Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Mey, 2016
Vehivavy Meksikana An'arivony Tsy Tafody An-Trano
Fa ho an'ny fianakavian'ireo nanjavona, ny fanontaniana sarotra ahitana valiny dia ny hoe mandra-pahoviana no tsy hitsahatra tsy hikaroka : "Tsy hitsahatra izahay [...], fa ilaiko fantatra hoe aiza ny zanako vavy"
Manontany Ny Bilaogera Hoe Nahoana No Mbola Hita Anaty Boky Ao Trinite Sy Tobago ny Fampanambadiana Ankizy
"Tsy olan'ny taona sy fahamatorana ihany izany, fa olan'ny fahefana ihany koa."
Tsanganana Tokana dia Nahaova Fiainan-dReny Somali Mananon-tena Mananjanaka Valo
Andro iray monja dia nahaangona vola mihoatra ny 4000 dolara amerikana ny fanangonam-bola niainga avy any amin'ny maro ho setrin'ny tantara.
Ny Fiovàn'ny Hatsaràn'Endrika sy Bika Tao Japàna Tato Anatin'ny 100 Taona
Miainga avy amin'ny volo lava mankany amin'ny fohy, avy any amin'ny ankosotra matevina ka hatramin'ireo tsotsotra, nandalo fiovàna mahavariana ny fikolokoloana hatsaràn-tarehy tao Japàna tato anatin'ny 100 taona farany.
Ny Fanjakana Iraniana Mifampitàna Amin'i Kim Kardashian
Tena kidaladala ilay tantara ka lasa toa mahatsikaiky, raha atao indray mijery. Saingy tsy raharaha natao hihomehezana mihitsy ny olan'ny fanjakàna Iraniàna amin'i Kim Kardashian.
‘Mpikatroka’ Nanafika Trano Fivarotan-tena Ao St. Petersburg, Nanery Ireo Vehivavy Handeha Miboridana Any Amin'ny Polisy
Vao navotsotra ny fonja vao haingana, nanafika trano fivarotan-tena roa ao St-Petersbourg ny iray amin'ireo jiolahim-boto ikoizana ao Rosia, nanery ireo vehivavy handeha miboridiana mankany amin'ny paositry ny polisy.
Ramatoa Telo Mahery Fo Mandefa Fanentanana Mba Hamporisihina Ny Fitaterana Ireo Tranga Momba Ny Herisetra Ara-nofo Ao Meksika
Miaraka amin'ny fitokiana hoe "raha ny iray aminay no voakitikitika, izahay rehetra no mamaly", mamporisika ny fitaterana ireo fihetsika manao herisetra ara-nofo miseho isan'andro atao amin'ireo vehivavy ao Meksika ny fanentanana "Aza mangina".
Tafintohina Tamin'ny Lalànan'ny Iraniana Momba Ny Sarondoha Ireo Ekipa Vehivavin'ny Air France
Mangataka ny zo tsy hiasa amin'ny zotra Paris-Tehran ireo vehivavin'ny Air France raha takiana ny fanaovana sarondoha, ary tohanan'ny vondrona Facebook "My stealthy Freedom" ( Ny fahafahako miserana) amin'ny fanentanana vaovao amin'ny aterineto ny hetsika ataon-dry zareo.
Manohitra ny Fampanambadiana Ankizy Ao India Ireo Mpivarotra Tranolay ho an'ny Lanonana
Ahoana no hahafahantsika miantso ny tenantsika ho mivoatra raha toa ka miroborobo ny fomban-drazana ratsy tahaka izao.
Mbola Tànam-polo Ihany No Anadiovan'Ireo Ambany Saranga Ao India Ny Tain'ny Olona, Na Eo Aza Ny Lalàna Mandràra Izany
Araka ny tatitra iray tamin'ny 2015, maro amin'ireo trano any ambanivohitra ao India no mbola manakarama mpandraoka loto amin'ny tànana, mihevitra fa tsy misy ifandraisany amin'ny fahantràna ilay fomba fanao fa noho ny fanavakavahana iaretana noho ny resaka saranga