Mampihemotra ny fahalalahana maneho hevitra ny lalàna manasazy ny asa fanaovan-gazety anjotra any Bénin

 Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube ORTB

Manasarotra ny fampiharana ny asa fanaovan-gazety anjotra ao Bénin ny fampiharana ny fehezan-dalàna nomerika mifehy ny mpanao gazety anjotra, ka manohintohina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena.

Niteraka fanamby maro ny revolisiona nomerika eo amin'ny tontolon'ny haino vaky jery taorian'ny fivoahan'ny media vaovao toy ny gazety anjotra, onjam-peo an-tranonkala ary fahitalavitra an-tranonkala. Saingy raha ny mifanohitra amin'izany, nanampy tamin'ny fanakorontanana ny fahalalahana maneho hevitra koa ireo fiovana ireo.

Eny tokoa,  voamariky ny fahamaroan'ny fampahalalam-baovao ny tontolon'ny media ao Bénin: fantsona fahitalavitra dimy ambin'ny folo eo ho eo, onjam-peo 70 mahery, gazety an-tsoratra an-jatony eo ho eo ary misy mitsangana hatrany isan'andro ny gazety an-tserasera ho an'ny mponina tombanana ho mihoatra ny 13 tapitrisa. Miantoka ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny lalàmpanorenan'ny firenena, ary miantoka ny fiarovana ny asa fanaovan-gazety sy ny fitaovam-pifandraisana rehetra koa ny Fahefana Ambony misahana ny Haino Aman-jery sy ny Fifandraisana (HAAC – ang). Miantoka ny fiarovana ny mpanao gazety ihany koa ny HAAC amin'ny alàlan'ny fehezan-dalàna mifehy ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana no sady manafoana ny fandikan-dalàna.

Niteraka fivoahan'ny lalàna vaovao ny firafetana vaovao misy eo amin'ny habaka fampitam-baovao amin'ny alàlan'ny teknolojian'ny torohay sy ny fifandraisana. Nampidirina tao anatin’izany lalàna izany ny lalànan'ny tandohasin'ny asa fanaovan-gazety ary nampiharina tamin’ny mpanao gazety nanomboka ny taona 2018: mikasika ny fehezan-dalàna nomerika izany izay mametraka fameperana maro. Ohatra, ny andininy faha-550, tondro faha-3 milaza hoe:

Quiconque initie ou relaie une fausse information contre une personne par le biais des réseaux sociaux ou toute forme de support électronique est puni d'une peine d'emprisonnement d’un (01) mois à six (06) mois et d’une amende de 500 000 FCFA (803 dollars américains) à un 1 000 000 FCFA (1 606 dollars américains), ou de l'une de ces peines seulement.

Na iza na iza manomboka na mampita vaovao tsy marina amin'ny olona amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy na amin'ny endrika media elektronika dia voasazy higadra iray (01) volana ka hatramin'ny enina (06) volana ary mandoa lamandy 500.000 FCFA (803 dolara amerikana) hatramin'ny 1.000.000 FCFA ( 1.606 dolara amerikana), na iray amin'ireo sazy ireo ihany.

 

Taorian'ny fampiharana io fehezan-dalàna io, nanamarika ny fidinan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tao Bénin ny laharana navoakan'ny Reporters sans frontières (RSF), izay raha laharana faha-78 tamin'ny taona 2017 dia lasa laharana 112 ny taona 2023.

Araka ny nambaran'ny biraon'ny Amnesty International Bénin, manana anjara toerana lehibe amin'izany ilay fehezan-dalàna resahina:

#Bénin
Mametraka tahotra sy sivana ny fehezan-dalàna nomerika. Ampiasaina hanaraha-maso ireo mpanao gazety sy mpanohitra izay maneho ny heviny amin'ny aterineto izy io. Miantso ny @gouvbenin ny @amnesty mba hanavao ny fepetra sasany amin'ny fehezan-dalàna ary hanaraka ny lalàna iraisam-pirenena

Fisamborana maromaro

Tamin'ny volana Desambra 2019, nampiasa ny fehezan-dalàna nomerika hisamborana ilay mpanao gazety Ignace Sossou ny manampahefana ara-pitsarana. Voampanga ho nanao sotasota tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy izy. Navoakan’ ity mpanao gazety ity tao amin'ny kaontiny X (ex-twitter) ireo fanakianana an'i Mario Metonou, mpampanoa lalàna, nandray fitenenana tamin'ny fihaonambe nokarakarain'ny Canal France International (CFI Media) tao Cotonou momba ny fahatapahan'ny aterineto tamin'ny 28 Aprily 2019, androm-pifidianana solombavambahoaka. :

