Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Aogositra, 2023
Tohin'ny adiny amin'ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ao Kyrgyzstan ny rakikiran'i Zere vaovao
Manohy miresaka momba ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ny hira no sady mitrandraka ireo olana ara-tsosialy sy ara-politika hafa ao Kyrgyzstan manoloana ny zava-niainany akaiky sy manokana ary ny tantarany hatramin'ny fahazazany.
Ny nofinofin'ilay Saodiana mpiaro ny zon'olombelona Loujain Al-Hathloul ao amin'ny bokin'ny ankizy
Ao amin'ny tantara, maniry ny hanidina miaraka amin'ny elany i Loujain kely, nefa ny ankizilahy ihany no nanana izany zo izany. Na dia teo aza ny zava-tsarotra, manohana ny nofinofiny ny fianakaviany, ka mahatonga azy ho maherifo manome aingam-panahy.
Barbie ao Balkàna : Avy amin'ny vaovao diso mankany amin'ny alahelo an'i Yogoslavia
Nampiasaina ho toy ny fitaomam-panahy ho amin'ny vaovao diso ao Balkàna ny vaovao mikasika ny fandraràna ilay sarimihetsika Barbie ao Vietnam, miaraka amin'ny filazana diso mikasika ny sivana ao Serbia.
Miady amin'ny fandringanana tsy mitsahatra ny alan'i Akbelen any Torkia ireto vehivavy ireto
Fikambanana miisa 300 eo ho eo no nivondrona ao anatin'ny antson'ny mponina mba hampitsaharana ny asa fitrandrahana sy fandringanana ala rehetra ao amin'ny faritra, araka ny fanambarana navoaka tamin'ny 28 Jolay.
Miresaka momba ireo olana ara-tsosialy mielipatrana amin'ny alalan'ny hirany ilay mpihira rap any Ozbekistan
Mifantoka amin'ny fiarahamonina Ozbeky ny hiran'i Konsta, ny olany, sy ny anjara andraikitry ny tsirairay amin'ny fandehan’ny zavamisy.
Mihemotra ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny politika ao Nizeria: Antso hihetsika
Nanambara ny tatitra fa notondroin'ny fanadihadiana ny fifandraisana tsara eo amin'ny ambaratonga ambony amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, ny fandraisan'ny vehivavy anjara ara-politika, ary ny fitantanana ankapobeny tsara kokoa, ary ambany kokoa ny kolikoly.
Nivoaka ny sisintanin'i Torkia ny fanahian'i Filoha Erdoğan tafahoatra momba ny fiterahana
Milaza ireo mpahay toekarena mahaleo tena fa saika tsy mahavelona zaza dimy ny toekarena misy sy ny karama ao Azerbaijan.