Misandoka ho filohan'ny Vaomieran'nyVondrona Afrikana amin'ny fampiasana IA (HaVO) ireo mpisoloky

Moussa Faki Mahamat, Filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana, nanao lahateny tamin'ny fampahafantarana ny Tara-panantenana (Rays of Hope) nandritra ny lanonana mifanila amin'ny Vovonana natrehin'ireo Filoham-panjakana ao amin'ny Vondrona Afrikanina, Addis Abeba, Etiopia, 4 Febroary 2022. Sary avy amin'i tao amin'ny Flickr (CC BY 4.0 DEED).

Ity tantara ity dia navoakan'ny Africa Feeds tany am-boalohany, ary naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny dika naitatra ho ampahany amin'ny fifanarahanam-piaraha-mizara votoaty.

Nampiasa ny faharanitan-tsaina Voatr'Olombelona (HaVO=AI) ireo mpisoloky hakana tahaka ny filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikanina, Moussa Faki Mahamat. Manana asa amin'ny maha-mpanatanteraka sy mpitantan-draharaha, manao ny asan'ny sekretarian'ny Vondrona Afrikana(UA), ary azo ampitahaina ihany amin'ny Vaomiera Eoropeana ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana (AUC).

Vao haingana i Faki no lasibatry ny heloka an-jotra noho ny fampiasan'ireo tsy vanona nampiasa fitaovana HaVO  hanahaka ny mari-panondroany sy hitady fifandraisana amin'ny mpitondra hafa tamim-pikasana sandoka.

Amin'ny maha-filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana azy, matetika i Faki mandefa fampitàna ofisialy amin'ireo mpitondra eran-tany rehefa mikarakara fivoriana, dingana iray antsoina hoe “fanamarihana am-bava (note verbal).” Fizotra manaraka lasitra ireo naoty diplaomatika ireo ametrahana fivoriana eo amin'ny mpitarika ny Vondrona Afrikana sy ny solontenan'ny firenena na fikambanana iraisampirenena hafa.

Tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny X (Twitter teo aloha), nanambara ny mpitondratenin'ny mpitarika ny AUC, Ebba Kalondo, fa nahavita naka tahaka ny feon'i Faki ireo mpisoloky, nanao antso an-tsary tany amin'ireo renivohitra Eoropeana, toa mba handamina fivoriana. Hoy izy:

Nanao antso an-dahatsary mamitaka lalina ireo mpisangisangy mody ho Filoha @AUC_MoussaFaki any amin'ireo renivohitra Eoropeana maro. Manitrikitrika ny fankatoavany tanteraka ny arofenitra ara-diplomatika sy ny fampiasana manokana ny Note Verbale ho an'ny fangatahana fiarahamiasa avo lenta ny @_AfricanUnion . Toy ny eto ambany ny fanambaranay: pic.twitter.com/zKkzTNMgYD

Araka ny fanambaràna iray nataon'ny AUC, nampiasa adiresy imailaka sandoka ireo jiolahy an-jotra, nisandoka ho tale lefitry ny kabinetran'ny fikambanana mba handaminana antso eo amin'ireo mpitondran'ny firenena vahiny sy amin'i Faki. Nitarika fivoriana niaraka tamin'ireo mpitondra Eoropeana isan-karazany ihany koa izy ireo, tamin'ny fampiasana lahatsary fitaka-lalina hisandoka an'i Faki.

Naneho ny alahelony tamin'ireo tranga ireo ny fanambaràna avy amin'ny AUC, ary nanantitrantitra fa ny vaomiera ihany no mampiasa ireo fantsona ara-diplaomatika ofisialy hifandraisana amin'ny governemanta vahiny, matetika amin'ny alàlan'ny masoivohony any Addis Abeba, izay misy ny foiben'ny Vondrona Afrikanina.

“Mamerimberina ny fanajany an-tsakany sy an-davany ny aro-fenitra ara-diplômatika sy ny fampiasana manokana ny naoty am-bava (note verbale) amin'ny fangatahana fanoloran-tena avo lenta ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana,” hoy i Kalondo tamin'ny sioka iray.

Nanondro ireo mailaka mamitaka ireo ho “phishing” (fanjonoana) ny fanambaràn'ny Vondrona Afrikanina, izay manondro ny fikasan'ireo nahavanon-doza hangalatra mari-panondroana ankihy ho tafiditra tsy nahazo alalana amin'ny torohay tsongoina manokana .

Miha-malaza any Afrika ny Deepfakes (fitaka-lalina), teknôlôjia ampiasain'ireo jiolahy an-jotra,  ary indraindray ampiasain'ny sampana sasany hanapariahana fandisoambaovao sy propagandy ao amin'ny kaontinanta. Ahitana fitaovam-paharanitan-tsaina voatr'olombelona ireny teknika ireny hamoronana horonantsary na horonampeo mandresy lahatra avy amin'ny olona iray miteny na manao zavatra tsy nataony akory.

Tamin'ny volana Janoary tamin'ity taona ity, nanomboka nivezivezy tao amin'ny media sosialy tao Burkina Faso ny lahatsary, mampiseho vondron'olona samihafa manentana ny olom-pirenena Burkinabe hanohana ny fitondrana miaramila. Nampiasàna Synthesia, rindrambaikon'haranitan-tsaina voatr'olombelona natao ho an'ny famoronan-dahatsary koa ireny lahatsary mamitaka ireny. Niparitaka tany Mali ny lahatsary mitovy amin'izany tamin'ny herintaona. Ary tamin'ny tranga iray nalaza tany Gabon tamin'ny taona 2018, saika nahaongana ny governemanta ny lahatsary iray ahiahiana ho fitaka-lalina, araka ny notaterin'ny gazetiboky Africa Defense Forum (ADF).

Araka ny fikarohana nataon'ny IFC sy ny Google, vonona ny hanana anjara biriky 180 miliara dolara amin'ny toekarena ankapobeny amin'ny taona 2025 ny e-toekaren'i Afrika. Na izany aza, mitondra izay ambana mety hitranga entiny ihany koa ny fiankihina (dizitalizasiôna) malaky, amin'ny tombana fa mety mitentina hatramin'ny 4 miliara dolara isan-taona ny heloka an-jotra fotsiny, araka ny tatitry ny tranokalan'ny Investment Monitor.

Raha naneho ny alahelony tamin'ny trangan-keloka bevava an-habaka izay nanao ho lasibatra an'i Moussa Faki Mahamat ny AUC, ary nanavoitra ny adidiny hanaraka an-tsakany sy an-davany ny aro-fenitra diplaomatika, tsy nilaza antsipiriany ny fanadihadiana sy fisamborana ireo nahavanon-doza ny fikambanana, na izay fepetra rehetra kasainy horaisina hisorohana ny famitahana lalina hoavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.