Misongadina ho sehatra farany ao Kambodza “noana vaovao” ny Kamnotra

Kamnotra website

Mitana ny ampahany betsaka amin'ny vohikala ny fandraketana ady tany manerana ny firenena. Loharanom-baovao: ranty Twitter an'i Kamnotra

Nisy vohikala vaovao natsangan'ny Cambodian Center for Media Independent (CCIM na Foibe Kambodziana ho amin'ny Fampitam-baovao Mahaleotena) ao anatin'ny fanakatonana an-katerena ireo fampahalalam-baovao tsy miankina sy ny fandravana ireo habaka sivily ao Kambodza.

Manangona vaovao mifandraika amin'ny governemanta sy mamintina izany ho an'ny mpamaky eo an-toerana sy iraisam-pirenena ny Kamnotra, “ho an'ny firaketana” amin'ny teny Kambodziana. Manazava ry zareo hoe:

[We] record data on critical issues that have affected the country in order to put them in context for both domestic and international audiences. The databases will serve as a repository for data and analysis that will hopefully guide the first draft of Cambodian history.

Mandrakitra tahirin-kevitra momba ireo raharaha manan-danja izay misy fiantraikany eo amin'ny firenena [izahay] mba hametrahana azy ireo ao anaty hodidin'ny mpihaino anatiny sy iraisampirenena. Ampiasaina ny tobin-drakitra ho fitahirizana tahirin-kevitra sy famakafakana izay antenaina hitarika ny drafitra voalohany amin'ny tantara Kambodziana.

Tamin'ny antsafa-mailaka nifanaovana tamin'ity mpanoratra ity, soritsoritan'ny talen'ny fampitam-baovao CCIM Ith Sotheouth ny Kamnotra ho “sehatra manan-danja sy ilaina ao anatin'ny tontolo mosarena vaovao.”

Cambodia is lacking when it comes to official transparency, including data availability. The few government decisions made public are images, not text, or else scattered across Facebook; court documents are largely unavailable; information about local areas or marginalized groups are even more obscured. Much critical information in the country requires investigations or field visits to get. With the loss of independent media outlets, the public has lost access to critical information.

In a precarious media landscape where false narratives and propaganda are projected as fact and news, access to clear and accurate information is paramount. CCIM’s goal is to provide the Cambodian people with the information they need to make informed decisions.

Tsy manana i Kambodza raha resaka mangarahara ofisialy, anisan'izany ny fahavononan'ny rakitra (angona hovakin'ny besinimaro). Sary, fa tsy lahatsoratra, na miparitaka manerana ny Facebook ny fanapahan-kevitry ny governemanta vitsivitsy navoaka ampahibemaso; tsy hita amin'ny ankapobeny ny antontan-taratasim-pitsarana; vao mainka manjavozavo ny vaovao momba ny faritra na vondron'olona atao anjorom-bala. Mila fanadihadiana na fitsidihana eny an-kianja ny torohay manan-danja maro ao amin'ny firenena. Amin'ny famoizana fampahalalam-baovao tsy miankina, tsy afa-miditra amin'ny torohay kitro ifaharana ny besinimaro.

Ao anatin'ny tontolon'ny fampitam-baovao amoron-tevana ametrahana ho zava-misy sy vaovao ny fitantarana diso sy propagandy, am-bovonana izany fahazoana vaovao mazava sy marina izany. Tanjon'ny CCIM ny hanome ny vaovao ilain'ny vahoaka Kambodziana handraisany fanapahan-kevitra voadinika.

Anisan'ireo tranonkalan'ny fampitam-baovao tsy miankina nesorin'ny governemanta ny fahazoan-dàlana tamin'ny volana febroary lasa teo ny VOD, tetikasan'ny CCIM iray hafa, noho ny tatitra mitsikera avoakan-dry zareo. Iray volana taty aoriana, nikatona ihany koa ny sehatra an-jotra telo hafa amin'ny teny Khmer.

