Nampihatra lalàna vaovao momba ny fampitam-baovao ny biraon’ny praiminisitra ao Papouasie-Nouvelle-Guinée (PNG) izay tsy ny asan’ny mpanao gazety ihany no mety hiharan’izany fa mety hanimba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ihany koa.
Ny 31 Aogositra ny biraon’ny praiminisitra James Marape, namoaka fampandrenesana ho an'ny daholobe nahafeno pejy iray manontolo tao anaty gazety roa, National sy Papua New Guinea Post-Courier, izay mampahafantatra ny mpanao gazety fa tsy afaka mifandray mivantana amin’ny mpitondra intsony izy ireo, fa tokony handefa mivantana ny fanontaniany any amin’izay ministera mifanaraka amin’izany.
Ity misy sombiny amin’ilay fampandrenesana:
Mampadre ireo rehetra mpikambana ao amin’ny firalahin’ny fampitambaovao, na nasioaly na iraisam-pirenena, ity taratasy ity fa manomboka amin’ny datin’ny namoahana ity fampandrenesana ity ny praiminisitra Hon. James Marape MP dia tsy hanaiky intsony ny fangatahana mivantana avy amin’ireo mpanao gazety.
Tsy sarotiny ary namaly an-karihary ny fanontanian’ny haino aman-jery teto amintsika ny praiminisitra hatramin’ny nandraisany ny asany tamin’ny 2019. Iriantsika ny hitohizan'izany fiarahamiasa izany amin'ny fametrahanareo ny fanontanianareo any amin'ireo ministera voakasik'izany.
Nalefan'ny ekipan'ny haino aman-jery Marape tany amin'ny vondrona WhatsApp an'ireo mpanao gazety ao Papouasie-Nouvelle-Guinée ny lahatsoratr'ilay fanambaràna, narahana antso mba “hiasa ho an'ny firenentsika” sy “hanohana ny Praiministra”. Nanampy ilay tomponandraiki-panjakana nandefa ny hafatra hoe:
Samy ao anatin'ity raharaha ity isika rehetra. Tanindrazantsika ity ary mila anao izahay. Ry haino aman-jery, mandrafitra na manimba ny mpitarika ianareo ary manao sary tsara na ratsy ho an'ny firenenareo sy ny zanatsika. Samy miasa ho an’ny tombontsoan’ny firenentsika isika. Aoka tsy ho diso isika… tohano ny Praiminisitra. Avereno ho antsika rehetra i PNG .
Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia namerina ireo fepetra takiana amin’ny mpanao gazety vahiny mialohan’ny ahafahany miditra ao amin’ny firenena ny Departemantan’ny Praiminisitra sy ny Filankevi-pirenena mpanatanteraka. Tafiditra ao anatin'izany ny fangatahana fahazoan-dàlana avy amin'ireo birao maro toy ny Departemantan'ny Raharaham-bahiny, ny Manampahefana misahana ny Fifindramonina sy ny Fizakàna Zom-pirenena ao PNG, ny Ivontoerana Nasiônalin'ny Sarimihetsika ao PNG ary ny Departemantan'ny Praiminisitra.
Namoaka matoan-dahatsoratra mitsikera ireo fepetra ny Post-Courier:
…toa kidaladala sy manohitra ny fahalalahan'ny fampitam-baovao ao PNG ireo fepetra takiana.
Mametraka fanontaniana tsotra izahay, Fanontaniana tsotra no apetrakay, inona no afenintsika tsy hohadihadian'ny daholobe?
Ireo vahiny namantsika tsy tokony atosi-bohon-tànana noho ny finoana kidaladala hoe mety hahita tsiambaratelo miafina izay mety hampikorontana ny fitondrana ry zareo.
Nanolotra soso-kevitra ihany koa izy fa ny lalàna vaovao momba ny fampitam-baovao dia mety mifandray amin'ny fandavan'ny governemanta hiresaka lohahevitra saropady toy ny kolikoly.
Raha tena matotra tokoa ny governemanta, dia tokony ho avelany ireo minisitera mba hohadihadiana matetika amin'ny haino aman-jery vahiny sy ao PNG isan-kerinandro momba ireo olana mahakasika ny firenena, anisan'izany ny antony mahatonga ny kolikoly mijanona ho olana goavana indrindra amin'ny fampandrosoana ao PNG.
Isika tsy tokony hojerena ho toy ny firenena iray mivadika tampoka manohitra ny loharanom-baovao matanjaka indrindra eran-tany isika – ny asa fanaovan-gazety!
Saingy ny Departemantan'ny praiminisitra sy Ivan Pomaleu, sekreteram-panjakana mpanatanteraka, dia nanazava fa ny famoahana ireo fepetra dia natao fotsiny hanamora ny fikarakarana viza ho an'ireo vahiny mpanao gazety.
Ao amin'ny hafatra nalefany omaly tamin'ny haino aman-jery mahazatra, tsy misy velively milaza fikasana handràra ny haino aman-jery vahiny tsy handeha ho ao PNG.
Manana fampahatsiahivana iray ho an'ireo manam-pahefana izay te-hametra ny asan'ireo vahiny mpanao gazety ny bilaogera iray efa hatry ny ela tao PNG:
There are few foreign journalists in #PNG, maybe 2 or 3. Others visit for short assignments
And Mr Marape should know that journalists will write stories about PNG whether they visit there or not.
— Keith Jackson AM (@PNGAttitude) September 27, 2022
Vitsy ny vahiny mpanao gazety ao #PNG, mety ho 2 na 3. Ny hafa dia mitsidika manefa iraka anaty fotoana fohy.
Ary tokony ho fantatr'Andriamatoa Marape fa hanoratra tantara momba an'i PNG ireo mpanao gazety na mitsidika any izy ireo na tsia.
Keith Jackson AM (@PNGAttitude) 27 Septambra 2022
Nahatsikaritra ilay fepetra vaovao momba ny fampitam-baovao ny Federasiona Iraisam-pirenen'ny Mpanao Gazety ary nanentana ny governemanta hiara-hiasa akaiky amin'ny mpanao gazety sy hampiroborobo ny zon'ny vahoaka hahazo vaovao:
Satria mitohy ny fihenan’ny fahafahan'ny asa fanaovan-gazety manerana an'i Pasifika, dia fivoarn-draharaha mampiasa saina avokoa izay rehetra fameperana atao amin'ny mpanao gazety. Ny IFJ dia mamporisika ny Praiminisitra Marape sy ny governemanta ao Papouasie-Nouvelle-Guinée mba hitandro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy hifampidinika amin'ny haino aman-jery, ary hamela ny mpanao gazety hanana fahafahana miditra malalaka feno sy tsy misy sakantsakana amin'ny raharaham-panjakana.