Mbola mitohy ny famoretan'ny fitondrana Belarosiana ny fiarahamonim-pirenena

Sora-baventy fanoherana mivaky hoe “Fifidianana ara-drariny. Fitsarana. Fanafahana ireo gadra politika,” nohazonina nandritra ny fihetsiketseham-panoherana tamin'ny 16 aogositra 2020 tao Minsk, Belarus. Photo avy amin'i Homoatrox mpisera Wikipedia, CC BY-SA 3.0.

Ity tantara ity dia mifototra amin'ny fanavaozam-baovaon‘ny IFEX, nomanin'ny Toniam-paritra IFEX Eoropa sy Azia Afovoany, Cathal Sheerin, ary narindra sy navoaka indray ato amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana fiaraha-miasan'ny samy media. IFEX (International Freedom of Expression Exchange) dia tambajotram-pikambanana manerantany miasa amin'ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra. Jereo eto ny tohizan-tantara feno.

Nihena nanomboka tamin'ny taona 2020 ny trangam-panenjehana mpanao gazety tao Belarosia, saingy tsy amin'ny antony tsara: ny fanagadrana, ny sesitany an-terisetra ary ny fanapahan-kevitra hiala amin'ny asa mampidi-doza toy izany no midika fa mihavitsy ny mpanao gazety tavela hohenjehina.

Tamin'ny volana Jona, nitatitra ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Belarosiana (BAJ) fa voalisitra ho votoaty “mpitrifana” ny fangony, ka mety ho tratran'ny fitoriana eny amin'ny fitsarana ireo mampiasa azy — na manana entana mitondra azy. Nampitandrina ny mpanao gazety rehetra ao Belarosia ihany koa ny BAJ, izay nosokajian'ny manampahefana ho “mpitrifana” tamin'ny fiandohan'ity taona ity ary nofoanan'ny Fitsarana Tampony tafiditra politika tamin'ny taona 2021, mba hanaisotra azy amin'ny tranony sy ny biraony.

Hita tamin'ny volana Jona ihany koa fa voasakana ao Rosia ny fidirana amin'ny tranokalan'ny BAJ.

#Belarus, firenena mpampihorohoro mpanao gazety” – @IndexCensorship mifampiresaka amin'ny filohan'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Belarosiana (@baj_by), voapetaka ho “mpitrifana” ary noravan'ny Fitsarana Tampony tamin'ny taona 2021

Mihamiakatra ny isan'ny gadra politika ao Belarosia; araka ny filazan'ny Foiben'ny Zon'Olombelona Viasna, tamin'ny faran'ny volana Jona teo dia 1.496 no nidoboka am-ponja noho ny fiampangana ara-politika. Anisan’ireny voafonja ireny i Tatsiana Pytsko, izay notanana am-ponja tamin’ny fiandohan’ny volana ary voampanga ho “namorona na nandray anjara tamina fikambanana mahery fihetsika”. Ny fiampangana azy dia mifototra amin'ny voalaza fa tamin'ny fanampiany ny vadiny mpaka sary (nogadraina tamin'ny Febroary) nandritra ny asany; Nampiakatra ny isan'ny mpiasan'ny fampitam-baovao voatazona ao Belarosia ho 34 ny fitazonana azy .

VAKIO BEBE KOKOA: ‘People in Belarus live in constant terror, fearing a system that can arbitrarily target anyone’ (Miaina ao anaty horohoro mandrakariva ny vahoaka ao Belarosia, matahotra rafitra afa-mamely olona tsy amin'antony’

Mpikambana maromaro ao amin'ny IFEX sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona hafa no nanasongadina ny tranga mahazo ny gadra politika roa malaza tamin'ny volana Jona — Maria Kalesnikava olo-malazan'ny fanoherana sy Nasta Loika mpiaro ny zon'olombelona — ary niantso ny hamotsorana azy ireo tsy misy hatak'andro.

Tokony hampitsahatra avy hatrany ny figidragidraina an'i Maria Kalesnikava sy ireo gadra politika hafa rehetra ny manampahefana #Belarus. Fanambarana iraisan'ny vondrona mpiaro zon'olombelona 24 sy Belarosiana:

Migadra mihiboka samirery amin'izao fotoana izao i Kalesnikava, izay voaheloka higadra 11 taona an-tranomaizina tamin'ny taona 2021, ary tsy avela hahazo fikarakarana ara-pitsaboana sy solontena ara-pitsarana. Nahazo sazy fito taona an-tranomaizina nandritra ny fitsarana tsy azo atrehina tamin'ity volana ity i Loika, izay nampijaliana am-ponja ; ny fanenjehana azy dia nifototra tamin'ny asany tamin'ny fanadihadiana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nataon'ireo manampahefana mpampihatra lalàna.

ARTICLE 19 dia manatevin-daharana ny fikambanana iraisampirenena 15 sy Belarosiana mpiaro ny zon'olombelona amin'ny fiantsoana ny famotsorana an'i Nasta Loika avy hatrany sy tsy misy fepetra.
Vakio ny fanambarana:

Navoakan'ny BAJ sy Justice for Journalists tamin'ity volana ity ny topimaso ilaina ho fantatra momba ny raharahan'ny mpanao gazety tsy miankina ao Belarosia. Mandinika ireo fitaovam-panenjehana maro ampiasain'ny manampahefana amin'ny fampitam-baovao mpitsikera ny tatitr‘izy ireo, izay miompana indrindra amin'ny vanim-potoana 2021–2022. Anisan'izany ny fanorisorenana ara-pitsarana, ny herisetra, ny figidragidrana mandritra ny fanagadrana ary ny fanafihana an'habaka (nisonga haingana ny tranga farany tamin'ny taona 2020–2021). Na dia hita aza fa mihavitsy ny tranga fanenjehana amin’izao fotoana izao, dia noho ny fahavitsian'ny mpanao gazety henjehina, satria migadra izy ireo, misafidy sesitany na misafidy ny handao ny asa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.