Mahita tombony avy amin'ny nofy ratsy ao Myanmar ve ny Telegram?

Telegram

Sary an'i Dimitri Karastelev/Unsplash. Fampiasàna maimaimpoana miaraka amin'ny lisansa Unsplash.

Mampiasa ny sehatra Fandefasana hafatra Telegram ireo mpomba ny tafika ao Myanmar mba handrahonana ny sivily, nanomboka tamin'ilay Fanonganam-panjakana ara-miaramila tamin'ny Febroary 2021. Taorian'ny nisakanan'ny Meta (fantatra teo aloha tamin'ny anarana hoe Facebook), ny tafik'i Myanmar sy ireo toeram-pivarotany anaty tambajotra tao amin'ny sehatra fifandraisany, dia nahita hevitra hafa mba hanohizana ny asany ireo mpanao propagandy mpomba  ny tafika. Noararaotin'izy ireo ny faharefoan'ny politika fankatoavana votoaty ao amin'ny Telegram mba hanaparitahana sarim-behivavy tsy nifanarahana sy sary ampifandraisina amin'ny resaka firaisana ara-nofo, ny ‘doxing‘ (fanaratsiana fiainana) atao an'ireo tsy mitovy hevitra ary ny fandranitana herisetra amin'ny mpanohitra.

Na dia nosakanana tao amin'ny Telegram aza ny sasantsasany tamin'ireo fantsom-pifandraisan'ireo mpomba ny tafika, dia mbola mitohy hatrany ny tsy fandraisana fepetra ataon'ilay orinasa  hanoherana ireoy kaonty an-jatony misy olana mifandraika amin'ny fanaparitahana vaovao tsy marina. Toa efa hatrany amin'ny Ôktôbra 2022 aza ny sasany amin'ireo kaonty mpomba ny tafika no nisoratra anarana tamin'ny sarany raikitra amin'ny Telegram Premium..

Manodidina ny 4 Dolara isam-bolana eo ho eo ny saran'ny fisoratana anarana amin'ny Telegram Premium, saingy miankina amin'ny faritra onenan'ny mpampiasa ankehitriny ny sarany. Hahafahan'ny mpanjifa mampiasa hatramina kaonty efatra miainga avy amina fitaovam-pifandraisana iray ihany ny Telegram Premium, raha toa ka telo ihany no afaka ampiasaina ho amin'izany ho an'ny maimaim-poana. 1 024 ihany no isan'ny teny betsaka indrindra mikasika ny famaritana sary sy lahatsary ho an'ireo mpampiasa maimaimpoana, raha hatramin'ny 2 048 kosa izany ho an'ny kaonty Premium. Ny famantarana Premium, toy ny faritra manga, kintana sy ireo kisary manokana hafa eo akaikin'ny solonanaran'ireo mpampiasa dia famantarana an'ireo mpampiasa hoe mpanjifa Telegram Premium izy. Anisany ao anatin'ny tombontsoa azo amin'ny fampiasana Telegram Premium ny fahakelezan'ireo fameperana vontoaty, ny  fitahirizana bebe kokoa, ny hafainganam-pandehan'ny fampiakarana haingana kokoa, ireo ‘autocollants’ tsy manam-paharoa sy ireo ‘emojis’ mihetsika.

Afaka manampy ireo kaonty Telegram mpomba ny tafika ao Myanmar  ireo zavatra afaka ampiasaina ao amin'ny Telegram Premium, izay mampiasa ilay sehatra ho toy ny fitaovam-piadiana famoretana nomerika.

Ireo kaonty mandoa vola ampiasain'ireo mpomba ny tafika ao Myanmar dia voarohirohy betsaka amin'ny fikarohana sy fanangonana vaovao manokana momba ireo olom-pirenena mpandala ny demokrasia, amin'ny fanapariahana votoaty manevateva sy fandefasana fampielezan-kevitra ‘doxing’ (manala baràka) mamely ireo izay manohitra an-dry zareo. Namoaka fanambarana an-gazety ny Biraon'ny Kaomisaria Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona (OHCHR) nilazàny fa ireo kaonty mpomba ny ‘junta’ dia nanararaotra ny fomba fijery baranahin'ny Telegram eo amin'ny lafiny fandrindrana  votoaty sy ny fahabangàna amin'ny fepetran'ny tolotro arosony.

Ny pikantsary etsy ambany dia kaonty Telegram roa nahazo alalana hijanona ao amin'ilay fampiharana, na dia tena tafiditra be amin'ny fanentanana ‘doxing’ aza izy ireo. Ireo kaonty  dia voatanisa ihany koa ao anatin'ny tatitry ny Global Voices teo aloha mikasika ny firongatry ny fitondrana jadona nomerika ao Myanmar.

