Ny farany havanana vaovao ao amin'ny media sosialy Tiorka sy ireo teny mamely ny mpitsoa-ponenana

Sary natolotr'i Giovana Fleck

Ity lahatsoratra ity dia nosoratana ho ampahany amin'ny fiarahamiasan'ny Advox amin'ny Small Media Foundation mba hitondrana anao ny hetsika UPROAR, fitambarana andrana manasongadina ireo fanamby amin'ny zo nomerika any amin'ireo firenena mandalo dingan'ny adina isaky ny vanim-potoana maneran-tany an'ny Firenena Mikambana.

Misy ny firohotana fitenenana mamely mpitsoa-ponenana miely ao amin'ny media sosialy Tiorka. Manomboka amin'ny fanambarana fanavakavaham-bolon-koditra nataon'ireo mpitarika antoko politika avy amin'ny farany havanana ka hatramin'ny kaonty milaza ho “sampam-baovao” manaparitaka vaovao tsy marina ho fampirisihana herisetra, tsy manome fiainana ho azo antoka kokoa ho an'ireo mpitsoa-ponenana maherin'ny 4 tapitrisa ao anaty sisintany Tiorka ny media sosialy. Nisy ireo teboka maromaro fihoampampan'ny lahateny; Nanome toerana azo antoka ho an'ny Tiorka farany havanana tahaka ireo mpiray (firehana) aminy iraisampirenena ny nakan'i Elon Musk ny Twitter, ary nahitana mpitsoa-ponenana lasibatry ny fampielezan-kevitra politika ny fifidianana Tiorka tamin'ny volana Mey 2023. Na izany aza, na inona na inona fisondrotan'ireo lahateny ireo, manana tantara lava kokoa ity fironana amin'ny firongatry ny kabarim-pankahalana mikendry ireo mpitsoa-ponenana ao amin'ny media sosialy Tiorka ity.

Mety hifototra amin'ny tarehimarika ny fanazavana; rehefa mitombo ny isan'ny mpitsoa-ponenana, dia mitombo koa ny fihetseham-po tsy tia ny mpitsoa-ponenana. Tsy dia misy anefa ny manohana io fitantarana io. Misy ny fanohanana ara-tsiansa bebe kokoa amin'ny tranga mifanohitra tanteraka amin'izany: ny fifandraisana ara-tsosialy amin'ny mpifindra monina dia miteraka fandeferana sy fihetseham-po tsara kokoa fa tsy mampitombo fankahalana. Na dia tsy misy angon-drakitra mivantana toy izany aza ao amin'ny ohatra manokana ao Torkia, nanana isanjaton'ny vato ambony noho ny salan'isa nasionaly tao amin'ny iray monja amin'ireo faritany dimy voalohany be mpitsoa-ponenana indrindra ny Zafer Partisi, antoko politika farany havanana izay mampanantena fa handroaka ny mpitsoa-ponenana rehetra ao Tiorkia, ary ao amin'ny roa amin'ireo 10 voalohany, araka ny angon-drakitra avy amin'ny foibem-pitantanana ny fifindra-monina ao amin'ny ministeran'ny Atitany.

Betsaka ny antontan-taratasy manaporofo fa misy fiantraikany amin'ny fihetsika manoloana ny fifindra-monina ny fiparitahan'ny fitantarana manohana na manohitra ny mpifindra monina ao amin'ny media. Matanjaka ny porofo fa miteraka fankahalana sy fanavakavahana an'ireo mpifindramonina ny fiparitahan'ny fijery ratsy amin'ny fampahalalam-baovao. Mbola karohina ny andraikitry ny sehatra media sosialy amin'ity fitantarana ity. Mampiseho ny fikarohana efa misy fa mora mandray loatra ny fitantarana novokarin'ny madia nentim-paharazana ny media sosialy, ka tsy manitatra ny fiheverana fa marina ihany koa ny mifanohitra amin'izany. Manery anay izany hirotsaka fa tena mampidi-doza mihitsy ny hiringiriny tsy tia mpitsoa-ponenana ao amin'ny media sosialy Tiorka ho trangan-javatra mahaleo tena. Mazava ho azy fa misy fiantraikany amin'ny fampahalalam-baovao ny tontolo ara-politika ao amin'ny firenena tahaka ny fiantraikan'izany amin'ny zava-drehetra ao Tiorkia. Ny media sosialy mihitsy no kasinga (na, raha ny marina kokoa, angona kasinga) amin'ity fiovana ity, fa tsy mpandray fotsiny.

