· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Oktobra, 2012

Venezoelà: Mitombo Enintaona Amboniny Indray Ny Vanim-potoana Chávez

  09 Oktobra 2012

Taorian'ireo fifidianana notoherina fatratra sy henjana indrindra tato anatin'ny folo taona farany, hanampy enina taona amboniny indray ho an'ny fitantanan'Atoa Hugo Chávez Frías i Venezoelà. Faran'izay nifatrapatratra ny fifamezivezem-baovao tany anaty tambajotra sosialy, indrindra fa ny Twitter, indrindra moa fa tamin'ny fotoana nialoha ny fanambaràna tamin'ny fomba ofisialy ny vokatra

Fitakian'ny Kolombiana Tsy Misy Vono-olona Anatin'ny 24 Ora

  08 Oktobra 2012

Vaovao farany (4 Oktobra 2012): Nitatitra i Carlos Eduardo Valdés Moreno, talen'ny Ivom-pahasalamana Misahana ny Fandidiam-Paty sy ny Siansan'ny Diam-bono ao Bogota fa 28 ny isan'ny vono-olona nitranga tao Kolombia tamin'ny 2 Oktobra 2012: “matetika  tafakatra hatramin'ny 79 ny isan'ny namoy ny ainy noho ny vono-olona mahatsiravina ao amin'ny firenena [Kolombia]. Tratrantsika...

Venezoela: Sary Nandritra ny Androm-pifidianana

  08 Oktobra 2012

Mitaintaina ny tambajotra sosialy tany Venezoela tamin'ny alahady. Ahitana fijoroana vavolombelona, honohono, vazivazy sy toro-hevitra ny sehatra tahaka ny Twitter, Facebook ary Flickr mizara ny sary izay manome endrika ny hamaroan'ny mpifidy ny filohan'ny Repoblika ho avy. Araka ireo fanehoan-kevitra sasany, nisokatra sasakalin'ny Asabotsy ho an'ny mpikambana ny biraom-pifidianana sasany...

Venezoela: Vahoaka Be No Nanatrika Ny Faradobok'i Capriles Tao Caracas

  07 Oktobra 2012

Tamin'ny Alahady 30 Septambra lasa teo, tonga marobe tao amin'ny araben'i Caracas ny mpanohana an'i Henrique Capriles nandritra ny fampielezan-kevitra faradoboka. Mpifanandrina amin'ny filoha ankehitriny Hugo Chàvez i Henrique Capriles amin'ny fifidianana filoham-pirenena androany 7 Oktobra. Daniel Duquenal nanoratra tao amin'ny bilaoginy Venezuela News and Views: Araka ny efa nalefako tamin'ny sioka, izay nisy nizara...

Kiobà: Noafahana Ry Yoani Sánchez Rehefa Notazonina 30 Ora

GV Mpisolovava  07 Oktobra 2012

Noafahana ny zoma 5 oktobra tamin'ny sivy orana alina ora EST rehetra notazonin'ny polisy tao Havana, Kiobà vonijmaika, taorian'ny nitazonana azy tany amin'ny tanàna iray any atsinanana antsoina hoe Bayamo ny omalin'io ny bilaogera kiobàna fanta-daza Yoani Sánchez sy ny bilaogera isany Agustín Díaz sy Reinaldo Escobar (vadin'i Sánchez). Taoriana...

Pero: Mampidi-doza Ny Rano Any Iquitos Ny Voly Tokana

  06 Oktobra 2012

Amin'ity lahatsoratra fahatelo sady farany momba ny olana mikasika ny rano any amin'ny tanànan'i Iquitos ity dia afantokay amin'ny voly tokana any amin'ny reniranon'i Nanay sy ny fifanoherana amin'ireo izay manohana ity karazam-boly ity sy ireo tsy mankasitraka izany.

Kiobà: Nosamborina Ny Bilaogera Yoani Sánchez

GV Mpisolovava  06 Oktobra 2012

Nosamborina omaly alina tany amin'ny farintany atsinanan'i Bayamo, izay nizorany hanatrehany sy hitaterany ny fitsarana an'i Angel Carromero, teratany Espaniola voampanga ho namono olona tsinahy noho ny lozam-pifamoivoizana nahafaty ilay mpiaro ny demokrasia malaza Oswaldo Payá sy ilay mpikatroka Harold Cepero, ilay Kiobàna bilaogera efa nahazo loka sady mpiaro ny zon'olombelona Yoani...

Fiarahan'ny Besinimaro Mametraka An-tSarintany Ao Venezoelà

  06 Oktobra 2012

Tsy maintsy hoe ho betsaka ihany ny olona no hisioka, hilaza vaovao farany amin'ny Facebook ary hamoaka lahatsoratra momba ny fifidianana filoham-pirenena any Venezoelà amin'ity faran'ny herinandro ity -ary maro ny hampiasa ny fitaovam-pampitam-baovao sosialy hitaterany iza fihetsika tsy mety na herisetra hitany. Misy Fandraisana an-tanana atao-na olom-pirenena vitsy hametraka...