
Tompon'ny sary : mikemacmarketing tao amin'ny www.vpnsrus.com. Nampiasàna ny lisansa Creative Commons Attribution 2.0.
[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mankany amina lahatsoratra anglisy ny rohy rehetra]
Tsy ela akory izay, ramatoa iray mpiasan'ny sivana, nomen'ny sehatra tambajotra sôsialy shinoa goavana iray ny anarana hoe Blowfish Princess (河豚公主) , no namoaka ny antsipirihany tamin'ny asany andavanandro, tao anaty antsafa iray niarahany tamin'ilay mpisintona fanairana manana ny maha-izy azy ao amin'ny X (ex-Twitter), Teacher Li, sy ao amin'ny YouTube. Hitanao etsy ambany ny ampahany amin'ny fiteny anglisy tamin'ilay antsafa avoaka ato amin'ny Global Voices rehefa nahazoana alàlana tamin'ny profesora Li.
Professeur Li (TL) : Inona no zava-panaonao andavanandro amin'ny maha-mpanivana sehatra anao ?
河豚公主:我的工作信息主要是分两个部分,一个就是收集一些所谓的舆情信息,然后啊,提供平台人员参考,然后还有一个就是就是传统的流水线审核,就是要说大量的那种图片文本音频之类的,就是有很多,数量很多
Blowfish Princess (BP):
Asa fototra roa lehibe ny ahy : manangona ireo hevitra an-tserasera ho an'ireo mpanome sehatra an-tserasera ary mamerina mijery ireo votoaty, toy ny miasa ambony latabatra fanambantambarana. Goavana be ny hadirin'ireo votoaty, ahitàna sary sy lahatsoratra.
TL : Ahoana no fanangonanao ireo hevitra an-tambajotra?
河豚公主: 就主要还是看一些境外媒体的新闻,就是关于中国的一些报道,然后比如说bbc他们关于中国的报道,还有一些嗯推特上有一些反贼嘛,抗议活动或者是游行之类的,还有国内的一些新闻国内有啊,比如说之前有鐵链的这种社会负面的去年的话有四通桥把指运动,就是这种负面的新闻。
BP : Ireo vaovao momba an'i Shina no tena angoninay, avy amin'ireo media any ivelany, toy ireo fanadihadian'ny BBC sy ireo hafatry ny mpanohitra mankahala shinoa ao amin'ny X [Twitter teo aloha] momba ireo hetsipanoherana sy ireo vaovao miiba, tahàka ilay ramatoa nofatorana rojovy sy ilay hetsipanoherana tamin'ny taona lasa tao amin'ny tetezana Sitong.
Nohazavain'ilay mpanivana fa mba hikarohana ireo vaovao mifandraika amin'ny lohahevitra ifantohan-dry zareo, hihodinan-dry zareo ilay Aro Afo Gaovana [fr] an'ny shinoa. Avy eo, angonin-dry zareo ho ao anaty antontan-kevitra iray ireo votoaty ary alefany amina vondrona iray misy ireo mpandrindra ilay sehatra mba hahafahan-dry zareo ireny mitantavana ireo vaovao mifanaraka amin'izany. Saziana handoa lamandy izay sehatra ahitàna mpampiasa azy manentana hetsipanoherana avy amin'ireo tambajotra sôsialin-dry zareo sy ireo fitaovam-mpifandraisany. Azon'ireo manampahefana mahefa atao mihitsy aza ny mampiantso ilay mpanome tolotra mba handrahonana azy momba ny fahazoandàlana nomezana azy raha sanatria misy tranga goavana.
TL: Ahoana ny amin'ireo saripika sy lahatsary ?
河豚公主: 是这样的,比如说有一张图,他画的是领导人,然后这种图片我们就会下载好,然后打包好做一个入库的,配合平台的算法就是入库掉,然后这张原图就是传不上…先机器审核,然后发现一些问题, 人工加来看这些机器审核出来的
BP: Ndeha ataontsika hoe nahatsikaritra sarina mpitarika (pôlitika shinoa) iray izahay, trohanay ilay izy ary tahirizinay anaty angondrakitra iray. Avy eo, bahanan'ny IA tsy ho azo trohana intsony avy ao amin'ilay sehatra ilay sary. Ny IA no manatontosa ny andiany voalohany amin'ny sivana, ary rehefa tsy vitany izany, miditra an-tsehatra ny olombelona.