“Ny fahatapahan'ny aterineto tamin'ny androm-pifidianana tamin'ny 28 Aprily dia fanekena ny fahalemen'ireo eo amin'ny fitondrana” – Mpampanoa lalàna Mario Mètonou

Niteraka hatezerana teo amin'ny fikambanana maro miaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety maneran-tany ny fanagadrana azy. Tamin'ny lahatsoratra tamin'ny 27 Febroary 2020, nampandre tao amin'ny tambajotra X ny Biraon'ny Amnesty International ao Afrika Andrefana sy Afovoany fa tsy heloka bevava ny asa fanaovan-gazety:

Miaraka amin'ny @RSF_inter, @AFRICTIVISTES  sy fikambanana 5 hafa, mitaky ny hanafahana an'ilay mpanao gazety#beninoà Ignace Sossou izahay.

Any am-ponja izy roa volana mahery izay. Tsy heloka bevava ny asa fanaovan-gazety!

Tamin'ny volana Jona 2020, navotsotra ilay mpanao gazety. Saingy nampiasaina tamin'ny raharaha nahavoarohirohy mpanao gazety hafa ny antony nahatonga ny fisamborana an'i Ignace Sossou .

Nampanantsoina i Patrice Gbaguidi sy Hervé Alladé tamin’ny volana Novambra 2021. Nosamborina izy ireo taorian'ny fitoriana fanalam-baraka napetraky ny mpiasan'ny ladoany izay nanondro ny iray tamin'ny lahatsoratr'izy ireo nivoaka tamin'ny volana Aogositra. Tamin’ny volana Desambra tamin’io taona io ihany, dia voaheloka higadra 6 volana sy handoa lamandy 500 000 FCFA (803 dolara amerikana) izy ireo. Nampitain'ny Reporters sans frontières tao amin'ny kaonty X-ny ny vaovao:

1/2 #Bénin 🇧🇯 : notànana nanomboka ny 18 Novambra, nomelohin'ny fitsarana Cotonou omaly higadra enimbolana an-tranomaizina sazy mihantona sy handoa onitra 500.000 CFA francs ( 760 euros) ilay mpanao gazety Patrice Gbaguidi sy ny talen'ny gazety Le Soleil Bénin, Hervé Alladé.

Ny tranga farany indrindra dia ny an'i Virgile Ahouansè, mpanao gazety sady mpanentana ny onjam-peo Crystal News. Natao ny fisamborana azy taorian'ny fandefasana fanadihadiana momba ireo voalaza fa famonoana tsy ara-dalàna natao tao amin'ny Sekoly Fanabeazana Fototra Dowa any Porto-Novo (renivohitr'i Bénin) tamin'ny 17 Novambra 2022. Nosamborina izy ary notanana am-ponja ny 20 ka hatramin'ny 22 Desambra 2022.

Avy eo izy nampangain'ny sampana misahana ny heloka bevava ao amin'ny Fitsarana manasazy ny fandikan-dalàna ara-toekarena sy ny Fampihorohoroana (Criet) ao Bénin ho “nanaparitaka vaovao tsy marina tamin'ny aterineto”. Tamin’ny 15 Jona 2023, voaheloka higadra 12 volana an-tranomaizina sy handoa lamandy 200 000 CFA francs (322 dolara amerikana) izy.

Manohintohina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny fehezan-dalàna nomerika

Amin'ny vanim-potoana nomerika izay ampiasan'ny media lehibe rehetra ny Aterineto mba hanakaiky kokoa ny mpijery, mpihaino ary mpamaky, tsy raharaha ho an'ny mpanao gazety antserasera ihany fa ny olon-drehetra ny fandrahonana mavesa-danja mihatra amin'ny mpanao gazety.

Nanontanian'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny WhatAapp i Virgile Ahouansè ka nihevitra fa tsy vitan'ny hoe manohintohina ny fiarovana ny mpanao gazety anjotra ny fehezan-dalàna nomerika. Manamafy kosa izy fa:

C'est la sécurité des journalistes en général qui est menacée. Pas seulement ceux des journalistes en ligne. Mais des journalistes en général.

Ny fiarovana ny mpanao gazety amin’ny ankapobeny mihitsy no atahorana. Tsy ireo mpanao gazety antserasera ihany. Fa ny mpanao gazety amin'ny ankapobeny.

