Venezoela: Boky Kely Mikasika Ny Fampiasàna Ny Twitter Mifantoka Amin'ny Fandrakofan'ny Vahoaka Ny Fifidianana

Reporte Ya (@reporteya) [es], hetsika iray fanofanana nataon'ny Fikambanana Miguel Otero Silva, dia namoaka boky kely mifantkoa amin'ny fampiasàna Twitter ho an'ireo olon-tsotra mitatitra vaovao mandritra ny fifidianana filoham-pirenena tsy ho ela hatao any Venezoela ny 7 Oktobra 2012.

Hita ao anaty aterineto io boky kely io, amin'ny endrika PDF [es], ao anatin'ny vohikalan'ny gazety El Nacional. Io boky kely io –izay nosoratan'ni Luis Carlos Díaz, mpanao gazety, mpitoraka bilaogy, sady mpandray anjara amin'ny Global Voices — dia manambara:

El día de la elección, las redes sociales serán el reflejo de nuestro espíritu participativo, pero también servirán para tener registro de lo que ocurra en casi todos los rincones del país. Por eso es importante contar con algunos criterios para hacer cobertura y seguimiento de las elecciones. El objetivo de este manual es brindar algunas premisas para reducir el ruido y los rumores, producir información confiable y conectarnos en redes para la reportería ciudadana.

Mandritra ny andro fifidianana, hitaratra ny fanahin'ny fandraisantsika  anjara ireo tambajotra sosialy, nefa sady ampiasaina ihany koa izy ireny hitahirizana ny zava-mitranga anatin'ny faritra rehetra ao anatin'ny firenena. Manaraka izany, ilaina ny mametraka fepetra vitsivitsy handrakofana sy hanarahana ireo fifidianana. Ny tanjon'ity boky kely ity dia ny hanolorana ireo faritra sasany ao an-toerana ho fampihenana ny tsaho sy ny feo miely, hamokarana fampahalalana azo antoka, ary hampifandraisana ny olona tsirairay amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy ho an'ny fitateran'ny olon-tsotra ny vaovao.

Twitter handbook for citizen electoral reporting

Boky kely fampiasàna ny Twitter ho an'ny fandrakofan'ny olon-tsotra ny fifidianana

Mifantoka amin'ireo fanontaniana fototra tahaka ny , “Maninona no Twitter no ampiasaintsika?”, “Ahoana no ampiakarako sary/lahatsary ao amin'ny Twitter?”, “Ahoana ny fomba hanarahako maso ireo fampahalalam-baovao mandritra ny fifidianana?”, “Ahoana ny hisorohantsika ireo tsaho?”, sy ireo hafa ihany koa io boky kely io.

Hampianatra ireo vahoaka mpitatitra ihany koa izany raha sendra misy fahaverezan'ny fifandraisana, manao lisitra ireo zavatra telo mety hitranga: tsy fandehanan'ireo tambajotranà finday, tsy fandehanan'ny sehatry ny Twitter, ary fanakanana ny fidirana Aterineto.

Hamaliana ilay fanontaniana “Tenifototra inona no hampiasaintsika?”, io boky kely io dia manome soso-kevitra ny amin'ny fampiasàna ny tenifototra #7O na #EleccionesVE, “na dia hiova  araka ny andro aza izy ireo miankina amin'ny adihevitra sy ny fihetseham-po avy amin'ireo mpampiasa Twitter manoloana ireo zava-mitranga amin'ny fifidianana.”

Raha mila torohevitra hafa mikasika ny fandrakofana ny fifidianana, jereo ny  “Toro-hevitra amin'ny fanaraha-maso” [es] nosoratan'i Sabrina Segovia ao anatin'ny El Nacional.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.