Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Septambra, 2021
Belarosia: nanapaka hevitra ireo manampahefana fa hofoanana ny toeram-pialofan'ireo niharan'ny herisetra an-tokantrano
Ilay fanafoanana dia ampahany amin'ny famoretana amin'izao fotoana izao atao an'ireo ONG, media tsy miankina, ary mpikatroka izay nihamafy tamin'ity lohataona ity, taorian'ny herintaona nisian'ny hetsipanoherana an'ireo fifidianana feno hosoka.
Miteraka adihevitra momba ny andraikitry ny lahy sy ny vavy ireo vehivavy miaramila andiany voalohany nahazo diplaoma ao Arabia Saodita
Tsy mitovy ireo fijery ao amin'ny media sosialy, ao ireo mankasitraka ny fanapahan-kevitra, ireo izay midera ireo mpitondra Saodiana noho ny fanafahana ny vehivavy, ny hafa kosa milaza fa tsy mety amin'ny vehivavy ny ady na milaza momba ny antony fandraràna ara-pivavahana. Reactions on social media varied between those welcoming the decision, others who praised Saudi rulers for enabling it, and those who consider women unfit for combat or cited religious bans
Ny taksim-bavy manokana ao Zeorzia
Tolotra taksy vaovao any Zeorzia, antsoina hoe TaxiWoman no mampanantena dia azo antoka satria natokana ho an'ny vehivavy irery ihany izany miaraka amin'ny mpamily vehivavy.
Manohitra ny fanonganam-panjakana sy ny fanjakan-dehilahy: Antsafa nifanaovana tamin'i Nandar, mpikatroka feminista ao Myanmar
"Tiako ho fantatry ny olona fa tsy fihetsika lafo vidy ny fanehoana firaisankina. Azo atao amin'ny fomba maro izany raha tsy mametra ny tenanao ianao."
Fandrodanana ny fanjakazakan-dehilahy: Maneho hevitra amin'ny alàlan'ny TikTok ireo transfeminista sy ny Boliviana sady tsy lahy no vavy
Manantena ny “hanenika” ny habaka an-tserasera ny La Pesada Subversiva amin'ny votoaty fitakiana manohitra ny fanjakazakan-dehilahy avy amin'ny feon'ireo mpandray anjara fototra.
Taorian'ny namonoan'ny lehilahy koetiàna iray ny vehivavy iray tao amin'ny fianakaviany, nohavaozina ireo antso hisian'ny fiarovan'ny governemanta
Angatahan'ireo mpikatroka ny hanomezana fialofana ho an'ireo vehivavy miatrika herisetra an-tokantrano, ary hanafoanana ny andininy faha-153 ao anatin'ny didy famaizana ao Koety, izay manalefaka ny heloka natao hiarovana voninahitra.
Mampiharihary ny fankahalana sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy ny fanafihana anaty fiarandalamby any Japana
"Ny hitovian'ireo mpitifitra olona faobe, mpamono olona tsirairay hatrany, sy ireo andian'olon-dratsy mpanao herisetra amin'ny vehivavy dia ny fankahalana tanteraka vehivavy,"
Bahreïn : kintan'ny fanatanjahantena vaovao, Ruqaya Al Ghasra
(Lahatsoratra tamin'ny volana Aogositra 2008) Fahenina izy nandritra ny fifanintsanana ary efa vita ny nofinofiny ho tonga vehivavy Arabo voalohany avy ao amin'ny Helodranao handray anjara amin'ny lalao famaranana Olaimpika...
Ny manjò ireo vehivavy Afghàna eo ambany fitarihan'ny Talibana indray
Noho ny fifehezan'ny Taliban an'i Kabul, miatrika hoavy manjavozavo amin'ny fiverenan'ny fiarahamonina mandà ny zon'izy ireo ny vehivavy ao Afghanistan.