Tambajotran'ny fankahalana

Sintonin'ireo mpaninton'olona, mpanao mivantana hita maso an-jotra (streamers) ary ireo olo-malaza amin'ny media sosialy mitovy amin'izany ireo andiana tovolahy diso fanantenana ahanao ho lasibatra ireo mpitsoa-ponenana. Iray amin'izany olo-malaza izany ilay streamer Twitch, Ahmet Sonuç, fantatra amin'ny anarana hoe “Jahrein”. Manararaotra amin'ny fampiasana ny lazany eo amin'ny zatovolahy amin'ny maha-streamer an-dalao azy, matetika lasibany sady esoriny ny maha-olona ny mpitsoa-ponenana. Ataon'i Sonuç lasibatra ihany koa ireo fikambanana ao an-toerana tsy manana fijery manavakava-bolonkoditra ireo Tiorka mpitsoa-ponenana, lasibatra hatrany ireo antoko politika mankasitraka ny politikan'ny fampiatina ary milaza fa mendrika sotasotaina ireo fikambanana feminista mandà ny hamaritra ireo olan'ny sotasota ara-nofo amin'ny voambolana rasista. Nosakanan'ny fitantanan'ny Twitter talohan'ny Musk noho ny fitondrantena feno fankahalana ny kaonty Twitter an'i Sonuç tamin'ny Oktobra 2022, saingy naverina tamin'ny laoniny izany taorian'ny nahazoan'i Musk azy.

Ohatra iray hafa tahaka izany ny mpamorona votoaty YouTube tsy fantatra anarana farany havanana antsoina hoe “Erlik.” Fantatra amin'ny fanosehana ny tantaram-pikatrohana mitam-basy hafa sy ny teorian'ny tsikombakomba, mampiasa ny kaonty Twitter-ny i Erlik amin'ny filazana fa loza eo amin'ny isan'ny mponina ireo mpitsoa-ponenana ary derainy ny politika mamely mpitsoa-ponenana avy amin'ny governemanta elatra havanana toa an'i UK, izay nantsoin'ny Filankevitra Eoropeana momba ny Mpitsoa-ponenana sy ny Sesitany (ECRE) ho fampiroboroboana ny politika izay niteraka herisetra farany havanana. Fantatra amin'ny lahatsary YouTube miantso ireo vehivavy feminista miady amin'ny fasista fanararaotana ara-nofo ihany koa i Erlik , ary mikendry ireo mpisera media sosialy elatra havia sy prô-Kiorda, milaza fa mifamatotra amin'ny fikambanana mpampihorohoro izy ireo.

Avy amin'ireo kaonty Twitter tsy fantatra anarana ny fihetseham-po ratsy indrindra. Nahazo hery tamin'ny nahazoany mari-pamantarana manga, izay azo mora azo amin'izao fotoana izao tsy misy fitsirihana sy fanarahamaso, mahazatra ireny kaonty ireo ny mampihevitra ho tsy olombelona ireo mpitsoa-ponenana sady miampanga bebe kokoa ny mponinampifindra any Torkia amin'izay olana rehetra mitranga, anisan'izany ny fanaparitahana areti-mifindra ary, amin'ny fanaovana izany,  mamelona indray ny fitantarana “mpifindra monina maloto”.

