Mpanao gazety ao Makedônia Avaratra, manohitra ny didim-pitsaràna manome alàlana ny sivana

Protest against censorship in front of Skopje Court on November 17, 2023. Photo by Portalb.mk, used with permission.

Hetsika fanoherana ny sivana, teo anoloan'ny fitsaràna ao Skopje, tamin'ny 17 Novambra  2023. Saripika an'i Suad Bajrami/Portalb.mk, fampiasàna nahazoana alàlana

Fandrakofam-baovaon'ny  Portalb.mk sy Meta.mk no fototra niaingan'ity lahatsoratra ity. Dika nasiam-panovàna no averina avoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty nifanaovan'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation. 

Tamin'ny 17 Novambra 2023, ampolony maro ireo Makedôniàna mpanao gazety avy amina trano mpamoaka vaovao marobe no nivoaka hanao hetsika am-pilaminana teo anoloan'ny Fitsaràna sivily ao Skopje hanameloka ilay didim-pitsaràna mamely ny Investigative Reporting Lab (IRL) izay tondroin-dry zareo ho andrana iray hanampenam-bava sy hifehezana ny asa fanaovana gazety.

Ny 24 Oktôbra no nambara ilay didim-pitsarana namelezana ilay tantara avy amin'ny IRL “Conspiracy against the air” (Tsikombakomba mamely ny rivotra) (izay azo raisina ihany koa amin'ny fiteny anglisy amin'ny lohateny “‘Fanariampakon'i Eorôpa’: Ny fomba nahatonga ny solika faran'izay mpandoto mampididoza hiafara hatrany amin'ny fanafànana ireo hôpitaly ao Makedônia Avaratra” [ang.]). Manampahefana iray voatanisa ao anatin'ilay fanadihadiana momba ny fiantraikan'ny solika maloto amin'ny fandotoana ny rivotra no nitory ny IRL ho nanala baràka sy naniratsira. Nolavin'ny mpitsara, Jovanka Spirovska Paneva, ny satan'ireo mpanao gazetin'ny IRL no sady ambarany fa tsy trano mpilaza vaovao ny IRL na fikambanana iray mpanao “fandihadiana an-gazety”:

„ИРЛ нема ниту својство на медиум, како средство за јавно информирање според Закон за медиуми, a членовите на истото немаат својство на новинари, ниту можат, заради известување на јавноста да прават новинарски обликувани емисии, да се претставуваат како новинари или да се бават со жанрот истражувачко новинарство и сето тоа да го објавуваат преку средствата за јавно информирање“.

Tsy ananan'ny IRL ny sata maha-media mpamoaka vaovao ho an'ny daholobe, araka ny lalàna momba ny mpampahalàla vaovao, ary tsy manana ny sata maha-mpaano gazety ireo mpikambana ao aminy, no sady koa tsy afaka, ho an'ny tanjon'ny fanomezana vaovao ho an'ny daholobe, hamorona fandaharana fampahalalam-baovao, hilaza tena ho mpanao gazety, na hirotsaka hanao ny asa fanaovana gazety fanadihadiana sy hamoaka izany rehetra izany amin'ny alàlan'ireo fitaovana fampitam-baovao ho an'ny daholobe.

Lazain'ireo Makedôiana mpanao gazety fa ilay didim-pitsaràna dia ho ohatra iray tsy mbola nisy toa azy hanohintohina ireo fotokevitra ijoroan'ny demaokrasia noho izy mifanome tànana amin'ny sivana ary mety hitondra mankamin'ny fanakatonana media.

