Aostraliàna mpanao gazety manohitra ireo “mpanaratsy” mpankahala LGBTQ+ trolls …. Aostraliana mpanao gazety manosika ny resabe manohitra ny LGBTQ+

Patricia Karvelas

Patricia Karvelas. Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny YouTube navoakan'ny ABC

Patricia Karvelas, mpanolotra fandaharana malaza amin'ny fahitalavitra sy amin'ny onjam-peo, no lasibatr'ireo “trolls” mpanaratsy ny hafa, taorian'ny nizaràny ny traikefany tamin'ny maha-Aostraliana pelaka mpanao gazety azy izay tsy maintsy niaro ny fironana ara-pananahany nandritra ny taona maro. Naneho ny firaisankinany tamin'i Karvelas ireo vondrona media rehefa nanameloka ny fanararaotana an-tserasera natao tamin'ilay mpanao gazety.

Nitafatafa tamin'ny mpanao gazety maromaro ny fampielezam-peo nasionaly Aostraliana ABC, anisan'izany i Karvelas, izay nitantara ireo fanamby atrehan-dry zareo amin'ny maha-olona LGBTQ+ azy miasa amina indostrian'ny media. Taorian'io, nanaovana resabe naharikoriko tao amin'ny tambajotra sosialy i Karvelas. Nanoratra teo amin'ny X (Twitter taloha) izy hoe :

Mikendry ahy nandritra ny ora maro ireo mpanaratsy, niaraka tamin'ny zavatra maharikoriko.

Tena mahatezitra ny zavatra novakiako, tsy nozaraiko akory ny tena zava-doza. Maharary ahy ny fankahalàna ny hafa aorina ambonin'ny resaka fironana ara-pananahana

Mirehareha noho ny amiko ny fianakaviako, isaorako.

Manondro ireo fanehoankevitra maharikoriko azony ny andalana farany, manamafy fa menatra amin'ny maha-pelaka azy ny fianakaviana Grika niaviany.

Ny talen'ny vaovao ao amin'ny ABC, Justin Stevens dia niaro an'i Karvelas no sady nanakiana ireo trano fampahalalam-baovao izay nampita ireo fanehoankevitra mamely ilay mpanao gazety.

Mampisavorovoro, mampalahelo sy mahatezitra ny mahita an'i Patricia lasibatry ny fanaratsiana sy fanararaotana an-tambajotra, resaka mahakasika ny ara-nofo ny ankamaroany, mpankahala ny tsy mitovy amin'ny tena ary fanavakavaham-bolonkoditra, noho ny firesahany imasom-bahoaka ny fiainany.

Tokony hiady hanohitra ny fanararaotana mampidi-doza ety anaty tambajotra ny media sy ny fampijaliana mifototra amin'ny maha-lahy na vavy sy ny fironana ara-pananahana, ary hijoro haneho firaisankina amin'ireo toa azy miaina izany, fa tsy hanamafy izany amin'ny fomba feno fihatsarambelatsihy.

Nandrisika ny manampahefana hanadihady ny fanafihana natao tamin'i Karvelas ny Fiaraha-mientana ho an'ny Vehivavy ao anatin'ny Asa Fanaovan-gazety, nanasongadina hoe hatraiza no mety ho fiantraikan'ny fanorisorenana an-tserasera amin'ny fiainana manokana sy matihanina amin'ny mpanao gazety.

Melohinay tanteraka ny fomba fitondra tsy mety natao azy ary amporisihinay ireo manampahefana hanadihady lalina an'ireo fihetsika feno herisetra ireo sy hiantoka fa hizaka ny nataony izay  tomponandraikitra tamin'izany.

Ny fanafihana natao tamin'i Karvelas dia mampahatsiahy ny maha-zava-dehibe ny fijoroana hiady amin'ny fanorisorenana an-tserasera, ary ny fampivoarana ny tontolo iray iarahana sy feno fanajana ho an'ireo mpanao gazety.

Mety hisy fiantraikany ratsy arak'asa sy manokana io fanararaotana io, mitarika ho amin'ny fanivànana tena, fisorohana ny lohahevitra sasany, na fialana amin'ny indostria mihitsy aza, manampy trotraka araka izany ny tsy fitoviana efa misy amin'ny lahy sy vavy.

Tao anatin'ny tafatafa tamin'ny ABC nataony, nohazavain'i Karvelas ny mikasika ny fomba nanafenany ny fironany ara-nofo tamin'ireo mpanao pôlitika ary na tamin'ireo mpiara-miasa aminy sasany aza, izay toa feno fanoherana ny zon'ny LGBTQ+ . Hoy izy hoe :

Tena nitandrina be aho tamin'ireo mpiara-miasa amiko izay heveriko fa tsy manohana ahy, [sy] teo amin'ireo mpanao pôlitika izay fantatro fa manohitra ny zon'ireo pelaka, izay marobe izy ireo.

Rehefa nanao jery todika izy dia nizara ny fihetseham-pony mikasika izany.

Mahatsiaro malahelo be aho mieritreritra an'ireny taona ireny, satria tsy afaka ny ho izaho manontolo aho tany ampiasana.

Tsy mbola maty aho, noho izany dia afka any ho izaho ihany aho ankehitriny. Saingy tsy nosainiko hoe tsy tokony niainako nandritra ny fahatanorako izany traikefam-piainana izany.

Nohazavainy ny antony tsy niampangàny ny fanavakavahana ny LGBTQ+ tao amin'ny toeram-piasany :

Ho gaga amin'izany ny olona, satria heveriko fa fantatry ny besinimaro tsara aho, sy ireo izay mamaky ity lahatsoratra ity ary mahafantatra ahy ho toy ny olona mijoro sady tsy matahotra olona mihitsy.

Saingy rehefa ao anatin'ny tontolo ara-tsosialy ianao, izay hiheveran'ny olona fa mampihomehy ny hatsikana mikasika pelaka dia tsy izay no mitranga. Hitanao fotsiny hoe sarotra ny miteny na inona na inona ka hoe, fantatrao, tsy hahatonga anao ho marefo, nefa koa tsy hahtonga anao ho heverina ho manahirana foana amin'ny fotoana rehetra.

Farany, ekeny ny andraikiny amin'ny maha-olom-pirenena azy ary koa ny zony hanamafy ilay “izy tenany tena izy” :

Tsy tiako hahatsapa ny olona hoe tsy mpampita vaovao ho azy ireo aho. Fa toy izany koa, raha tsy tena mitazona ny maha-izaho ahy aho dia tsy afaka hanao tsara ny asako..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.