Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Aogositra, 2015
Am-polo Taonany ny Demaokrasian'i Arzantina, Nahoana No Mbola Mitohy Ny Fanjavonan'Olona?
Na dia teo aza ny 32 taonan'ny demaokrasia, mbola an'arivony ireo olona, indrindra ny vehivavy sy ny tovovavy no mbola tsy hita popoka ao Arzantina. Ary mbola maro ireo nanjavona.
Fotoana izao Hampitsaharana Ny Didimpoitram-behivavy Ao Amin'ny Firenena Tokana Ao Amerikana Latina Mbola Ahitana izany
Fomba fahita na ahafantarana ny firenena afrikana sasantsasany ny fanjairana-fandrombinana ny fitaovam-pananahan'ny vehivavy, saingy mbola ampiharina amin'ny fokonolona tompontany-teratany sasantsasany ao Kôlombià izany fomba izany.
Nahazo Aina Vaovao Indray Ilay Afisim-pizahantany Mametraka An'i Jamaika Ao Anaty Sarintany
Nahasarika olona maro indray ilay azo lazaina fa angamba afisim-pizahantany malaza indrindra manerantany noho ny fanatontosana iray nataon'ilay Amerikana mpiangaly mozika Alicia Keys.
Polisy Manamboninahitra Goianey Nosaziana Fa Bevohoka
Ahafahan'ny polisy mandroaka izay polisy manampahefana vehivavy bevohoka ao anatin'ny fotoanan'ny fisedrana ny lalàna tranainy ao Goiana. Tokony hovaina ve izany lalàna izany?
Toy Izao Ny Fandrenesan'Ny Olona Ny Hiran'i Michael Jackson Amin'ny Fiteny Quechua
Tao amin'ny YouTube, efa maherin'ny atsasaky ny iray tapitrisa no njìijerena ny hiran'i Michael Jackson "The Way You Make Me Feel" izay nindramin'i Renata Flores Rivera, zazavavy 14 taona ary teratany Peroviana, nohiraina tamin'ny fiteniny.
Bolivia : Trano Fisakafoanana Mahazo Dera Noho Ny Fampandrosoany Malalaka Ny Reny Mampinono
Voalaza fa i Bolivia no firenena Amerikana Atsimo izay manana taha ambony amin'ny fampinonoan-dreny, nefa tsy ampiana amin'ny fanaovana izany imasom-bahoaka.
Resaka Tamin'i Nina Ansary, Mpanoratra Mpivohy Ny Miralenta, Ny Harivan'ny Fiovàna Tany Iràna

Tafaresaka amin'ny mpanoratra ny 'Jewels of Allah', boky vaovao manazava momba ny miralenta any Iràna amin'izao fotoana izao i Mahsa Alimardani.
Tanzaniana Mpamboly Ireo Olo-malaza Vaovaon'ny Televiziôna Mampiseho Ny Fiainana Andavan'andro
Fampisehoana amin'ny Televiziôna Tanzaniana, vokarin'ny Oxfam ny "Vehivavy Maherifon'ny Sakafo", mitady izay hanomezana hery sy hampianarana ireo vehivavy any ambanivohitra izay mampisakafo ny ankamaroan'ireo fianakaviana any amin'ny firenena Afrikana.
Hong Kong Manomana ‘Diaben'ny Nono’ Ho Fanoherana ny Didim-Pitsarana sy Fihetsiky ny Polisy Mahatsikaiky
Afa-midaroka polisy iray amin'ny nonony ve ny mpanao fihetsiketsehana iray?