Tao Caracas no nanatanterahan'ny filoha Hugo Chávez ny faradoboka amin'ny fampielezan-keviny tamin'ny 4 Oktobra. Na dia avy aza ny orana, mbola tonga marobe nameno ny arabe tao Caracas ihany ireo mpanaraka azy, sady manofahofa saina no miventsoventso hira fanohanana ny filoha alohan'ny androm-pifidianana amin'ny 7 Oktobra.
Hoy ny teny anglisy ao amin'ny El Universal nitatitra:
Kabary naharitra 32 minitra no nataon'ny [Filoha Chávez], notsipihany tamin'izany ny hafatra izay efa nampitàiny tamin'ny fampielezan-keviny taloha: fa “tandindonin-doza ny fiainan'i Venezoelà, ka hirotsaka hofidiana izy ho kandidà amin'ny hoavy.”
Manoloana ny orambe, hoy i Chávez nilaza: “Nandro tamin'ny ranon'orana avy amin'ny Masindahy François isika. Mahatsiaro tahian'Andriamanitra isika amin'ity orana ity. Fambara amin'izay hoavy amin'ny Alahady izao. Tahaka ny hoe tsy maintsy handresy i Chávez amin'ny 7 Oktobra izao. “
Maro tamin'ireo nanatrika ny faradoboka no nizara sary tao amin'ny YouTube, tahaka an'i Edwardo Flowers Aguilar:
Amin'ity lahatsary manaraka ity, izay narakitry karinisab, rentsika ato ny hirahiran'ireo mpanaradian'ny filoha Chavez: “Chávez no se va” (“mbola eo foana i Chávez”) izay eo am-piandrasana lamasinina handeha hanatrika ny fampielezan-keivtra:
http://www.youtube.com/watch?v=nJkjw9gHvZw&feature=youtube_gdata_player
Naka sary ny fientanam-pon'ireo mpanohana an'i Chàvez i ColectivoRc:
http://www.youtube.com/watch?v=nzRaEdu4QfY&feature=youtube_gdata_player
Nizara lahatsary mitovy ny an'i Esso Álvarez ihany koa i Daguerrotipo2009.
Lahatsary hafa mikasika ny Fanadihadiana Venezoelana.