Nandao ny Facebook ny praiminisitra kambodziana taorian'ny fitenenan'ny Filankevitra Mpanaramaso

Hun Sen viewing phone

Sarin'i Hun Sen mijery ny findainy mandritra ny fivoriana iray tao Phnom Penh, Kambodza. Photo avy amin'i Leng Len/VOA Khmer

Nofafan‘ny Praiminisitra Kambodziana Hun Sen ny kaontiny Facebook ofisialy taorian'ny nandrisihan‘ny Birao Mpanaramason'ny Meta hampiatoana ny kaontiny mandritra ny enimbolana taorian'ny nizarany lahatsary mandrisika herisetra. Nanana mpanjohy 14 tapitrisa ny kaontiny ary nampiasaina matetika hizarana fanambaràna sy dosien'ny governemanta.

Nandritra ny kabary ampahibemaso tamin'ny 9 Janoary 2023, nolavin'i Hun Sen ny filazan'ny mpanohitra fa nisoloky ny antokon'ny fitondrana tamin'ny fifidianana isam-paritra tamin'ny taona 2022. Nampiany ihany koa fa afaka misafidy ny “rafitra ara-pitsarana” sy ny “tsora-kazo” ny mpanohitra satria nandrahona ny handefa “jiolahimboto hidaroka” ireo izay manaparitaka ny fiampangana fisolokiana izy.

Efa ho efapolo taona izao i Hun Sen no teo amin'ny fitondrana ary vonona ny handimby azy ny zanany lahy taorian'ny nanakanana [mg] ny antoko mpanohitra lehibe tsy hifaninana amin'ny fifidianana tamin'ny 23 jolay noho ny olana ara-teknika momba ny fisoratana anarana. Nisy tatitra namoaka ny fomba nanafihana ireo mpikambana maromaro tao amin'ny fanoherana taorian'ny fandrahonan'i Hun Sen hampiasa herisetra amin'ireo nanao filazana diso momba ny antoko eo amin'ny fitondrana.

Nalefa mivantana tao amin'ny Facebook ny kabary ary maro ireo mpisera no nitatitra izany noho ny fanitsakitsahana ny fenitry ny vondrom-piarahamonin'ny orinasa Meta, izay tompon'ny Facebook, izay nanapa-kevitra ny hamela ilay lahatsary noho ny “maha-vaovao manandanja” azy:

Meta prohibits threats of violence on our platforms in order to prevent potential offline harm. However, a newsworthiness allowance may be granted when the content has high public interest value, particularly when it may warn of future government action and outweighs the risk of harm.

Raràn'ny Meta ny fandrahonana hanao herisetra eto amin'ny sehatray mba hisorohana ny loza mety hitranga ivelanjotra. Na izany aza, omena ny famelana ny vaovao manandanja rehefa tena mahaliana daholobe ny votoaty, indrindra rehefa mety hampitandrina ny hetsiky ny governemanta rahatrizay ary mihoatra noho ny loza mety hitranga.

Saingy nakarina ilay raharaha hojeren'ny Filankevitra Mpanaramaso, sampana manara-maso mahaleotena vatsian'ny Meta. Nambara tamin'ny 29 Jona ny fanapahan-keviny hanova ny hetsika nataon'i Meta teo aloha sy handrisika ny fampiatoana ny kaonty Facebook sy Instagram an'i Hun Sen.

The Oversight Board has overturned Meta’s decision to leave up a video on Facebook in which Cambodian Prime Minister Hun Sen threatens his political opponents with violence. Given the severity of the violation, Hun Sen’s history of committing human rights violations and intimidating political opponents, as well as his strategic use of social media to amplify such threats, the Board calls on Meta to immediately suspend Hun Sen’s Facebook page and Instagram account for six months.

Navadiky ny Filankevitra Mpanaramaso ny fanapahan-kevitry ny Meta hamela lahatsary iray ao amin'ny Facebook ahitana ny Praiminisitra Kambodziana Hun Sen mandrahona hanao herisetra amin'ireo mpanohitra azy ara-politika. Noho ny hahenjan'ny fanitsakitsahana, ny tantaran'i Hun Sen nanitsakitsaka ny zon'olombelona sy mampitahotra ny mpanohitra ara-politika, ary ny fampiasana ara-stratejika ny media sosialy hanamafisana ny fandrahonana toy izany, dia miantso ny Meta ny Filankevitra mba hampiato avy hatrany mandritra ny enimbolana ny pejy Facebook sy Instagram an'i Hun Sen.

Nanazava ny fahadisoana tamin'ny fanapahan-kevitry ny Meta teo aloha ity:

The Board finds that Meta was wrong to apply a newsworthiness allowance in this case, as the harm caused by allowing the content on the platform outweighs the post’s public interest value.

Hitan'ny Filankevitra fa diso ny Meta tamin'ny fampiharana ny famelàna ny vaovao manandanja amin'ity tranga ity, satria efa mihoatra noho ny tombontsoam-bahoaka ny fahavoazana ateraky ny famelana ilay votoaty ao amin'ny sehatra.

Nanentana ny Meta ihany koa izany hijery ny politikany manoloana ireo olo-malaza, indrindra fa ireo manimba ny zo amin'ny fahalalahana maneho hevitra:

The Board urges Meta to clarify that its policy on restricting the accounts of public figures is not limited solely to single incidents of violence and civil unrest, but also applies to contexts in which citizens are under continuing threat of retaliatory violence from their governments.

Mandrisika ny Meta ny Filankevitra hanazava fa ny politikany amin'ny famerana ny kaontin'olo-malaza dia tsy voafetra amin'ny trangan-javatra tokana misy herisetra sy korontana sivily, fa mihatra ihany koa amin'ny toe-javatra ahitan'ny olom-pirenena fandrahonana hatrany amin'ny herisetra valifaty avy amin'ny governemantany.