Telegram accounts by pro-junta supporters

Ny pikantsary etsy ambany (ankavia), nalaina tamin'ny 30 Desambra 2022, dia mampiseho ilay kaonty tafiditra ao anatin'ny fandrisihana herisetra ampiasaina ho toy ny toerana hifandraisana, raha toa ny pikantsary amin'ny ankavanana kosa mampiseho fa nividy Telegram Premium iray ilay kaonty, araka  amin'izay tondroin'ny kintana manga na fanamarihana manga. 

Amin'ny alalan'ny fanomezana fampahafantarana manokana sy sary, ny lahatsoratra dia mampifandray an'ireo te-hamaly faty ny tafiky ny mpanohitra. Manome torolalana ihany koa izy io mikasika ny fomba fitakiana valisoa amin'ny fizaràna vaovao.

Dikanteny fohy : Ireo  vondrona mpanohana ny fampihorohoroana sy ireo haino aman-jery dia miantso fitokonana am-pahanginana sy fitokonana mively vilany amin'ny 1 Febroary. N'iza n'iza mizara an'ity hetsika ity dia hofonjaina. Azafady alefaso mangingina ny mombamomba azy ireo, amin'ireto kaonty manaraka ireto. (Pikantsary nalaina tamin'ny 17 Martsa 2023) Kaonty misy maripamantarana premium mandray ny mombamomba manokana an'ireo olona ary manala baraka azy ireny.

Ohatra amin'izany, tamin'ny 2 Febroary 2022 ny fantsona Telegram Justice Seeker Group-JSG, malaza ratsy noho ireo votoaty mandrisika herisetra, dia nandefa antso ho amin'ny famonoana. Noho ny antony tsy fantatra, tsy azo nidirana ankehitriny ilay ranty tany am-boalohany sy ny kaonty @JSG20221. Ireo fantsona sy ireo mpampiasa mpomba ny tafika dia manana fahazarana mamafa ny hafany ary manova ny rohy mba hialàna amin'ny teritery. Na taorian'ny tatitra faobe aza, vitsy no nofafan'ny Telegram ny fantsona Telegram an'ireo mpomba ny tafika ary tsy nofaritran-dry zareo mazava ny zotran'ny fandraràna an'ireo fantsona Telegram manimba ao Myanmar. Misy ireo fantsona manahirana mitombo manodidina ny tsenan'ny Telegram ao Myanmar, fa tena tsy noraharahian'ilay orinasa loatra ireo olana.  

Tamin'ny faran'ny volana Janoary 2023, ireo fantsona mpomba ny tafika dia nizara fandrahonana ho an'ireo sivily manohitra ny Fanonganam-panjakana ary nitaky vaovao mikasika ireo mpampiasa haino aman-jery sosialy nizara ireo hafatra fitokonana am-pahanginana. Hetsi-panoherana ny fitokonana am-pahanginana, izay nijanonan'ireo olom-pirenena mpandala demokrasia ao Myanmar tany an-tranony, mba hanehoana fa tsy manaiky ny Fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila izy ireo.

Tao anaty hafatra, notanisain'izy ireo ny kaonty Telegram efatra izay manangona vaovao mikasika ny mpanao fihetsiketsehana. Ireo kaonty efatra ireo dia ny Han Nyein Oo, Kyaw Swar, Bo Kyaw, sy DS — samy manana maripamantarana premium avokoa eo akaikin'ny anarany. Hatramin'ny 17 Martsa 2023, ireo mpampiasa ny Telegram mpomba ny tafika ao Myanmar izay nifandray tamin'ilay fantsona voarara nanitsakitsaka ny fepetran'ny tolotry ny Telegram dia nividy famandrihana valo tamin'ny kaonty premium, ka ny enina tamin'ireo dia mbola miasa miasa hatrany. Sorohan'ny Telegram mihitsy ny fiatrehana ny toe-draharaha misy ankehitriny mikasika ireo fanentanana manitsakitsaka ny zon'olombelona any amin'ireo fantsona Telegram ao Myanmar, amin'ny alalan'ny famelàna azy ireo hisy eo amin'ny sehatr'izy ireo amin'ny maha-mpamandrika premium azy ireo.

Nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakana, olona mitontaly 21 632 no nosamborina ary 3 447 no maty, araka ny famintinana nomen'ny fikambanana manohana ireo gadra pôlitika –  tamin'ny 28 aprily 2023. Ny Governemantan'ny Firaisam-pirenena (NUG), governemanta iray miaina an-tsesitany nijoro tamin'ny 16 aprily 2021, dia miady mafy mba hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena ho governemanta ara-dalàna ao Myanmar. Mitombo manerana ny firenena ny Ady anaty akata ifanaovan'ny hery junta birmana sy ireo vondrona mitam-piadiana. Mikasa ny hanomana an'ireo fifidianana ihany koa ny junta mba hampanarahan-dalàna ny fitondràny, raha toa ka noravàny ilay antoko politika lehibe nitondra teo aloha, ny National League for Democracy (NLD).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.