Ny fanakatonana ny fampitam-baovao tsy miankina dia miara-dalana amin'ny famoretana ireo herin'ny mpanohitra amin'ny hanaovan'ny governemanta Hun Sen ho lasibatra ireo mpisinta-kevitra (tsy mitovy hevitra) mialoha ny fifidianana ankapobeny amin'ity volana Jolay ity. Teo amin'ny fitondrana nandritra ny 38 taona ny praiminisitra Hun Sen, ary manafika ny mpanohitra sy ny fampitam-baovao hanamafisany ny fifehezany ny fahefana sy ampiroboroboana ny fisandratan'ny zanany lahy Hun Manet ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana.

Ao anatin'izany toe-javatra izany, fisantarana andraikitra manan-danja amin'ny fahazoan'ny vahoaka Kambodziana ny zony hahazo vaovao ny fivoahan'ny vohikala toa an'i Kamnotra.

Nohazavain'Ith Sotheouth ireo songadina lehibe amin'ny vohikala Kamnotra. Nanoratra tamin'ny mailaka izy:

Despite the fact that government documents have been released tremendously in the digital age, those documents are scattered or in formats which cannot be accessed easily. Kamnotra compile those data in simple and user-friendly formats making it easy for Cambodian people to access. The team has been patiently and tirelessly digitizing and indexing those documents, especially the Royal Gazette, documents released by the Council of Ministers collating important government decisions. Importantly, they have also laboriously synthesized these dense documents and provided a snapshot of what they mean to users in an easy-to-use database. The site also touches on land conflicts, including the long standing and new ones. The use of an interactive map gives the database more functionality and is highly effective at illustrating the scale of the issue. One look at the land disputes map and you are aware of the scale of the problem.

Na dia eo mamoaka tahirinkevitra amin'ny fomba goavana dia goavana aza governemanta ao anatin'izao vanim-potoana nomerika izao, dia miparitaka na amin'ny endrika sarotra idirana mora ireo antontan-taratasy ireo. Manambatambatra ireo angona ireo ho amin'ny endrika tsotra sy mora ampiasaina ny Kamnotra mba hahamora ny fidiran'ny Kambodziana aminy. Nanam-paharetana sy tsy nitandro hasasarana ny ekipa ni-scan na niankihy ireo antontan-taratasy ireo sy hameta-tondro aminy, indrindra fa ny Royal Gazette, antontan-taratasy navoakan'ny Filankevitry ny Minisitra nanangonana ireo fanapahan-kevitra lehibe avy amin'ny governemanta. Ny tena zava-dehibe dia niasa mafy ihany koa izy ireo nandrafitra ireo antontan-taratasy matevina ireo ary nanome topimaso amin'izay tiany lazaina mba ho mora ampiasain'ireo mpisera ny tobin-drakitra. Kasihan'ny vohikala koa ny ady tany, anisan'izany ny efa ela nifandrirarirana sy ny vaovao. Ny fampiasana sarintany ifarimbonana no ahafahana mampiasa mora kokoa ny angon-drakitra ary mahomby indrindra amin'ny fanehoana ny haben'ny olana. Jereo ny sarintanin'ny ady tany dia fantatrao ny halehiben'ny olana.

Ampahany lehibe iray hafa ao amin'ny vohikala ny fandraketan'antontan-taratasin'ny vondrona momba ny ady tany. Voalaza fa voasaringotra tamin'ny ady tany 120 farafahakeliny teo anelanelan'ny taona 2019-2023 ny olom-pirenena Kambodziana, indrindra tamin'ireo tranga famindran'ny tompon'andraiki-panjakana tany ho an'ny orinasa, kinamanamana, na manampahefana ao amin'ny governemanta sy ny fianakaviany.

Land conflicts are probably the most common issue faced by Cambodian, with many rural residents lacking official land titling to hold on to their land, which is often either taken by the government or privatized to companies operating here. It is an issue that is longstanding and with vast troves of data and information. When we were operating VOD, we would often face an issue with keeping track of these disputes or getting reliable background information on a conflict. So it made sense to use this existing knowledge base around land conflicts to document them, map out the disputes and clearly present information about the hundreds of land conflicts across Cambodia.

