Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Avrily, 2010
“Boobquake” – “Horohoron”-’ny nofo miatrika ny fitakian’ny mpitarika fivavahana iraniana
Mpianatra iray any amin'ny Anjerimanontolon'i Purdue any Etazonia no nangataka ny vehivavy eran-tany mba hanao fitafiana mihanjahanja na mampiseho kely ny lohaliny ny andro alatsinainy, ho toy ny andrana hanihany ihany mba hanaporofoana ny tsy maha-marimpototra ny fombam-pivavahana iraniana izay milaza fa ny fanaovana akanjo tsy maotina dia miteraka horohoron-tany.
Kaokazy : fampivoarana ny fiainana ara-tsosialy
Na dia mbola mihisatra aza ny fidiran’ny internet any Atsimon'ny Caucase, ny fambara rehetra dia maneho fa ireo haino aman-jerim-baovao sy ara-sosialy dia mitana andraikitra lehibe eo amin'ny tontolon'ny fampivelarana ny demokrasia sy ny hafanam-po any an-toerana. Miaraka amin'izany fijery izany ao an-tsaina, ny Open Society Georgia Foundation (OSGF), ny Georgian Institute of Public Affairs (GIPA) sy ireo mpanome tànana hafa dia nikarakara ny Fihaonana voalohany ho an'ny Fanavaozana ara-Sosialy ao Tbilissi, any Georgie ny 8-10 Aprily, hetsika izay hokarakaraina midanindran-dàlana amin'ny fihaonambe momba ny Haino aman-jery ara-Sosialy ho an’ny Fanovana Sosialy.
Afrika Atsimo: Ilay vehivavy nandany 7 volana tany amin'ny fonja natao ho an'ny lehilahy
Talohan'ny namotsorana azy noho ny fikasàna hangalatra sy hàka an-keriny tany Afrika Atsimo, notànana tamina fonjan-dehilahy nandritry ny fito volana i Denise Abbah mandra-piandry ny fitsarana azy. Noheverin'ireo mpandraharaha ny...