· Febroary, 2008

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Febroary, 2008

Arabia Saodita : Tsy misy kafe hoan'ny vehivavy

  21 Febroary 2008

Lalla Mona avy any Arabia Saodita no manapariaka sary fandraràna roa : ny voalohany nalaina tany Amerika tamin'ny taona 1931 “Dobo filomanosana : Natokana hoan'ny fotsy hoditra” ny faharoa kosa mbola fahita ankehitriny any Arabia Saodita “Araky ny fanapahan-kevitry ny Sampana misahana ny fanapariahana ny fitondra-tena “maotina” sy fiarovana tsy...

Vehivavy antitra indrindra mbola velona

  17 Febroary 2008

Kabobfest no manaitra antsika fa misy vehivavy Palestianiana, teraka tamin'ny taona 1888 mipetraka any Isiraely mbola velona amin'izao fotoana izao. Izany hoe 120 taona izy amin'ity taona ity. Misy sariny ao amin'ny rohy ao.

Madagasikara : Adihevitr'ireo mpiblaogy mikasika ny “fanalan-jaza” sy ny fiadiana hoan'ireo zon'ny vehivavy

  15 Febroary 2008

Mandritra ny fety “Saint Valentin,” ilay hetsika manodidina ny fandikana amin'ny teny Malagasy ilay soratra naha-tafintohina ny sasany anefa ankafizin'ny hafa mitondra ny lohateny hoe : The Vagina Monologues | Les Monologues du vagin [izay nezahin'i Jogany nadika ho “Firesakin’ny kitsom-pahafinaretana”] sy ny fitakian'ny Komity mpiaro ny zon'olombelona ny hanavaozan'i...