Filipiana mpanentana an'onjampeo iray maty nandritra ny fandaharana mivantana

 

Juan Jumalon, also known as DJ Johnny Walker of 94.7 Gold FM

Juan Jumalon, antsoina koa hoe DJ Johnny Walker ao amin'ny 94.7 Gold FM. Sary: Altermidya / Dj Redz -100.7 My FM Bataan

Filipiana Mpanolotra fandaharana an'onjampeo iray no maty voatifitra tao amin’ny trano fandraisam-peony nandritra ny fandaharana mivantana izay nomelohin’ny vondrona media sy ny manampahefanan'ny governemanta ho toy ny “tsy mifadi-trovana” sady “feno habibiana”.

Novonoin’ny jiolahy mitam-basy tsy fantatra tamin'ny 5 Novambra i Juan Jumalon, antsoina koa hoe DJ Johnny Walker ao amin'ny 94.7 Gold FM, raha teo am-pandefasana mivantana tao an-tranony tany Misamis Andrefana, faritany iray ao amin'ny nosy Mindanao atsimon'i Filipina.

Hita tao amin'ny fandaharana mivantana tao amin'ny Facebook tamin'ny fandaharany mitondra ny lohateny hoe “Pahapyod sa Kabuntagon (Fiarahabana maraina) ny famonoana.” Manana mpanjohy efa ho 3.000 ity pejy Facebook ity, ary miresaka momba ny olana eo amin’ny fiarahamonina ny fandaharana. Nilaza an’i Jumalon ho “mpampiely vaovao tsy misy tahotra” sady “mpiantafiky ny marina” moa ny governoran'ny faritany Misamis Andrefana.

Jumalon, 57 taona, no mpanao gazety fahefatra novonoina teo ambany fitondran'ny Filoha Ferdinand ‘Bongbong’ Marcos Jr., izay nandray ny fahefana tamin'ny 30 Jona 2022. Nahitana an'i Jhannah Villegas, Federico ‘Ding’ Gempesaw, Rey Blanco, Percival ‘Percy Lapid’ Mabasa, ary Cresenciano Bundoquin ireo mpanao gazety tamin'ny onjam-peo novonoina hatramin'ny taona 2022.

Novonoina i Jumalon andro vitsivitsy taorian'ny andro fahatsiarovana ny andro iraisampirenena hamaranana ny tsimatimanota. Nanonona an’i Filipina ho firenena fahavalo ratsy indrindra eran'izao tontolo izao amin’ny tsy fahitam-bahaolana amin’ny famonoana olona eo amin’ny sehatry ny media ny Komity miaro ny mpanao gazety.

Nilaza ny vondrona fampahalalam-baovao fa “natao tamin’ny fomba tsy mifaditrovana sady sahisahy sy amin’ny endriny tsimatimanota” ny famonoana.  Nanentana ny manampahefana mba hiaro ny ain'ny mpanao gazety ny Komitin’ny Mpanao Gazety Tsy Miankina Mindanao:

This incident underscores the importance of ensuring the safety and security of journalists in the Philippines and the need for measures that prevent such acts from recurring. We urge the authorities to commit to safeguarding the lives and well-being of journalists, who play a vital role in upholding transparency and accountability in our society.

Manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiantohana ny fiarovana sy ny filaminan'ny mpanao gazety ao Filipina ity tranga ity ary ny filàna fepetra hisorohana ny fihetsika toy izany tsy hiverimberina. Manentana ny manampahefana izahay mba hanolo-tena amin'ny fiarovana ny aina sy ny mahasoa ny mpanao gazety, izay manana anjara toerana lehibe amin'ny fitandroana ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra eo amin'ny fiarahamonina misy antsika.

Nanamarika ny fironana mampiahiahy mikendry ny fampitam-baovao tsy miankina ny Hetsika Manohitra ny Fampielezam-baovao diso:

This barbaric act reflects the broader peril of democratic discourse in the Philippines. It is a manifestation of an alarming, ongoing trend that casts a dark shadow over independent media.

Maneho ny loza mitatao amin'ny lahateny demokratika eto Filipina ity fihetsika feno habibiana ity. Fisehon'ny fironana mampiahiahy sy mitohy izany izay manaloka haizina amin'ny media tsy miankina.

Nomelohin'ny manampahefana Filipiana avy hatrany ilay famonoana.

Nanome toky ny vahoaka ny Antenimierampirenena fa manolo-tena hampitsahatra ny “fihetsika feno herisetra tsy amin’antony” izay atao amin'ny media ny governemanta.

To Filipino journalists: Your voices matter. Your stories matter. We stand with you and will continue to advocate for your safety and the right to perform your duties without intimidation or harm. Together, we will strive to put an end to these senseless acts of violence and uphold the sanctity of free expression in the Philippines.

Ho an'ny mpanao gazety Filipiana: Zava-dehibe ny feonareo. Zava-dehibe ny tantaranareo. Miara-mijoro aminareo izahay ary hanohy hisolo vava ny fiarovana anareo sy ny zo hanatontosanareo ny asanareo tsy misy fandrahonana na fampitahorana. Hiara-hiezaka isika hampitsahatra ireo herisetra tsy amin’antony ireo ary hiaro  ny fahamasinan'ny fahalalahana maneho hevitra eto Filipina.

Navoakan'ny Filoha Marcos tao amin'ny X (Twitter teo aloha) ny toromarika amin’ny  fanaovana fanadihadiana avy hatrany momba ny famonoana sy hanomezana rariny ny fianakavian'i Jumalon.

Manameloka amin'ny fomba hentitra ny famonoana an'i Juan Jumalon aho. Nanome toromarika ny PNP aho hanao fanadihadiana lalina mba hitondrana haingana ireo nahavanon-doza eny amin'ny fitsarana.
Tsy ho leferina ny fanafihana mpanao gazety ao anatin’ny demokrasia misy antsika, ary ireo izay manohintohina ny fahalalahana…

Mandritra izany fotoana izany, nitatitra fanafihana miisa 101 natao tamin'ny media nandritra ny fitantanan'i Marcos Jr. ny Sendikà Nasionalin'ny Mpanao Gazety ao Filipina, izay nahitana tranga famonoana olona tsy nandalo fitsarana, fanorisorenana, fandrahonana ho faty, fandavana fitantarana, fampitahorana an-tserasera, sivana, ary ny fitoriana fanalam-baraka an-tserasera sy ny fiampangana fanalam-baraka.

Mampiseho ireo fanafihana mitohy mikendry ny media ity sariitatra ity.

Ora maro taorian'ny famonoana an'i Jumalon, vondrona mpikatroka sy mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tao Metro Manila no nikarakara hetsika fanoherana an'ohatra manoloana ny Vaomiera Mpiaro ny Zon'olombelona.

AMIN’IZAO ORA IZAO: Nanao famoriam-bahoaka feno hatezerana teny amin'ny Commonwealth Avenue QC ny vondrona tanora sy ny fikambanana media taorian'ny famonoana an'i Juan Jumalon androany maraina 5 Novambra.

Mitatitra ny sendikan'ny mpanao gazety ao Filipina fa i Jumalon no mpanao gazety fahefatra… pic.twitter.com/7ttE0kGD6O

Nilaza ny polisy fa manao fanadihadiana ihany koa izy ireo momba ny tatitra fa misy ifandraisany amin’ny fifidianana barangay (tananakely) farany teo sy ny ady tany eo anivon’ny fiarahamonina ilay famonoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.