny Parlemanta Italiana ny hoe “ireo rehetra tompon'andraikitra amina tranonkalam-baovao” dia tsy maintsy mamoaka ao anatin'ny 48 ora ny fanitsiana takian'ireo fitarainana

Sina: Uighur mpitoraka blaogy voaheloka hifonja 15 taona an-tranomaizina

  25 Jolay 2010

Lahatsoratra nosoratan'i Oiwan Lam nivoaka tao amin'ny Advocacy Araka ny voalazan'ny uighurbiz.net, ilay Uighur mpanao gazety mpanadihady sady mpitoraka blaogy, Gheyret Niyaz(海來特.尼亞孜) dia voaheloka higadra  15 taona an-tranomaizina tamin'ny  23 Jolay teo noho izy voapanga ho  “manohintohina ny filaminana anatin'ny firenena” tao Urumqi, Xinjiang. Ny tena fototry ny fanenjehana azy...

Sina: Nanaisotra ny blaogin'ireo be mpanaraka tamin'ny aterineto ny Sohu.com

  17 Jolay 2010

Nanala mpitoraka blaogy mihoatra ny zato tao amin'ny fanaovany tolotra hitorahan'ny olona blaoginy ny 14 Jolay 2010 lasa teo ny Sohu.com, iray amin'ireo vavahadin'ny tranonkala malaza any Sina . Maro tamin'izy ireo no manana ny lanjany amin'ny fahaizany mandresy lahatra ny olona, ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra ary ireo mafana...

Fisintonana antsokosoko ny mombamomba ny olona amin'ny Gmail any Tunisia

  17 Jolay 2010

Vao haingana ireo mpampiasa aterineto any Tonizia no nanomboka nitaraina momba ireo olana amin'ny fidirana amin'ny kaonty Gmail, ary nanomboka niparitaka ireo tsaho momba ny fisian'ny sivana amin'ny tolotra mailaka an'ny Google. Nanomboka tamin'ny nisian'ny andiana sivana vaovao izay nanakanana ireo vohikala malaza toa an-dry Flickr, Wat.tv, Blip.tv, Metacafe.com, Agoravox.fr...

Sina: kamenona tanaty aterineto nahavoasazy herintaona hanaraka asa fiarenana amin'ny alalan'ny asa

  11 Jolay 2010

Lahatsoratra navoaka tao amin'ny tranonkala Advocacy ary nosoratan'i Oiwan Lam. Tang KLin dia niditra ho mpikambana tao amin'ny fikambanana “raiamandrenin'ireo zaza tratry ny aretina vato” tamin'ny taona 2008 noho ny fiahiahiany ny anton'ny nahafaty ny zanany ho vokatry ny fanapoizinana tamin'ny “melamine” avy amin'ny rononon-jaza. Nandritra izay, dia nanohy nandoa...

Sina: tranonkala iray fitadiavana asa nakatona noho ny fanohanana ny fitokonan'ny mpiasan'ny Honda

  03 Jolay 2010

Lahatsoratra navoakan'i Oiwan Lam amin'ny teny anglisy tao amin'ny tranonkala  Advocacy Tamin'ny andro (8 Jona) rehefa namoaka ny taratasiny momba ny politikany mikasika ny  aterineto ny Filankevi-pirenena Sinoa, manipika ny lanjan'ny hevitry ny olona ao amin'ny aterineto ho fanaraha-maso ny asam-panjakana,  dia tranonkala fikarohan'asa iray (zggr.cn) no noterena hikatona noho...