TL: Tsy maintsy miasa 24/24 ora ve izany ny tarika mpanivana? Ary singa miisa firy no tsy maintsy sivaninareo isak'ireo andro fiasàna tsirairay avy ? Dia momba inona ihany koa ilay votoaty voasivana?
河豚公主: 对,三个班次二十四小时,三个班次二十四小时,就是一直不停的做这个审核,对他除了这个做完,还有就是图片,就是评论之类的,也要生和这边也有数量要求。图片的话光一个班次就要审核一万多张…违规的主要就是色情方面,然后还有一些就是打广告这种也不行,遇到政治的话就比较少,遇到政治的反而比较少,就是政治这方面还是文字的比较多一些..
BP: Eny, ekipa telo isanandro izahay no miasa 24 amin'ny 24 ora mba hamerina hijery ireo fanehoankevitra sy saripika. Manana fatra izahay. Ho an'ireo sary, 12.000 isa indray miaraka no tsy maintsy hamarininay… resaka vetaveta ny ankamaroan'ireo sary voasivana. Tsy ahazoana alàlana ireo dokambarotra asisika. Vitsy ny votoaty pôlitika satria iny dia matetika mifototra amina lahatsoratra.
TL: Misy ve fitsipika milaza aminareo ny tokony hosivanina, na ikendrena olona ve ilay fomba fitsara ?
河豚公主: 是有一个专门规则,但是我认为的违法就是对中国政府不利的一些作品、评论这些肯定是要被删除掉的[…] 影射的的话,它有一些关键词也是被机審给删除掉了,比如说包子这两个字就是敏感詞,其他的一些是主观去审核。
BP: Misy ireo fitsipika vita an-tsoratra. Fa amin'ny ankapobeny, izay fanehoankevitra sy votoaty mifanohitra amin'ny tombontsoan'ny governemanta shinoa dia heverina ho tsy ara-dalàna ary tsy maintsy fafàna. Raha ny momba ireo fitoviana anarana sy esoeso, misy ireo teny sasany saropady, toy ny hoe Baozi (midika hoe « Bun », anaram-bositr'i Xi Jinping), no efa voasivana. Ny sasany dia dinihana manaraka ny fomba mijery tavan'olona.
Nohazavain'i Blowfish Princess fa ny momba an'i Xi Jinping , filoha shinoa no tena lohahevitra tena saropady indrindra. Izay rehetra anaram-bositra, fitoviana anarana na sarimiaina (toy ilay Winnie l'ourson) mampiseho azy mandalo andro matroka, dia voabahana avokoa ary ho voaràra ny kaontin'ilay mpampiasa. Ao anivon'ilay tarika mpanivana, mpitarika laharana 1 no iantsoana an'i Xi ; antsoina arakaraky ny andraikitra sahaniny kosa ireo mpitarika hafa.
TL: Tsy maintsy be zavatra ianarana ianareo alohan'ny hanaovana io asa io. Rehefa avy niatrika fanoherana pôlitika maro be, toy ny ahoana no hamaritanao ny fironana pôlitikan'ireo mpiara-miasa aminao?
河豚公主: 怎么说呢,就是境外反贼,他们所有的东西我们就是要看嘛,然后各种谐音感要知道一些… 我觉得我认识的同事,他们一般不喜欢这个工作,然后就是政治立场,绝对不会支持删除…我的话怎么说呢?就比如说去年疫情疫情,我自己被困在家中,然后还要立场上政政府的清零政策只能说好,封得對封得好这样子,然后实际上我自自己被封在家中,连大门都出不去…我觉得这个工作一点都不好,就是很黑暗很黑暗…或许我很快会换工作,就是离开这个巡察言论的工作
BP: Eny tokoa, tsy maintsy vakianay ireo vaovao mivezivezy eny anivon'ireo mpanohitra any ivelany ary tsy maintsy fantarinay hoe inona avy ireo fitovitoviana anarana sy fomba fiteny afenina. Heveriko fa tsy tian'ireo mpiaramiasa amiko io asa io ary tsy miombona hevitra amin'io karazana fomba fanivanana io ry zareo.
