[Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 23 Martsa 2023]
Ity lahatsoratra ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny EngageMedia, fikambanana iray momba ny media, teknolojia ary kolontsaina tsy natao hitadiavana tombony, ary dika iray nasiam-panovàna no averina avoaka eto ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty miaraka amin'ny Global Voices.
Mialoha ny fifidianana ankapobeny ho avy ao Tailandy, dia nanolo-tena ireo antoko politika ny hankato sy hampiditra ny fiarovana ny zo nomerika ho ao anatin'ny diarin'izy ireo, nandritra ny fandefasana tatitra iray nataon'ny EngageMedia, Asia Centre, sy Sekolin'ny Pôlitikam-Panjakàna ao amin'ny oniversite Chiang Mai, tamin'ny 24 Febroary.
Ny tatitra mitondra ny lohateny hoe “fandaharanasa momba ny zo nomerika, misy teboka 4, ho an'ireo antoko pôlitika,” manasongadina ireo olana lehibe amin'ny zo nomerika izay mendrika fiheverana sy hetsika avy hatrany avy amin'ireo antoko politika mba hiditra amin'ny fampanajàna ny zo nomerika ao Tailandy. Mpisolo tena avy amin'ireo antoko politika telo, mpikambana 22 amin'ny fikambanana fiaramonim-pirenana sy ny tsy miankina amin'ny fanjakana, ary masoivohom-baovao efatra no nanatrika ilay fihaonana.
Prapasiri Suttisom, tomponandraikitry ny tetikasa momba ny zo nomerika ao amin'ny EngageMedia ho an'i Tailandy, dia nanolotra ireo hevi-dehibe tao anatin'ilay tatitra, nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fitandroana ny fahalalahana maneho hevitra, ny fampiroboroboana ny fahazoana vaovao, ny fiarovana ny zo hanana ny fiainana manokana ary ny fiadiana amin'ny fanalam-baraka anaty tambajotra.
Taorian'ny famelabelarana, Ruchapong Chamjirachaikul, tomponandraikitra mpanao adisisika ao amin'ny Internet Law Reform Dialogue (iLaw), dia nanentana fifanakalozan-kevitra an-databatra mba hahafahan'ireo mpandray anjara mifanakalo tamberina sy tolo-kevitra misimisy kokoa miainga avy amin'ilay tatitra.
Valintenin'ireo antoko politika
Taorian'ilay fanolorana ny tatitra dia nanambara ny antoko Pheu Thai (PTP) fa hampiditra ireo tolo-kevitra ho ao anatin'ny fenitra politika mikasika ny zon'olombelona ao amin'ny antoko. Nanaiky ny PTP fa misy ny firehana iray izay ampiasàn'ny governemanta eo amin'ny fitondrana ny lalàna manjavozavo mba hanafoanana ireo fahalalahana fototra ary misy ihany koa ny marimaritra iraisana eo amin'ireo antoko liam-pandrosoana mba hanitsiana ireo lalàna henjana be. Raha naneho hevitra mikasika ny olana amin'ny fahazoana vaovao dia nilaza ny mpisolo tena ny antoko Sarun fa aleon'ny ankamaroan'ny sampan-draharaham-panjakana mifikitra amin'ny sata mifehy ny fikambanany toy izay hiova hanaraka ny lalàna mifehy ny fitantanana elekronika (2022), izay mandidy ny fandraisana ireo dingana nomerika ho ao anatin'ny fenitra politika nomerikan'ny governemanta.
Ho an'ny antoko Move Forward Party (MFP) dia nekeny ny votoatiny sy ireo tolokevitra fototra tao anatin'ny tatitra, ary nampiany fa nataon'ny antoko ho laharam-pahamehana hatrany ny fiarovana ny zon'olombelona. Araka ny voalazan'i Woraphop Viriyaroj, solontenan'ny antoko, ny MFP dia mino fa an'ny vahoaka ny fahefana ary tsy afaka miasa ny fitantanana demokratika raha toa ka tsy ho azo antoka ny fandraisana andraikitra sy, rehefa itarina, ny fahalalahana maneho hevitra. Tamin'ny fanehoana hevitra mikasika ny olana amin'ny zo hanana fiainana manokana dia nohelohin'i Woraphop Viriyaroj mafy ny fampiasana ny volan'ireo mpandoa hetra hividianana fitaovana fanaraha-maso tohanan'ny Fanjakana izay mikendry an'ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mpitsikera mahery vaika ny governemanta.
Nandritra izany fotoana izany, nilaza ny Thai Sang Thai Party (TSTP) fa marina sady mampiaty ireo tolokevitra tao anatin'ny tatitra, ary mifanaraka tsara amin'ny fanolorana nataon'ny CSOs ao anatin'ny fenitry ny Universal Periodic Review voalohany ao Tailandy. Nambaran'i Thidarat Yingcharoen, solontenan'ny antoko, fa miandany amin'ny hetsika demokratika eo an-toerana ny TSTP ary mihevitra ny zo nomerika ho toy ny zo fototra. Momba ny fahalalahana maneho hevitra indray dia nilaza i Thidarat fa na tsy mbola niadiana hevitra tao anatin'ny antoko aza ny momba ny mety hitakiana hanitsiana ny andininy faha 112 sy faha 116 ao amin'ny fehezandalàna famaizana ao amin'ny firenena, dia eken'ny TSTP ny foto-kevitra hoe tsy tokony ampiasaina hanenjehana ny fahalalahana maneho hevitra ilay lalàna.