Loka maneso “Mpanivan'ny Taona” avy amin'ny Fikambanan'ireo Mpanao Gazety ao Makedônia (AJM). Saripika an'i  Suad Bajrami/Portalb.mk, fampiasàna nahazoana alàlana

Ho setrin'ilay didim-pitsaràna, ny Association of Journalists of Macedonia (AJM) sy ny Sendikàn'ireo Mpanao Gazety sy Mpiasan'ny Media (SSNM) dia nikarakara hetsika iray ho fampahatsiahivana ireo manampahefana hoe tsy tokony hanandraman'izy ireo ny hanitsakitsaka ny zo hahazo vaovao tsy miandany, ary tsy tokony hametraka sivana miankina amin'ny andrim-panjakàna ry zareo mba hanomezana vahana ireo matanjaka. Nanolotra takela-pahatsiarovana ihany koa ireo vondrona media hilazàna ilay mpitsara ho “mpanivan'ny taona” (Fanamarihan'ny mpandika: mitovitovy amin'ny loka fanomen'ny gazety sasany hoe “Mpanao fanatanjahantenan'ny taona 200x”.

Hetsika fanoherana ny sivana, teo anoloan'ny fitsaràna ao Skopje, tamin'ny 17 Novambra  2023. Saripika an'i Suad Bajrami/Portalb.mk, fampiasàna nahazoana alàlana.

Ny sasany amin'ireo hafatra amin'ny fiteny makedôniàna, albaniàna ary anglisy teny amin'ireo sorabaventy nandritra ny fihetsiketsehana no nahitàna ireto manaraka ireto : “Iharam-panafihana ny asa fanaovana gazety, miray hina izahay”, “Mpanivana amin'ny anaran'ireo matanjaka”, “Ho an'ny vahoaka ny asanay, fa tsy ho an'ireo akamakamanay”, “Voaheloka noho ny fahamarinana”, ary “Tsy fandefasana hira namelan-kafatra izahay, fa mpanao gazety”.

Hetsika fanoherana ny sivana, teo anoloan'ny fitsaràna ao Skopje, tamin'ny 17 Novambra  2023. Saripika an'i Suad Bajrami/Portalb.mk, fampiasàna nahazoana alàlana.

Tanatin'ireo izay niteny nandritra ny fihetsiketsehana dia nisy ireo mpanao gazety Sead Rizvanović, Irena Mulachka, Mefail Ismaili ary i Tona Kareva izay nisolo tena ny Blueprint, vondrona iray manao adisisika ho an'ny fanavaozana ara-pitsaràna.

Notanisain'i Sead Rizvanović ny nanjo ny A1 TV, ilay fantsom-pahitalavitra makedôniàna tena malaza indrindra, nakaton'ny governemanta tamin'ny  2011 nandritra ilay vanim-potoanan'ny fanamboram-panjakàna teo ambany fitondràn'i Nikola Gruevski:

Ny endri-javatra fony vanim-potoana A1 no miverina, ary dia toy ny tamin'izany, haintsika tsara hoe mahakasika inona ilay izy. Ny tanjona tsy hoe ny hanakatona ilay fahitalavitra, ny tanjona dia ny hanampina ny vavantsika, dingana iray miverina aty aoriana any amin'ireo media hafa ary amin'ny fomba hafa. Tsaroantsika ihany koa ny fanenjehana an'i Tomislav Kežarovski sy ireo tranga hafa. Ankehitriny, miseho amina endrika isankarazany izany, saingy mitovy mihitsy ny votoaty.

[Ny fanamboram-panjakàna dia fomba fiteny iray nampiasaina hamaritana ny fomba atao mba hanodinkodinana ireo andrim-panjakana ho ampiasaina ho amin'ny tombontsoana vondrona na rantsana tsy miankina iray manokana, fa tsy ho an'ny tombontsoa iraisana. Voamarika izany ao anatin'ny tatitry ny fandrosoana, nataon'ny Fiombonambe Eorôpeàna tamin'ny 2016.]

Irena Mulachka, mpanao gazety, nilaza fa tsy mampiroborobo ny tombontsoan'ny daholobe ny rafi-pitsaràna.

