Navoakan‘ny SMEX voalohany tamin'ny 26 Mey 2023 ity lahatsoratra nosoratan'i Sarah Culper ity. Misy endrika nohafohezina avoaka eto, araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.
Mitaky ny ampiasana IA (na HVO Haranitantsaina Voatr'Olombelona) ny governemanta sy ny sehatra tsy miankina any Azia Andrefana sy Afrika Avaratra (WANA) mba hanamafisana ny toekareny sy hamoahana mivantana anjotra ny servisiny. Miovaova isaky ny any amin'ny firenena tsirairay ny lasitrasa fampiasana HVO, saingy amin'ny ankapobeny, tsy manana fitsipika na fandrisihana malefaka tsy mamatotra ny ankamaroan'ny firenena.
Saika ny firenena miteny Arabo rehetra ao WANA no namorona tetipanorona HVO tsy mihevitra loatra ny fitsipika. Mifanohitra amin'izany, ny ankamaroan'ny tetipanorona no mampivohitra ny ahiahy fanavaozana fanaraha-maso. Fandresen-dahatra mahazatra amin'ny fitsipiky ny HVO eran'izao tontolo izao izany, ary nitarika fampiasàna angon-drakitra mampidi-doza sy manimba olontsotra.
Amin'ny ankapobeny, mbola ao anatin'ny dingana savaranonando amin'ny fampiasana HVO ny ankamaroan'ny firenena ao amin'ny faritra ary manantena handrisika ny fampiasana azy hanaingana ny toekarena.
Ifantohana fatratra izy io ao amin'ny faritry ny helodrano, indrindra amin'ny sehatry ny fandraharahana fa tsy amin'ny seha-panjakana loatra, na dia maro aza ny governemanta mikendry ny hametraka ny HVO amin'ny ankamaroan'ny sehatra rehetra. Ny antony lehibe ao ambadiky ny fampiasam-bola amin'ny HVO dia ny hanamaroana sehatrasa hialan'ny toekarena amin'ny fiankinana amin'ny solika. Ny UAE no mpitarika eo amin'ny fanapariahana ny HVO, ao anatin'izany ny fampiasan'ny seha-panjakana azy.
Amin'ny ankapobeny, ny fampiasana ny HVO eo amin'ny seha-panjakana no mampiahiahy indrindra izany, satria matetika ny seha-panjakana no miatrika vahoaka tena marefo sy manolotra servisy ilaina.
Ao amin'ny fototry ny HVO ny lahatahiry (angon-drakitra), ary mitovy amin'ny olana fahita amin'ny teknolojia hafa, olana goavana ny fampiasana angon-drakitra sy ny fahabangan'ny fiarovana ny fiainana an-takonana. Sarotra ny manombana ny fiarovana ny fiainana an-takonana ataon'ireo programa ireo satria araka ny sata fisian'ny tompon'ireny programa ireny dia midika fa sarotra ny fomba ampiasana ny angon-drakitra.
Manampy izany, sarotra kokoa ny mamaritra ny tamberin'andraikitra amin'ny HVO (IA). Mila ambara mazava tsara ao amin'ny lasitrasa novolavolain'ny firenena tsirairay amin'ny fametraham-pitsipiky ny HVO ny fifatoran'andraikitra, izay matetika tsy voatonona.
Ny ahiahy amin'ny fampivelarana ny HVO sy ny fiarovana angon-drakitra ao 4A (MENA)
Tsy misy firenena ao amin'ny faritra namolavola lasitrasa HVO azo antoka sy tsara aro, ary izay hetsika rehetra mankany amin'izany dia mampanankina hatrany ny filan'ny developera (mpandrafitra kajimirindra) hanavao tsy misy fameperana.
Na dia manana lalàna fiarovana angon-drakitra aza ireo firenena ireo, ny olana dia raha mangataka ny angon-drakitra ny fanjakana, dia lasa mora kokoa ny manivaka ny fitsipiky ny fiarovana angon-drakitra satria matetika izy ireo no manana fepetra ahafahan'ny governemanta miditra amin'ny angona toy izany. Raha toa ilaina amin'ny fifanarahana na raharaham-barotra ny angon-drakitra, dia azo kirakiraina, ohatra.
Mampanahy ny fiaraha-miasa izay nataon'i Arabia Saodita sy Emirà Arabo Mitambatra (EAM) amin'ireo fikambanana Shinoa isan-karazany, satria tsy fantatra mazava raha misy ny fifampizaràna angon-drakitra ary mampiseho hetsika mankany amin'ny fampandrosoana ny teknolojia hanaraha-maso fatratra ny mponina.