Aleo ambarako tahaka izao : tafahitsoka tao an-tranoko aho nandritra ny valanaretina tamin'ny taona lasa iny, saingy notohanako ilay pôlitikan'ny governemanta hoe “zéro COVID” sy ny fihibohana, nefa aho tsy afaka akory na dia ny handingana ilay tokonam-baravarako aza… Asan-devoly io asa io, faran'izay tena maizina… Azo inoana fa hiova asa tsy ho ela aho ary hiala amin'ity asan'ny mpanivana ity.
TL: Fahefam-pitantanana tahaka ny inona no tànanao amin'ny fanatontosàna ireo andraikitrao ?
河豚公主: 就是我可以对用户所发表的内容可以直接删除掉,然后他用户的账号涉及到政治、领导人、反共或者是地区独立、六四事件,这种的話可以永久封禁…
BP: Ananako ny fahefàna hamafa votoaty. Raha toa ny kaontin'ilay mpampiasa ka mamoaka votoaty mifandray amin'ny resaka pôlitika, ireo mpitondra, na mankahala ny antoko kaominista shinoa, na votoaty mifandray amina hetsika mitaky fizakantena na ny raharahan'ny 4 Jona [fr], azoko atao ny mamafa ilay kaonty…
Prof. Li: Mandray torolàlana momba ny sivana avy amin'ny Fitantanana ny Habaka Aterineto ve ianao ? Impiry ireny torolàlana ireny no ampitaina ho an'ireo mpiasa? Ary inona no endrik'ireny torolàlana ireny?
河豚公主: 会的, 网信办会发通知,他让我们做什么就做什么,他会发一些像样本图文或者视频的内容,讓我们看一下… 是二十四小时不定时,他会下发给你…就比如说你早上九点发了,然后他可能下午五点才发,然后六点六点七点又发,连续要发好几条…内容比如说強拆,然后爛尾楼的業主去抗议,然后警察暴力执法… 还有他就会发一张境外媒体的新闻稿,然后說他唱衰中的经济,这种这种也不可以… 还有是领导人的负面新闻
BP: Eny, mandray fampahafantarana avy amin'ny Fitantanana ny Habaka Aterineto izahay ary izay asainy atao dia arahanay. Amin'ny ankapobeny, ireo fampahafantarana dia manasa anay hanopy maso an'ireo saripika, lahatsary na votoatin-dahatsoratra voatahiry… 24 ora amin'ny 24 ora ny fampitàna ireo fampahafantarana, tsy misy fetram-potoana voafaritra mazava… Ohatra, indraindray maharay ianao amin'ny 9 ora maraina. Amin'ny 5 ora hariva ny manaraka, avy eo amin'ny 6 ora, amin'ny 7 ora na… Amin'ny ankapobeny ireo votoaty dia mahakasika fandravàna an-terisetra na hetsipanoherana tahàka ny fanoherana ireo fanorenana tsy tontosan'ny tompony hatramin'ny farany na fanoherana ny herisetra ataon'ny pôlisy… indraindray, ohatra, fanadihadiana avy any ivelany no alefan-dry zareo miaraka amina fanehoankevitra, izany dia manaparitaka fomba fijery miiba ny toekarena shinoa, tsy maintsy sivanina daholo izany rehetra izany… mazava ho azy, izay rehetra vaovao ratsy momba ireo mpitondra dia voaràra avokoa.
TL: Afaka mamaritra ny sasantsasany tamin'ireo fotoana navesatra indrindra ho anao ve ianao?