Anisan'ny fandrahonana matetika atrehan'ireo mpanao gazety Beninoà miasa amin'ny nomerika ny fanesorana ny fahafahana, ary indraindray ny fampitahorana.

Izany no nitranga tamin'ilay mpanao gazety Ignace Sossou, izay nomena baiko hamafa ny vaovao nampitaina tao amin'ny tambajotra sosialy tamin'ny voalohany. Momba ity tranga ity, nanoratra i Ginette Fleure Adandé, mpanao gazety avy ao amin'ny Voxafrica tamin'ny 6 Mey 2020 hoe:

Le procureur accuse le journaliste d’avoir sorti ses propos de leur contexte et lui enjoint, épaulé par les équipes de CFI, de supprimer ces publications. Ce qu'a refusé Ignace Sossou, prenant une telle injonction comme une violation de ses droits.

Nampangain'ny mpampanoa lalàna ho namoaka ny fanehoan-keviny ivelan'ny zava-misy ilay mpanao gazety ary nanome baiko azy, niaraka tamin'ny fanohanan'ny ekipan'ny CFI, mba hamafa ireo lahatsoratra ireo. Nolavin'i Ignace Sossou anefa izany, ka noraisiny toy ny fanitsakitsahana ny zony ny baiko toy izany.

Manoloana ny fanamby maro atrehin'ny gazety Beninoà ankehitriny, dia mampametra-panontaniana hatrany ny maha matihanina ny mpanao gazety. Romuald Vissoy, mpanao gazety sady mpampianatra, izay nitafatafa tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny WhatsApp nanoro hevitra hoe:

Pour leur sécurité, les journalistes numériques doivent se démarquer des activistes du web. Il faut qu'ils soient professionnels et connus des autorités qui régulent les informations dans le pays.

Ho fiarovana azy ireo, tsy maintsy miavaka amin'ireo mpikatroka antserasera ny mpanao gazety nomerika. Tsy maintsy matihanina izy ireo ary fantatry ny manam-pahefana mifehy ny vaovao eto amin’ny firenena.

Mila mifandamina

Mba hanomezana feo bebe kokoa sy ho henon'ny hafa, hahazo tombony amin'ny fananganana vondrona hiaro ny zony ireo mpanao gazety nomerika. Izany no hevitr'i Ozias Houngue, mpanao gazety sady toniandahatsoratra ao amin'ny Libre express, raha nitafatafa tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny WhatsApp:

(…)Je crois qu'il est important pour eux de se retrouver en une organisation pour défendre leur droit. Dans n'importe qu'elle démocratie, quand vous ne vous réunissez pas pour défendre vos droits, vous n'obtenez pas de grands changements. J'invite toutefois les journalistes à faire leur travail tout en respectant le code du numérique.

(…)Mino aho fa zava-dehibe ho azy ireo ny mivondrona ao anaty fikambanana iray hiaro ny zony. Amin'ny demaokrasia rehetra, rehefa tsy mivondrona hiaro ny zonao ianao dia tsy hahazo fiovana lehibe. Na izany aza, manasa ny mpanao gazety aho hanao ny asany sady hanaja ny fehezan-dalàna nomerika.

Mitovy amin'izany ihany koa, tamin'ny volana Desambra 2019 nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, niantso ny mpanao gazety mba ho matihanina kokoa sy hanaja ny tandrohasina sy ny malinasa i Zakiath Latondji , filohan'ny Sendikan'ny Matihanin'ny Fampahalalam-baovao ao Bénin  (Union des professionnels des médias du Bénin) (Upmb).

Malgré les conditions difficiles d'exercice du métier de journaliste dans notre pays, l'Union des professionnels des médias du Bénin invite tous les professionnels des médias à faire de l'éthique et de la déontologie des boussoles dans la collecte, le traitement, la publication et diffusion de l'information.

Na dia eo aza ny fepetra sarotra amin'ny fampiharana ny asan'ny mpanao gazety eto amin'ny firenentsika, ny Sendikan'ny Matihanin'ny Fampahalalam-baovao ao Bénin dia manasa ireo matihanina amin'ny media rehetra mba hanaja ny tandrohasina sy ny malinasa amin'ny fanangonana, fikirakirana, famoahana ary fanapariahana torohay. 

Manoloana ireo fepetra fanerena rehetra ireo, tena tandindonin-doza ny asan'ny mpanao gazety, indrindra ho an'ireo izay miasa anjotra, sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Bénin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.