Mampiasa HVO (IA) amin'ny sehatra maro izay mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny fahalalahan'ny olona ny EAM. Tena mampanahy indrindra ny fampiasana fitsipika sy fakantsary mamantatra mialoha. Mety ho azo ampiasaina ity teknolojia ity hamelezana ny LGBTQ+ sy ireo mpikatroka, toy ny vondrom-piarahamonina enjehina ao amin'ny faritra ohatra. Mety hitarika ho amin'ny fanavakavahana sy voka-dratsy ny fampiasan'ny governemanta ny rafitra HVO rehefa ianteheran'ny mpampihatra lalàna hanangonana horirantava, hikendrena, na haminavinana fanitsakitsahan-dalàna ho avy.
Tarafina ho ny fikarakarana fahasalamana no tena ifantohan'ny fampiharana HVO ao amin'ity faritra ity. Amin'izao fotoana izao, any amin'ny hopitaly farafaharatsiny, ampiasaina matetika amin'ny fanafainganana ny dingana sy ny fanombanana (ohatra amin'ny scan MRI) ny HVO, mihoatra noho ny fianteherana amin'ny fitaovana mampiasa tena izay tsy arahan'ny manam-pahaizana manokana maso.
Miaraka amin'ny fikarakarana fahasalamana, tena ifantohana ny fiarovana ny angon-drakitra sy izay afa-miditra mijery izany. Afaka mijery ny angon-drakitra mihoatra ny filàna fitiliana ve ny governemanta raha avy any amin'ny hopitalim-panjakana?
Ahiahy iray goavana ny hoe raha mivoatra ny teknolojia ary manomboka manome soso-kevitra amin'ny dokotera, dia mety hitarika ho amin'ny fanarahan-dalàna sy fanetsehan-tena mivilana izany, izay mety hisy fiantraikany lehibe amin'ny fahasalamam-bahoaka. Tsy maintsy avoaka ny taha miabo-diso/miiba-diso, ary tsy maintsy ampiofanina ny dokotera hamantapantatra ny teknolojia amin'ny farany ambany indrindra.
Andalam-pivoarana ao amin'ny firenen'ny Helodrano maro Ny tanàna smart, ary miteraka olana maro ny fivoaran'izy ireo. Voalohany, ahiana indrindra ho voajirika ireo tanàna smart ary mahatonga ny faritra ho tsy azo ampiasaina, noho izany lalana iray hampitomboana ny firotsahana ny mamaritra ireo fepetram-piarovana an'habaka sy ny hatsaran'ny fiarovana azy ireo.
Raha fehezin'ny rindrambaiko ny tanàna iray manontolo, ilaina tena mafy orina sy maharaka andro ary araha-maso fatratra io rindrambaiko io. Mety ho lasa olana lehibe kokoa noho izay aterany amin'izao fotoana ny fijirihana lahatahiry raha toa ka tafasisika ao anatin'ny rindrambaiko iray ny fiainan'ny olona iray manontolo.
Manampy izany, mitaky fanaraha-maso angon-drakitra mavitrika ireo teknolojia maro natolotra “hanara-driandrano” (hivantana anjotra) sy “hitsinjo izay rehetra ilainao”, midika izany fa ho eo ambany fanaraha-maso tafahoatra ny mponina tsirairay.
Amin'ny ankapobeny, saika hamela ho amin'ny fanaraha-maso bebe kokoa ny tsirairay ny fampiasana ireo teknôlôjia ireo, ary noho izany tena mampatahotra any amin'ireo fitondrana tsirefesimandidy.
Miteraka fanarahamaso kapitalista ny fampiasana HVO eo amin'ny sehatra tsy miankina, izay anakalozana ny fiainana antakonana amin'ny “kiantranoantrano”, fa raha ny tena marina, matetika azo vinavinaina ny fitondran-tenan'ny olona sy voataonan'ny hery ivelany ary ovain'ny hery ivelany, ka mahatonga azy ho mora ampoizin'ny HVO.
Ao amin'ny sehatra tsy miankina, mampihena ny isan'ny olona hokaramaina ny fampiasana taxi tsy misy mpamily sy fivarotana tsy misy olona ary fivarotana enta-madinika (tsy misy ifandraisana ary tsy misy fanamarinam-bola). Manampy izany, mitaky fampihatra hiasa sy feno fitaovana fanaraha-maso ireo karazana fivarotana ireo. Raha ireo no lasa mahazatra, dia tsy hanan-tsafidy afa-tsy ny hiditra amin'ireo fepetra ireo ny olona.
Sarotra ny hiditra HVO any amin'ny faritra tsirairay noho ny fahafahana hiantso tsiambaratelom-barotra sy ny fahabangan'ny lasitrasam-pifantohan'ny governemanta amin'ny HVO. Fa na dia ny fahabangan'ny lasitrasan-tamberin'andraikitra kely fotsiny aza dia mahatonga ny fahazoa-miditra torohay ho sarotra kokoa ao amin'ny faritra WANA. Na dia nanao fanambaràna mikendry ny HVO mitandrohasina sy mitamberin'andraikitra aza ny firenena tsirairay, dia tsy misy lalàna mivaingana hanatanterahana izany.