河豚公主: 疫情的时候还是蛮忙的,就是有各种疫情,各种冲塔的言论,然后指责防疫政策这种。四通桥的时候也是蛮忙的,白紙运动要抓紧抓紧时间找嘛… 找找看有没有什么谐音或者是变体之类, 有的话就是要封號…通过就是后台的系统搜关键词…然后他们的所有的用户发言,它都会有显示,包括私信内容… 在平台上都是全面拦截, 账号的话一般来说都是封禁的
BP: Tena sempotra be izahay nandritra ny valanaretina, satria nisy ireo fomba fijery nanakiana naely momba ny pôlitika nitantanana ny valanaretina. Fotoana iray tena navesatra ny hetsipanoherana tao amin'ny tetezana Sitong, tahaka ilay hetsipanoherana Boky Fotsy ihany, satria tsy maintsy notohizanay ny fikarohana sao nisy fitovitoviana anarana na fomba fiteny afenina momba ireny tranga ireny. Vantany vao mahita iray izahay dia tsy maintsy mametraka avy hatrany fandraràna manontolo ny kaontin'ilay mpampiasa… nampisainay ihany koa ilay rafitra fikarohana amin'ny alàlan'ny varavarana mibanaka (backdoor) mba hikarohana ireo tenifototra… izay rehetra mpampiasa ka mitanisa ireny tenifototra ireny, eny fa na any anaty resaka manokan-dry zareo aza, voarakitra ao anatin'ny angondrakitra daholo izy ireny. Rehefa voatily ny tenifototra iray dia bahanana ao amin'ilay sehatra ary raràna ny kaontin'ilay mpampiasa.
TL: Misy torohevitra azonao omena ireo shinoa mpampiasa aterineto ve?
河豚公主: 我觉得就平常聊天话基本审查是不会管的,但是如果你提及政治上面的东西,比如说你指责共产党哪个政策不好,或者是你是業主你指責爛尾樓,你说你要去抗议之类的,那们这种的话就是会被拦截,甚至私信内容我们也能看到,也是会拦截的,然后严重的话就是封号了,封你半个月,一般是只有涉及政治的话才会永久,就是侮辱领导人这种,其他的话就是处罚都比较轻,然后在平台发言需要緊慎吧… 反正的话,就是只能说好,可能有不好,只能说做的对,做的好,我们支持这样子。
BP: Tsy idiran'ny mpanivana ny fifampiresahana andavanandro, saingy vantany vao mitanisa zavatra miresaka pôlitika ianao, toy ny hoe manakiana ny pôlitikan'ny antoko na kianinao ny asa fanorenana iray tsy tontosa, amin'ny maha-tompontany anao, ary lazainao amin'ny hafa fa manohitra ianao, ny votoaty mifandraika amin'izay dia ho voabahana, eny fa na dia anaty fifampiresahana manokana aza. Ireo fanitsakitsahana henjana dia mitarika mankany amin'ny fampitsaharana ny kaonty, mandritra ny tapabolana ohatra. Mitranga ny fanakanana manontolo ny kaontin'ny mpampiasa iray raha toa ka tena resaka pôlitika avo lenta, toy ny faniratsiràna mpitondra. Raha tsy izany, maivamaivana ihany ny sazy. Mila mitandrina ianao rehefa miresaka eny anatin'ireo tambajotra sôsialy sy ireo seha-pifandraisana… midika izany fa mila (miabo) manasohaso ianao. Na tsy mandeha amin'ny laoniny aza ny zavatra rehetra, tsy maintsy ekenao ary tohananao.
TL: Alohan'ny hamarànana ity antsafa ity, misy zavatra tianao hampitaina ve ?
河豚公主: 我就是希望这个审查制度早一点消失,反正我不喜欢这个行业,就是渡日如年很痛苦的样子。然眼下又没有其他方行业去做,我休息的时间就是学习一些其他的东西,离开这个鬼地方…并不是说一定要指责他们怎么样子,就是大家相对稍微能有一个開放的言论环境也我觉得也蛮好,但是现在的审查制度太严格了,太严格了
BP: Tiako raha atsahatra araka izay haingana ity rafitra fanivànana ity. Halako ity sehatra ity, tena faran'izay manahirana ny miasa eto. Saingy tsy mbola afaka mifindra sehatra aho aloha amin'izao fotoana izao, izany no anohizako mianatra raha vao misy fotoana malalaka, mba hahafahako mivoaka amin'ity helo ity… Tsy manameloka na iza na iza aho; antenaiko fotsiny ny mba hahafahan'ny olona misitraka tontolo iray mivelatra kokoa mankamin'ny fanehoankevitra malalaka. Manahirana be loatra ny rafitra misy amin'izao fotoana izao.