Nandritra ny fotoana elabe tany aloha, niasa ho an'ny tombontsoan'ireo mpanao bizina sy pôlitisiàna ny mpitsara, ary eto isika mpanao gazety hilaza ny marina. Tsy misy na iza na iza afaka ny hanampina ny vavanay na hakanana anay tsy hanandratra ny feonay na hamoaka ny marina, izay zavadehibe ho an'ny olom-pirenena. Ny tena zavadehibe amin'ny zavatra rehetra dia ny penin'ireo mpanao gazety ary ny tombontsoam-bahoaka no mialoha ny zavatra rehetra, satria tokony ho tonga saina momba izay mitranga ao amin'ny firenena ny olona.

Nampitandrina i Tona Kareva hoe tena loza mitatao mahatsiravina ho an'ny asan'ireo fikambanana anaty firahamonim-pirenena ilay didim-pitsaràna.

Rehefa tonga amin'izao zana-tohatra izao ny fahatokisana omena ny rafi-pitsaràna, io kazarana didiy io dia tsy mandray anjara mihitsy amin'ny fampitomboana ny fahatokisana, ary tsy maintsy mitafy ny fahasahiana sahaza ry zareo mpitsara mba hiasàna mifanaraka amin'ny lalàna sy ireo fenitra ary fotokevitra iraisampirenena. Ny didy tahàka izany dia manefa hafatra ho an'ny olompirenena hoe mila manakombona ny vavany sy tsy manao na inona na inona ry zareo manoloana ny kolikoly sy ny tsy rariny, izay mifanohitra amin'ireo fenitra sy fotokevitra rehetra. Tokony hiasa ho an'ny rariny ny lalàna ary tsy maintsy feno fahavononana ireo fikambanana misy ny olompirenena mba hiasa hisiana fiarahamonina demaokratika, toerana izay ny ady amin'ny kolikoly sy (ho an’) ny tany tàn-dalàna ary ny demaokrasia no hijanona ho fotokevitra fototra.

Nolazain'ny Metamorphosis Foundation fa ilay didim-pitsaràna dia ho ohatra mampididoza iray tsy mbola nisy toa azy hanohintohina ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahana hiditra anaty fikambanana, indrindra fa rehefa ny fitsaràna no miditra amin'ny fanombànana hoe tena mpanao gazety sa tsia ny IRL sy ireo mpanao gazety ao amin'io fanoratana io, sy raha toa ho azo atolotra ho an'ny daholobe na tsia ilay tantara fanadihadiana avy amin-dry zareo “Conspiracy against the air”, na fotsiny ho an'ireo mpikambana avy amin'ilay fikambanan'ny olompirenena, izay sady mpanonta rahateo ny asan'ny IRL.

Со оваа одлука Судот воспоставува пракса по која може да се појават сериозни последици, бидејќи води до ограничување на работата на здруженијата и фондациите, уредена со членот 14 од Законот за здруженија и фондации, каде е уредено дека „организациите можат слободно да ги искажуваат и промовираат своите ставови и мислења за прашања од нивен интерес, да поведуваат иницијативи и да учествуваат во градење на јавно мислење и креирањето на политиките“.

Miaraka amin'io fanapahankevitra io, ny fitsaràna dia nametraka fomba fanao iray izay mety hisy fiantraikany henjana , satria io dia mitarika amin'ny famerana ny asam-pikambanana sy ireo orina (fondations), fehezin'ny andininy faha-14 amin'ny Lalàna mifehy ny Fikambanana sy ny Orina. Lazain'io andininy io fa “malalaka ireo fikambanana amin'ny fanehoany sy fampahafantarany ny fomba  fijerin'izy ireo ary ny heviny momba ireo olana mahaliana azy, hitarika santatr'andraikitra na handray anjara amin'ny fandrafetana ny fomba fijerin'ny olona sy ny famoronana pôlitika”.

“Izay tsy tian'ny olona hafa any ambadika any ho atonta no atontan'ny asa fanaovana gazety,” hoy ny nohamafisin'ny tanisan'i George Orwell tao ami'nilay fihetsiketsehana hanoherana ny sivana tao Skopje tamin'ny 17 Novambra 2023. Saripika an'i Meta.mk, fampiasàna nahazoana alàlana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.