[Ny lalàna manohitra ny faniratsirana mpanjaka no tondroina amin'izany.]
Mba hiarovana ny zo nomerika, nifanaiky ireo antoko telo fa ilaina ny fampifandanjana tsara ny fanarahamason'ny governemanta sy ny hetsik”ireo mpandraharaha Big Tech mba hanomezana fahalalahana bebe kokoa an'ireo mpampiasa media sôsialy, fa tsy hamerana ny fahafahan'izy ireo miditra amin'ny votoaty an-tserasera.
Anisan'ny nametraka ny ahiahiny mikasika ny zo hahazo vaovao ihany koa ny mpanao gazety Prachatai Sorawuth. Niantso ny hisian'ny rafitra parlemantera izy mba hanamorana ny famadihana ho nomerika ireo angon-drakitra avy amin'ny governemanta mba ho mora azon'ny daholobe kokoa ireny vaovao manan-danja ireny. Niantso ihany koa izy an'ireo orinasa Big Tech toy ny Google, izay mandà tsy hanome ireo angon-drakitra momba ny fivezivezena ho an'ireo mpiaro ny zon'olombelona ho entin-dry zareo amin'ny raharaham-pitsaràny anoherana ireo fampielezankevitra fanalam-baraka tohanan'ny Fanjakana.
Tsy azo ialàna ny fomba fiasa itambaram-bondrona
Nandritra ilay fihaonambe, noantitranterin'ireo mpandray anjara ny filàna fiarahamiasa sy fampidirana mpandray anjara marobe mba hiantohana ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny zon'olombelona sy nomerika. Poomjit Sirawongprasert, filohan'ny Thai Hosting Service Providers Club, dia nanolo-kevitra hisian'ny fiarahamiasa eo amin'ireo antoko politika ao Tailandy mba handrafetana lasitra iray misy mpandray anjara maro izay hanamora ny fitantanana nomerika sy ny aterineto. Nasongadiny ny ohatra amin'ny lasitra fitantanana miavaka an'ny Internet Corporation for Assigned Names and Numbers (ICANN), izay mampiditra ny fanarahamaso tsinjaraina, ny fandraisana fanapahan-kevitra miainga avy any ambany, ny fampiatiana ary ny fandraisana anjara, miaraka amin'ny fanamafisana manokana ny fandraisana anjaran'ny vondrom-piarahamonina mirazotra amin'ny an'ireo fikambanana matanjaka.
Thanisara Ruangdej, Taje Jeneralin'ny WeVis, fikambanana teknolojia sivika, dia nangataka fanazavana tamin'ireo solontenan'ny antoko mikasika ny fepetra nakana ny hevitry ny fiarahamonim-pirenena nandritra ny famolavolana sy ny fandrindrana ny politika. Nomarihiny fa na nisy aza ireo lalan-tsarotra tamin'ny fampidirana ny politika momba ny zon'olombelona ho ao anaty fampielezankevitra ho an'ny fifidianana, ireo olana sy pôltika ireo dia tokony ho dinihina ampahibemaso mandritra ny fotoana mialoha ny fifidianana.
Ny fihaonana dia niafara tamin'ny adihevitra sy famelabelarana fohy nataon'ny WeVis ny fihaonana momba ny asan'izy ireo amin'ny firoboroboana ny mangarahara sy ny fanentanana ny daholobe amin'ireo olana amin'ny fifidianana, amin'ny alalan'ny “Promise Tracker,” arahan'ny fampidiran'ny iLaw ny hetsika Vote62, izay mikendry ny hanangona ireo voka-pifidianana ho ampahany amin'ny rafitra fanarahamaso ny fifidianana.
Mety hisy fiantraikany amin'ny fanovàna miabo sy hampandroso ny fisokafana, amin'ny fandraisana andraikitra sy ny maha olom-pirenena mirotsaka an-tsehatra, ny fifandraisana misy eo amin'ny teknolojia sivika sy fampizakàn-tena ny olom-pirenena. Amin'ny alàlan'ny fiarahamiasa amin'ny governemanta, ireo mpiaro ny zo nomerika sy ireo mpandray anjara hafa, dia afaka ampiasaina ny teknolojia hanohanana fiaraha-monina ara-drariny kokoa sy tsy mitanila, ka ao dia hajaina ny zo nomerika ary ny tsirairay dia samy manana fahafahana hirotsaka an-tsehatra eno amin'ny fiainana sivika.
Ny 14 May 2023 no nokasaina hatao ny fifidianana ankapobeny tao Tailandy.