Mankalaza ny fameloma-maso indray ny Vaomieran'ny Media Fiji (FMC=Fiji Media Council) ny mpanao gazetin'i Fiji manana mpiantsoroka vaovao nambara tamin'ny 26 Oktobra.
Nitsaha-ketrika ny FMC taorian'ny fametrahana ny Lalàna Fampandrosoana ny Indostrian'ny Fampahalalam-baovao (MIDA) tamin'ny taona 2010 notarihin'ny governemanta izay nandray ny fahefana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2006.
Nampiasaina hanenjehana mpanao gazety sy mpitarika ny mpanohitra ny MIDA, izay nanimba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny habaka demaokratikan'ny firenena. Nofintinin'ny Fijian Media Association tahaka izao ny lova navelan'ny MIDA.
The excessive fines hanging over the heads of the media organisations and editors were threatening, not conducive to media freedom, and designed to be vindictive, punish and control the media rather that encourage better reporting standards.
Nandrahonana ny sazy onitra mihoa-pampana nihantona an-dohan'ny fikambanana sy ny tonian-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao, fa tsy nitondra ho amin'ny fahalalahan'ny media, ary natao hamaliana faty, hanasaziana sy hifehezana ny media fa tsy handrisihana ireo fenitry ny tati-baovao tsara kokoa.
Nampanantena hanohy ny fanavaozana ny lalànan'ny media, anisan'izany ny fijerena indray na fanafoanana ny MIDA ny governemantan'ny fiaraha-mitantana vaovao natsangana taorian'ny fifidianana tamin'ny Desambra 2022. Tamin'ny volana Aprily, notsoahan'ny Parlemanta ihany ny MIDA satria nivoady ihany koa ny manampahefana fa hamelona ny FMC hamahana ireo olana mahakasika ny sehatry ny fampitam-baovao.
Nambaran’i Manoa Kamikamica, minisitry ny Serasera, ny famelomana indray ny FMC sy ny fampidirana ireo tompon'andraikitra vaovao. Nandritra ny lanonam-panokafana, nohazavainy ny andraikitry ny FMC.
It acts as a platform where people in the media world can talk, work together, and resolve any issues that come up. The Council is also committed to taking public complaints about media content and ethics seriously, making sure there’s a fair and transparent process for handling concerns.
Miasa izy io ho sehatra ahafahan'ny olona ao amin'ny tontolon'ny media miresaka, miara-miasa ary mamaha ny olana rehetra mitranga. Manolo-tena ihany koa Filankevitra handray ny fitarainam-bahoaka momba ny votoatim-pampitam-baovao sy ny tandrohasina, amin'ny fiantohana fa misy ny dingana ara-drariny sy mangarahara amin'ny fikarakarana ireo fitarainana.
Navoitrany fa ho vondrona mahaleo tena mampiroborobo ny fifehezan-tena sy ny fanajana ny fenitra ambony amin'ny sehatrasan'ny fampitam-baovao ny FMC.
It is important to point out that the Fiji Media Council will operate independently of government influence, safeguarding its integrity and credibility.
Zava-dehibe ny manamarika fa hiasa mahaleo tena tsy ho azon'ny taratry ny fahefan'ny governemanta ny Fidji Media Council, hiaro ny fahitsiany sy ny fitokisana azy.
Ahitana mpikambana fito avy amin'ny daholobe ny FMC sy orinasam-pampitam-baovao fito. Nomarihin’ny mpanao gazety fa teo amin’ny toerana nanaovana ny fivorian’ny FMC farany tamin’ny taona 2009 ihany no nanaovana ny lanonam-panokafana.
Nilaza Agatha Ferei, filoha vonjimaika an'ny FMC, ho laharam-pahamehana ny fandrafetana ny fitsipi-tandrohasina sy ny fomba fanaon'ny mpampita vaovao ary ny fananganana komity fandraisam-pitarainana.
The other thing is for us to move as fast as possible to bring in a complaint committee that can run and that’s one area we will probably look in first.
Ny zavatra hafa dia ny hihetsika haingana araka izay azo atao mba hampidirana komity fandraisam-pitarainana afa-miasa ary izay no sehatra iray hojerentsika voalohany.
Nosoritsoritan'ny sekretera jeneralin'ny Fiji Media Association Stanley Simpson ho “andro manan-tantara, andro lehibe ho an'ny Median'i Fiji” ny lanonam-panokafana raha nahatsiaro ny fandravaravan'ny MIDA izy.
I think many people don’t appreciate the devastating damage effects of the last 16 years and it became not just raising quality and standards, Its really a matter of survival for many of us.
Heveriko fa maro ny olona no tsy mankasitraka ny fandravaravana nateraky ny 16 taona farany ary tsy resaka fampiakarana ny kalitao sy ny fenitra fotsiny izany, fa tena resaka fiavotan-tena ho an'ny maro amintsika.
Tao amin'ny matoaan-dahatsoratra ho an'ny Fiji Times, noarahabain‘i Fred Wesley ny famohazana indray ny FMC ho fampiroboroboana ny fahalalahana maneho hevitra.
Politicians and people can now ask the tough questions and more freely voice opinions without media organisations fearing prosecution for publishing “against the national interest” or having to run through a minefield of petty rules designed only to control and intimidate.
The newly set up Media Council is there to assist in the mechanics of empowering people, and ensuring the media is held to account as well, serving as a reminder that there are ideals and values of good journalism that we all must uphold.
Afaka manao fanontaniana henjana ankehitriny ny politisiana sy ny vahoaka ary maneho hevitra malalaka kokoa tsy misy tahotry ny fikambanan'ny fampitam-baovao hohenjehana noho ny famoahana (votoaty) “manohitra ny tombontsoam-pirenena” na tsy maintsy mandalo amin'ny faritra be vanja milevin'ny fitsipika madinika natao hifehezana sy hampitahorana fotsiny.
Eo ny Vaomieran'ny Media vao natsangana hanampy amin'ny fampatanjahana olona, ary hiantoka haha-tompon'andraikitra ny fampahalalam-baovao ihany koa amin'izay ataony, ho fampahatsiahivana fa misy ny idealy sy ny soatoavin'ny asa fanaovan-gazety tsara izay tsy maintsy asandratsika rehetra.
Matoky i Timoci Vula fa mbola hahay hijery hatrany ny mpanao gazety amin'ny tatitra ataony.
Government’s kind gesture does not mean that the media should rest on its laurels and dance to the tune of politicians’ music.
That would be harmful to the health of our democracy and detrimental to the lives of all Fijians.
If one thing, this week’s launch means that the media and journalists now have the chance to grow professionally and we owe it to every citizen of this country, especially those left behind, to uphold democracy, defend freedom and continue to hold our leaders accountable.
Tsy midika ny fihetsika feno hatsaram-panahin'ny governemanta fa tokony hionona amin'ny satro-boninahiny ny fampitam-baovao sy handihy amin'ny gadon'ny politisiana.
Mety handratra ny fahasalaman'ny demaokrasiantsika izany ary hanimba ny fiainan'ny Fijiana rehetra.
Raha ny zava-misy, ny fanombohana amin'ity herinandro ity dia midika fa manana fahafahana hitombo amin'ny sehatra matihanina ny fampitam-baovao sy ny mpanao gazety amin'izao fotoana izao ary manana adidy amin'ny olom-pirenena tsirairay eto amin'ity firenena ity izahay, indrindra fa ireo tavela aoriana, ny hanandratra ny demaokrasia, hiaro ny fahalalahana ary hanohy hitazona ireo mpitarika antsika ho tompon'andraikitra.