Hun Sen Facebook page

Screenshot ny pejin'i Hun Sen ao amin'ny Facebook voafafa. Loharano: Lahatsary YouTube an'i RFA Khmer

Nilaza i Hun Sen, tsy nanonona akory ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra, fa efa namorona kaonty tao amin'ny Telegram sy Tiktok izy. Nandritra ny lanonana ankalamanjana iray, nandrahona ny handrara ny Facebook ao Kambodza mihitsy aza izy.

Nampitandrina ireo vondrom-bahiny mpanohitra ny PM Hun Sen raha mbola miedinedina sy sahisahy, handidy ny fanakatonana ny Facebook ao Kambodza izy

Taorian'ny kabary dia nohazavainy avy hatrany fa tsy handrara ny sehatra media sosialy malaza izy. “Tsy adala aho hanakatona ny Facebook rehefa nampiasa izany mba hifandraisana sy hahazoana ity vaovao ity ny olona ,” hoy izy tao anaty fanambaràna an-tsary.

Tamin'ny taona 2022, nisy mpisera Facebook maherin'ny 11 tapitrisa amin'ny mponina 16,5 tapitrisa ao Kambodza. Ny famafana ny kaontin'i Hun Sen dia hisy fiantraikany amin'ny fidirana amin'ny firaketana an-tsoratry ny governemanta sasany sy dôsie manan-danja hafa satria nampiasa tamim-pahavitrihana ny sehatra nandritra ny taona maro ny Praiminisitra hifaneraserana amin'ireo mpifidy azy sy hampahafantarana ny vahoaka ny politikam-panjakana.

Ny famafana ny pejy Facebook-ny Hun Sen dia midika fa manodidina ny 7 taona eo ho eo ny firaketana an-tsoratra, antontan-taratasy ary tantara ara-politika voafafa. Raha mamafa ny pejiny Facebook avokoa ny ministera rehetra dia ho very ny dôsie azon'ny besinimaro idirana, ary kely ny vintana hahazoana azy ireo amin'ny loharano hafa.

Mbola azo idirana ny Facebook ao amin'ny firenena saingy nanambara ny minisiteran'ny Paositra sy ny fifandraisandavitra fa hampitsahatra ny fifanarahana sy ny fiaraha-miasa amin'ny orinasa iny.

The Ministry hereby orders Facebook representatives to leave Cambodia and cease all forms of their activities, including the company’s representation, contact with the Royal government and partnership in private sector and so on.

The Ministry found irregularities related to Facebook, including the existence of fake accounts, the risk of losing private data, the use and collection of personal information, the spread of fake news, the lack of accountability and transparency, and interferences into the country’s internal politics.

Mandidy ny solontenan'ny Facebook handao an'i Kambodza ny Minisitera ary hampitsahatra ny asany rehetra ataon'izy ireo, anisan'izany ny fisoloantenan'ny orinasa, ny fifandraisana amin'ny governemantam-panjaka sy ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra tsy miankina sy ny sisa.

Hitan’ny Minisitera ny tsy fanarahan-dalàna mifandraika amin’ny Facebook, anisan’izany ny fisian’ny kaonty faikany, ny mety ho fahaverezan'ny lahatahiry manokana, ny fampiasana sy fanangonana ny torohain'ny tena manokana, ny fielezan'ny vaovao tsy marina, ny tsy fisian’ny tamberin’andraikitra sy ny mangarahara, ary ny fitsabahana amin’ny politika anatiny eto amin’ny firenena.

Fampiasan'ny governemanta Hun Sen matetika ny fiampangana ny “fifandraisan-tendro amin'ny vahiny” mba hihazonana ireo mpitsikera, hanintsanana ireo antoko mpanohitra, ary hanafoanan-kery ny tatitra manasongadina ny fanafoanana [mg] ny fahalalahana sivily ao amin'ny firenena.

Nomarihan'ny mpanao gazety Kevin Doyle ny mahatsikaiky fa ny Filankevitra Mpanaramaso ao amin'ny Meta no afa-nitady endrika tamberin'andraikitra avy amin'i Hun Sen:

Mampihomehy ihany: Iray amin'ireo fotoana vitsivitsy (na hatramin'izay?) ny praiminisitra Kambodziana niatrika voka-dratsin'ny fandrahonana hanao herisetra amin'ny mpanohitra ara-politika avy amin'ny filankevitra mpanaramaso ny FB – fa tsy ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Eoropeana, na ireo fikambanana/firenena iraisampirenena maro izay nanome fanampiana amina miliara ho an'ny governemantany am-polony taona mahery.

Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra Mpanaramaso ny Vaomieran'ny Mpitsara Iraisampirenena rehefa mety hametraka fiandohana amin'ny tranga mitovy amin'izany.

This decision sends a clear message that political leaders do not enjoy higher protections for any incitement to violence by virtue of their status alone, as the same rules must apply to all users.

Mandefa hafatra mazava ity fanapahan-kevitra ity fa tsy misitraka fiarovana ambony kokoa ireo mpitarika politika amin'izay mety ho fandrisihana hanao herisetra noho ny satany fotsiny, satria tsy maintsy fitsipika mitovy no mihatra amin'ny mpisera rehetra.

Nandritra izany fotoana izany, nanentana ny Facebook ny mpandinika Kambodziana iray mba hijery ireo ranty Facebook an'ny mpitarika mpanohitra iray natao sesitany noho ny votoaty “mahery setra” sy “manavakava-bolonkoditra”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.