Tamin'ny Alahady 30 Septambra lasa teo, tonga marobe tao amin'ny araben'i Caracas ny mpanohana an'i Henrique Capriles nandritra ny fampielezan-kevitra faradoboka. Mpifanandrina amin'ny filoha ankehitriny Hugo Chàvez i Henrique Capriles amin'ny fifidianana filoham-pirenena androany 7 Oktobra.
Daniel Duquenal nanoratra tao amin'ny bilaoginy Venezuela News and Views:
Araka ny efa nalefako tamin'ny sioka, izay nisy nizara imbetsaka (retweet) indraindray, sahiko ny milaza amin'ireo tsy manaiky ny fijeriko fa mbola tsy nisy fampielezan-kevitra midadasika toy izao teo amin'ny tantaram-pifidianana teto Amerika. Mbola tsy vonona tsara aho hiresaka “raharaha politika” hatramin'ny fifangaroan'ny revolisiona afaka mitatitra vahoaka marobe anaty sambo hidina eny an-dalambe. Mampanantena anao zavatra iray aho, tamin'ny zava-niainako efa lasa teto Venezoela, androany, nahatafavory olona iray tapitrisa FARAFAHAKELINY i Capriles ary ny atsasaky ny vahoaka no ao amin'araben'i Caracas. […] Nandritra ny ora maro, nivezivezy ny olona, na mandehandeha eny amin'ny làlan-tsamihafa. Hipoka olona ny araben'i Libertador, Solano, Miranda, San Martin, sy ny sisa hafa. Nandritra ny ora maro.
Sary marobe nandritra ny famoriam-bahoaka no nozarain'ny Venezoeliana tao amin'ny Youtube. NoticiaTube nandrakitra ity lahatsary manaraka tao amin'ny araben'i Bolívar ity:
http://www.youtube.com/watch?v=8Qo3Wx5Ings
Nizara lahatsary tao amin'izany araben'i Caracas izany ihany koa i Fashionauta:
http://www.youtube.com/watch?v=xS8Iqdu03vo
Nandritra ny fotoana, David Hernández nandrakitra lahatsary tamin'ny fahatongavan'i Henrique Capriles:
http://www.youtube.com/watch?v=fHCttd8okOM
Taminà lahatsary somary lavalava, hoy i Luis Carlos Díaz nanazava:
El acto de campaña se realizó en la avenida Bolívar, donde se encontraron 5 marchas que partieron desde distintos puntos de la ciudad. Estuvimos en la olla. Chávez cerrará allí también el 4 de octubre.
Notontosaina tao amin'ny araben'i Bolivar ny fampielezan-kevitra, diabe 5 samihafa izay niainga tamin'ny toerana isan-karazany no niara-tonga tao an-tanàna (Caracas). Tafahoana eto afovoany avokoa izahay rehetra. Eo amin'io toerana io ihany koa no hanatontosan'i Chávez farany ny fampielezan-keviny famin'ny 4 Oktobra.