Ady tany angamba no olana mahazatra indrindra atrehin'ny Kambodziana, ka maro amin'ireo mponina any ambanivohitra no tsy manana titra ara-panjakana hihazonana ny taniny, izay matetika na alain'ny fanjakana na omena ny orinasa tsy miankina miasa eto. Olana efa hatry ny ela izy io ary misy angona sy vaovao marobe. Rehefa namelona ny VOD izahay dia matetika no miatrika olana amin'ny fanjohiana ireo fifandirana ireo na ny fahazoana vaovao azo antoka momba ny ady iray. Noho izany dia nisy dikany ny nampiasa io fototra fahalalana efa misy manodidina ny ady tany io mba handraketana azy ireny, hanoritsoritana ny fifandirana ary hampiseho mazava tsara ny momba ireo ady tany an-jatony manerana an'i Kambodza.

Nizara ny sasany amin'ireo fanamby natrehan'ny CCIM tamin'ny famolavolana ny tetikasa izy:

After the closure of VOD, some staff left the organization to get states job offered by the government and other reasons. The process of starting a database is laborious, especially if you are trying to compile information from the past, translate them into English and make sure both websites, that is in English and Khmer, are a mirror of each other. It takes our staff a long time to read through these dense documents, understand what they mean, translate them and input them into the database. So while a small team has done quick work to get this website up, it has been very hard work and required some additional training to match people's skill sets to the work. We have to think of ways to make it unique or different other existing platforms.

Taorian'ny fikatonan'ny VOD, nisy mpiasa sasany nandao ny fikambanana mba hahazo asa atolotry ny governemanta sy ny antony hafa. Mbola asa goavana ny dingana fanombohana angon-drakitra, indrindra raha miezaka manangona vaovao avy amin'ny lasa ianao, mandika azy ireo amin'ny teny anglisy ary manao izay hahazoana antoka fa fitaratry ny tranonkala amin'ny teny anglisy ny tranonkala amin'ny teny Khmer, sy ny mifamadika amin'izany. Mitaky fotoana ela ho an'ny ekipanay ny hamakiana ireo antontan-taratasy matevina ireo, hahatakatra ny dikan'izy ireo, handika azy ireo ary hampiditra azy ao amin'ny tobintahiry. Noho izany, raha nanao asa haingana ny ekipa kely mba hananganana ity vohikala ity, dia tena asa mafy izany ary nitaky fiofanana fanampiny mba hampifanaraka ny fahaizan'ny olona amin'ny asa. Tsy maintsy mieritreritra ny fomba hahatonga azy io ho tsimanampaharoa na hafa amin'ny sehatra hafa efa misy isika.

Vao iray volana monja taorian'ny fandefasana dia noraran'ny manampahefana Kambodziana i Kamnotra. Tamin'ny taratasy iray tamin'ny 12 Jolay, nanome baiko ireo mpanome tolotra aterineto ao an-toerana hanakana ny Cambodia Daily, ny Radio Free Asia (izay vatsian'ny governemantan'i Etazonia vola) ny Mpandrindra ny Fifandraisandavitra ao Kambodza, ary Kamnotra noho ny fampielezana “torohay miteraka safotofoto sy hanimba ny haja sy ny lazan'ny governemanta.”

Salama! Henonay avy amin'ny sasany aminareo fa tsy afaka miditra amin'ny tranokalan'ny Kamnotra EN & KH ianareo amin'ny fampiasana mpanome tolotra finday sy aterineto sasany. Eo am-pikarohana ny olana izahay sy mitady lalana hahazoanao rakitra sy tsikaritra avy amin'i Kamnotra. Misaotra amin'ny fanohananao hatrany.

Mbola azo idirana amin'ny alalan'ny VPN ihany ny Kamnotra. Na dia eo aza ny fanakanana, izay natao talohan'ny fifidianana tamin'ny 23 Jolay, tohizan'ny Kamnotra ny fitadiavan-dalana ahafahana manatratra ny mpamaky azy ao amin'ny media sosialy sy manome vaovao marim-pototra ho an'ny daholobe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.