Mitohy ny fanoherana ao Iran, mamaly bontana ny fitondrana

 

Saripikan'i Sima Ghaffarzadeh via Pexels free images. Fampiasana ara-drariny

Sivy volana mahery izay no nohozongozonin'ny hetsi-panoherana fantatra ankehitriny amin'ny hoe Revolisionan'ny Fahalalahana, Vehivavy, Fiainana i Iran. Na dia nihena aza ny hetsi-panoherana tao anatin'ny enim-bolana farany, mbola mihitsoka  ao anatin'ny tolona ara-politika ho amin'ny hoavin'i Iran ireo Iraniana ao amin'ny firenena sy ampielezana.

Na dia hita ho antomotry ny faharavàny aza, mamelively ireo mpikatroka sy mpisintaka ao anatiny sy ivelan'ny firenena ny fitondrana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, miezaka mafy hiantoka ny fahavelomany.

Manamafy ny fanenjehana ireo mpisintaka Iran

Nanomboka famoretana vaovao tamin'ny Kiorda ao Iran ny fitondrana ao Tehran, izay voalaza fa mikendry ny mpikambana ao amin'ny Free Life Party of Kurdistan (PJAK) ao amin'ny faritanin'i Kurdistan any Andrefan'i Iran. Nitranga taorian'ny fanazarantena ara-tafika nataon'ny fitondrana Iraniana tao amin'ny faritra ireo fanafihana ireo, araka ny tatitry ny tambajotra Kurdistan Mpiaro ny Zon'Olombelona. Maro no mihevitra ireo fanazaran-tena ireo ho fanehoana hery sy fampitahorana.

Ny faritra Kiorda ao Iran no ivon'ny hetsi-panoherana izay niteraka fihetsiketsehana manerana ny firenena tamin'ny mihintsan-dravina lasa teo. Mbola mitana ny ivom-besatra amin'ny hetsi-panoherana izy io, amin'ireo vondrona Kiorda maro mazoto mikarakara fanoherana ny fitondrana hatramin'ny nananganana ny Repoblika Islamika.

Niara-nipongatra tamin'ny famoretana anaty famonjana ny firongatry ny famoretana mitam-piadiana, fa tsy sasatra ny fitondrana mampiasa ny famonoana ny voafonja hidarohana ny fanoherana. Nasehon'ny tatitra tamin'ny Avrily fa nitombo 75 isanjato ny fampiharana didim-pamonoana olona ao Iran. Nanombatombana ny Amnesty International fa efa nanajedaka olona avo telo heny noho ny taona teo aloha Iran tamin'ity 2023 ity.

Nandritra ny folo taona farany, mitari-dalana manerana izao tontolo izao ny fitondrana ao Iran amin'ny fanajedahana olona oharina amin'ny isan'ny mponina. Maro no nahatsikaritra fa ampiasain'ny fitondrana ny famonoana olona, atao ampahibemaso indraindray, ho tetika niniana hampielezana fampihorohoroana sy hanamafisany ny fahefany.

Tsy mahagaga raha ireo foko vitsy an'isa toa ny Kiorda, Baloch ary Arabo no lasibatra voalohany amin'ireny fampiharana didim-pamonoana [mg] ataon'ny fitondrana ireny. Ara-tantara niharan'ny famoretana mitohitohy, niatrika herisetra sy famoretana tsy tapaka ireo vondrona vitsy an'isa ireo, ka nahatonga azy ireo ho marefo amin'ny hetsika toy izany.

Tamin'ny volana marsa tamin'ity taona ity, nanasongadina fironana mampanahy indrindra ny Amnesty International, ary nilaza fa:

“…authorities have executed at least one Ahwazi Arab, 14 Kurds and 13 Baluchis following grossly unfair trials, and sentenced at least a dozen others to death since the start of the year, marking a chilling escalation in the use of the death penalty as a tool of repression against ethnic minorities.”

“…Namono Ahwazi Arabo iray, Kiorda 14 ary Baluchis 13 fara fahakeliny ny manam-pahefana taorian'ny fitsarana tsy ara-drariny, ary nanasazy ho faty olona am-polony farafahakeliny hatramin'ny fiandohan'ny taona, nanamarika ny fisongan'ny fanamelohana ho faty ho fitaovana famoretana ireo foko vitsy an’isa.”

Melohin'i Roya Boroumand, Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Abdorrahman Boroumand Center, fikambanana Iraniana malaza mpiaro ny zon'olombelona, ny fihetsiky ny fitondrana:

“Hetsiky [ny manampahefana Iraniana] mitambatambatra ho famelezana ny zo hiaina sy ny fikasana tsy misy henatra tsy vitan'ny hoe hampahory bebe kokoa ny foko vitsy an'isa, fa hampielezana ny tahotra fa hotsenain'ny angovo tsimifaditrovana izay tsy fitovian-kevitra rehetra, na eny an-dalambe na any am-pamonjana”

Fiovam-pifandraisana eo amin’ Iran sy ny Tandrefana

Tsy voafetra ho ao Iran ihany ny tetika famoretana ampiasain'ny fitondrana. Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy, niitatra hatrany Eoropa ihany koa ny ambaindain’ Iran. Nofoanan'ny manampahefana ao Frantsa vao faramparany teo ny hetsi-panoherana nokarakarain‘ny Filankevi-Pirenen'ny Fifaharana ao Iran (NCRI), fikambanana Iraniana mpanohitra. Lazain'ny manampahefana ny ahiahy fa mety ho lasa lasibatry ny fampihorohoroana sy ny herisetra omanin'ny fitondrana Iraniana ny fihetsiketsehana.

