Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Febroary, 2015
Tolo-dalàna Rosiana Handraràna Ny Vehivavy Latsaky Ny 40 Taona Tsy Hifoka Sigara

“Ny vehivavy mifoka sigara,” hoy ny naoty fanazavana miaraka amin'ilay tolodalàna, “dia manimba ny fanànana anaka, hiteraka fahasimbana tsy azo tsaboina amin'ny tahirin-tarazon'ny firenena.”
Fanentanana Hanoherana Ny Herisetra Atao Ny Vehivavy Atao Anaty Tononkira Reggae: Dingana faha- 2
Vao haingana ny Usa la razón no namoaka sary marobe, nalefany tao amin'ny pejiny Facebook, izay—tena mahery setra—mampiseho ny herisetra voafaritra any anatin'ny tononkiran'ireo hira malaza izay matetika no lalaovina imasom-bahoaka.
Misaona Tovovavy Mpianatra Nisy Namono Tamin-Kerisetra i Tiorkia
Nanokatra adihevitra momba ny herisetra atao amn'ny vehivavy ao Tiorkia ireo vaovao tamin'ny herinandro lasa momba ilay famonoana tamin'ny fomba feno habibiana natao an'ilay tovovavy mpianatra, ary nitarika hatezeram-bahoaka.
Mila “Apartheid” i Japana, Hoy ilay Mpanoratra Mpifikitra Amin'ny Nentin-drazana
Nanamarika ilay Japaney mpanoratra sady mpikatroka politika avy amin'ny mpifikitra amin'ny nentin-drazana, Ayako Sono, niaro ny tokony hanavahana ireo mpifindra monina nankao Japana amin'ny alàlan'ny fiaviany ary terena honina aminà toerana voatokana
‘Mpaminany Farany’ ao Tajikistan Miatrika Fanagadrana noho ny Fangoronan-Tany sy Fakana Vady Maro
Vady fito, zanaka roapolo ary mpanara-dia am-polony: nilaza ho Irak'Andriamanitra ny Sheikh Temur, saingy lasa aloha noho izay noeritreretiny ny Androm-Pitsarana azy.
Zazavavy Malayziana Norahonana Hogadraina Fa Nifamihana Ampahibemaso Tamin'ny Kintan'ny K-Pop
Fantsona fahitalavitra Malayziana iray namoaka lahatsary YouTube tamin'ny lanonana fihaonana tamin'ny mpankafy ny tarika B1A4 izay tsy misy ifandraisany amin'ny lohateny miampanga ny tarika ho "namiravira zazavavy miozolomana".
Fancy Galada Avy Ao Capetown, Mihira Ho Fahasitranan'ny Tenany Sy Ny Hafa
Tsy maintsy nitombana ho lehibe haingana i Fancy Galada dieny tany amin'ny faha-10 taonany, nikarakara ireo anadahy sy rahavaviny. Ary indraindray, dia nisedra fijaliana ny fahazazàny. Mihira izy mba ho sitrana amin'ireny fahatsiarovana mangidy ireny.
Fahatezerana Any Kolombia Amin'ny Fisian'ny Fifaninanana Hatsaran-Tarehy Oliravin'ny Tako-Kenatra Kely
Mampiady hevitra ilay fifaninanana hatsaran-tarehy fantatra amin'ny "Oliravin'ny Tako-kenatra hoan'ny Kely," izay tohanan'ny fiadidian'ny tanàna, ahitana zazavavy kely zara fa enina taona tsy manao afa-tsy silipo.