Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Marsa, 2017
Noho Ny Firoboroboan'ny Fandidiana Orona, Hanjavona Ve Ny Orona Armeniana?
«Raha ratsy ny toe-draharaha ara-toekarena, vitsy ny fandidiana; Raha tsara ny toe-draharaha ara-toekarena, marobe ny fandidiana»,
Famonoana Mpitati-baovao tao Meksika Miteraka Fahatafintohinana Manoloana ny Herisetra Atao Amin'ny Mpanangom-Baovao
novonoin'izy ireo i Miroslava noho ny fitenenana, noho ny fandraisana ny vaovaom-bahoaka takian'ny fiarahamonina ary nampahatezitra ireo eo amin'ny fahefana, amin'ny endriny rehetra.
Andro Erantany Ho An'ny Vehivavy, Nidina an'Arabe i Amerika Latina
Hetsika an'arabe sy fandraisana andraikitra avy amin'ireo mpikatroka maro no nandrandrain'i Amerika Latina tamin'ny Alarobia, taorian'ireo fanomezana toky avy amin'ireo vondrona sivily hoe hanatevina laharana ny fitokonana tsy hiasa amin'ny Andro Erantany natao ho an'ny Vehivavy.
Mpikatroka Jamaikana Voasambotra Teo Ambanin'ny Lalànan'ny Heloka Antserasera Noho Ny Hetsika Nokarakarainy Manohitra Ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy
Mitsapa ny fetran'ny Lalànan'ny Heloka Antserasera somary vaovao ao amin'ny firenena ny mpampanoa lalàna Jamaikana amin'ny tranga anenjehana an'i Latoya Nugent, mpikatroka nanonona ampahibemaso ny anaran' ireo voalaza fa mpanao herisetra ara-nofo tao amin'ny media sosialy .
Goatemalà: Niharan'ny Fanafihana DDoS Ny Fampahalalam-baovao Namoaka Tatitra Momba Ny Fahafatesan'ireo Tovovavy
Nanadihady tovovavy tsy ampy taona roa niangana tamin'ny loza nitranga tao amin'ny Trano Fialokalofana "Vierge de l'Assomption" ny vavadiham-baovao Nómada, ora vitsy taty aoriana, nisedra olana ny tranonkala.
Tafika Korintsana, Hetsika Mahery Vaika Manohitra Ny Herisetra Ara-nofo Ao Jamaika
Tsy vonona ny hangina intsony ireo sisa niangan'ny fanararaotana ara-nofo sy ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao Jamaika.
Mitomany Zazavavy Am-polony Maty Tao amin'ny Akany Kilasimandry iray i Goatemalà
"Aolan-dry zalahy ry zareo, ataony tsinontsinona ary rehefa manohitra, dia dorany velona. Ny fanjakan-dehilahy, ny fanavakavahana sy ny fanasokajiana no namono azy ireo ary isaky ny mipoaka ny masoandro, mamono azy ireo ny tsy firaharahiana."
Ny Endrika 12 Ny Vehivavy Ogandey
Tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, 8 Martsa 2017, nitantana fanentanana mampiseho ny endrika isan-karazany amin'ny vehivavy Ogandey ny This is Uganda (Ongada ity). Mampiasa ny tenirohy #SheRunsUg, nampiseho sary miisa 87 ahitana topi-maso ny fomba fiainan'ny vehivavy Ogandey andavanandro ireo.
‘Zanakavavin'ny Ala’, Fanadihadiana iray Momba ny Fampizakana Tena ireo Vehivavy Tanora Any Ambanivohitr'i Paragoay
"Omeo vintana ny ankizivavy amin'ny fanolorana azy ireo fanabeazana, dia afaka ny ho lasa mpikambana sarobidy sy mavitrika eo anatin'ny fiarahamonina" hoy i Samantha Grant, mpanatontosa sarimihetsika.
Nandray Am-pifaliana ny Mpanjaka Saodiana ny Indoneziana Saingy Mampanahy ny Mpikatroka ny Herim-Panintonan'i Riyadh
Nianatra ny fahamaroan-kevitra tao Indonezia ny Saodiana. Nianatra ny wahabisma tamin'ny Saodiana isika. Mitovy isika. Hoy ny mpisera Twitter iray