Nitranga izao fanafoanana izao roa taona taorian'ny tetika fametrahana baomba nataon'ny masoivoho Iraniana tany Frantsa tamin'ny hetsika mitovitovy amin'izao. Nifanandrify ihany koa tamin'ny antso naharitra ny 90 minitra nifanaovan'ny filoha frantsay Emanuel Macron tamin'ny filoha Iraniana Ebrahim Raisi tamin'ny 10 Jona izao tranga izao, sy taloha kelin'ny bemidina nataon'ny polisy tao Albania tao amin'ny toby iray tao an-toerana nampiantrano ireo Iraniana mpanohitra.

Niteraka fifandonana teo amin’ireo mpikambana tao amin’ilay toby sy ny manam-pahefana teo an-toerana ilay bemidina tany Albania, ka olona iray no namoy ny ainy, ary am-polony no naratra. Taorian'ny bemidina dia voalaza fa nalefa any amin'ny manampahefana Iraniana ireo fitaovana informatika nalaina tao amin'ny toby, izay mety hamoaka torohay saro-pady momba ny tambajotran'ny mpanohitra ao amin'ny firenena.

Nahombiazana ny NCRI nametraka fitoriana ara-pitsaràna manohitra ny fanafoanan'ireo manam-pahefana frantsay ny fihetsiketsehana nokasaina, ka nitarika ny fanafoanan'ny fitsaran'i Paris ny fandraràna andro vitsivitsy talohan'ny andro hanaovana ny fihetsiketsehana. Ny fanapahan-kevitry ny manampahefana frantsay anefa dia miresaka ahiahy ankapobe mety hihatra amin'ireo Iraniana misintaka an-tsesitany.

Mitranga izao toe-javatra izao rehefa mandeha indray ankehitriny ny fifampiresahana eo amin'ny fitondrana Iraniana sy ny Tandrefana, manoloana ny fiovan'endriky ny fifandraisana izay andinihan'ny firenena tandrefana indray ny fijoroany manoloana ireo vondrona an-tsesitany manohitra ny fitondrana Iraniana, voataonan'ny fifanarahana ara-politika sy ny fanerena avy amin'ny governemanta Iraniana. 

Tamin'ny volana Mey, nanao fifanakalozana gadra Iran, namotsotra Belza mpiasa mpanao fanampiana ho takalon'ny olona iray voarohirohy tamin'ny fikasana hametraka baomba hamelezana ny NCRI. Fanampin'izany, notondroin'ny tatitra fa nanao “fifampiresahana miafina” tamin'ny fitantanan'i Biden momba ny fandaharan'asany nokleary ny fitondrana. Nahaela velona ny fitondrana haharitra am-polony taona maro io fomba fiady stratejika mamoritra ny ao amin'ny firenena sady mitady marimaritra iraisana eo amin'ny resaka fampihorohoroana sy fifampiraharahana any ivelany io.

Voatsonga i Abdul Reza Farajirad, masoivohon'Iran teo aloha tany Norvezy sy Hongria tamin'ny filazana fa anisan'ny fanapahan-kevitra ankapobe nataon'ny fahefana eoropeana hanao marimaritra iraisana amin'Iran ilay fanafoanana, anisan'izany ny famoretana ireo fikambanana mpanohitra monina any ivelany:

Europe does not want to fall behind if the US and Iran finalize a pact. So, they want to prepare the scene for collaborations for when Iran and the US reach an agreement.

Tsy te ho tavela i Eoropa raha manatanteraka fifanarahana i Etazonia sy Iran. Ka izany no hanoman-dry zareo ny sehatra fiaraha-miasa raha mahavita fifanarahana i Etazonia sy Iran.

Vao sivy volana lasa izay, toa saika tsy azo veroka izany fifampiresahana mivantana teo amin'ireo mpitondra eran-tany sy ny fitondrana Iraniana izany, satria tsy ampy ny maha-ara-dalàna ny fitondrana ary heverina ho mankany amin'ny tsy fahombiazana.

Na izany aza, hitan'ny sasany ankehitriny fa tsy vitan'ny hoe manome fahatsapana ho ara-dalàna ny fitondrana ireny fifampiresahana ireny fa fomba iray ihany koa mba hanamaivanana ny feon'ireo Iraniana mpanohitra. Indrisy anefa, ny fifampiraharahana ara-pihariana mahazatra eo amin'ny Tandrefana sy Tehran dia matetika midika fa lasa am-paladia ny zon'olombelona sy ny ady ho amin'ny fanovana demaokratika ao Iran, raha tsy voapotsitra tanteraka tsy hanana (anjara) fitantarana.

Efa navoitran'ireo mpitsikera taloha fa manome tombontsoa mihoa-pampana ho an’ny mpitondra faratampony ao Iran izaymety ho lalam-panampiana ara-toekarena, ka azo atao ho porofo fa ny fanesorana ny sazy rehetra vokatry ny fifanarahana nokleary dia mety hanalava tsy nahy ny fiainan'ny fitondrana.

Na dia eo aza ireo zava-mitranga mbola tsy mikatona ireo, dia miziriziry hanomana ny Iraniana na ao anatin'ny firenena na any ivelany, atosiky ny finoana fa andro sisa no isaina hamoahan'ny fanapihana manaraka ny onjam-pihetsiketseham-panoherana manaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.