Iray amin'ireo kaonty mpihantsy malaza i Ajans Muhbir (mpanome vaovao ho an'ny media). Mikambana amin'ilay mpanao politika farany havanana Ümit Özdağ, mpitarika ny antoko politika elatra havanana hiringiriny vao naorina Zafer Partisi izy. Nakaton'ny Twitter noho ny fanitsakitsahana ny fitsipiky ny Twitter tamin'ny vanim-potoana talohan'i Musk ny kaontin'i Ajans Muhbir teo aloha, tamin'ny tantara lava be amin'ny fizarana votoaty diso sy lany andro izay mikendry ireo mpifindra monina. Saingy tsy nanakana ny kaonty tsy hamelona ny fitantarana tsy tia mpifindramonina izany, izay mbola tohizany amin'ny anarana vaovao tsy mahazo sazy. Misy ihany koa ny kaonty tsy lazaina ho tsy mitonona anarana matetika mirotsaka amin'ny fanapariahana fankahalana. Iray amin'ireo kaonty malaza ireo ny an'i Ümit Özdağ, izay nampiasa azy io ho sehatra hampisy tahotra amin'ny alàlan'ny lahatsary milaza fa ho lasa vitsy an'isa ao Torkia ny vahoaka Tiorka rahatrizay. Tsy nisalasala ihany koa izy tamin'ny fizarana ireo teorian'ny firaisana tsikombakomba manavakava-bolon-koditra izay manome tsiny ny Kiorda vitsy an'isa ao Tiorkia noho ny onjan'ny fifindra-monina faobe. Nahasarika mpanavakava-bolon-koditra mpiteny Tiorka marobe sy mpanao ronono an-tavya farany havanana amin'ny sehatra rehetra ao amin'ny media sosialy ny fitantarana feno fankahalana tsy voafehy nataon'i Özdağ.

Nampiasa ny kaontiny ihany koa i Özdağ mba hiderana mpanao trafikana olona noho ny nitondrany mpitsoa-ponenana nivoaka ny sisintanin'ny firenena ary nikendry ireo dokotera mpifindra monina tamin'ny famoahana ny mombamomba azy ireo tao amin'ny Twitter. Ireo fitantarana ireo dia tokony hoheverina ho heloka bevava araka ny lalàna Tiorka.

Nampiely hatrany ny hevitra hoe hihoatra ny isan'ny Tiorka ireo Syriana mpitsoa-ponenana ary hangeja ny foko Tiorka zandriny ny mpanao politika, amin'ny endrika voadika sy voafangitry ny teôrian'ny “Fanoloana Lehibe” —  teorian'ny tsikombakomba antisemitika fanaon'ny farany havanana izay nipoitra tany Frantsa tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20 ary niitatra tsikelikely tany amin'ny tontolo tandrefana tamin'ny taona 1930. Somary adino izany mandra-pipoitra indray tamin'ny taonjato faha-21 tamin'ny alàlan'ny firongatry ny farany havanana.

Amin'ny fampiarahana ny “vokatry ny tsipìka manga” ao amin'ny Twitter vaovaon'i Musk izay mampitombo ny kabary farany havanana manerana an'izao tontolo izao sy ny fanomezan-drariny vaovao hita tamin'ny fifidianana Tiorka nataon'ny ampahany roa amin'ny vondrona farany havanana izay ekena ho ao amin'ny antokon'ny fitondrana Fitsarana sy ny Fampandrosoana ary ny firaisan'ny mpanohitra; sarotra ny maka sary an-tsaina ity tafio-drivotra media sosialy ity izay hihena atsy ho atsy.

Iray amin'ireo toerana malaza indrindra maneran-tany fitanjozoran'ny mpitsoa-ponenana i Torkia, manana toekarena somary midadasika ary ahitana mponina marobe izay tena mavitrika ao amin'ny media sosialy. Ireo toetra rehetra ireo no mahatonga azy ho laboratoaram-pifaningoran'ny farany havanana, ny media sosialy ary ny mpitsoa-ponenana. Tokony hojeren'izay rehetra miezaka hahatakatra sy hamantatra ny fifandraisana vaovao miforona eo amin'ny farany havanana vaovao sy ny mediam-baovao manerantany akaiky ny tontolon'ny media sosialy ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.